Luis Alberto Spinetta, “El Flaco“, iray amin'ireo mpiangaly rock malaza ao Arzantina, namoy ny ainy tamin'ny 8 Febroary 2012, noho ny tsy fahasalamany; tratran'ny homamiadan'ny havokavoka i Spinetta, natao fizahana tamin'ny volana Jolay 2011 izy. Nanjary fanta-bahoaka ny nahazo azy, tany amin'ny faramparan'ny taona iny, nandefa taratasy mampientam-po tamin'ireo mpankafy azy izy izay toy izao ny fanombohany:
Buenos Aires. Diciembre 23, 2011. Mi nombre es Luis Alberto Spinetta. Tengo 61 años y soy músico. Desde el mes de julio sé que tengo cáncer de pulmón. Estoy muy cuidado por una familia amorosa, por los amigos del alma, y por los mejores médicos que tenemos en el país. Ante el aluvión de información inexacta, quiero aclarar públicamente las condiciones de mi estado de salud. Me encuentro muy bien, en pleno tratamiento hacia una curación definitiva. […]

Luis Alberto Spinetta, sary avy amin'i Facundo M. Nívolo. Sary nahazoana alalana, Creative Commons license Attribution-NonCommercial-NoDerivs 2.0 Generic (CC BY-NC-ND 2.0)
Tamin'ny volana Janoary, nampidirina tao amin'ny toeram-pitsaboana Cemic i Spinetta mba hodidiana ny tsinainy noho ny fisiana kambon-doaka (diverticulite), fizahana tsy misy ifandraisany amin'ny homamiadana mahazo azy. Tamin'ny 30 Janoary, 25 andro taoriana ny nidirany hopitaly, afaka nivoaka ny hopitaly izy ka afaka nody tany an-tranony.
Tamin'ny 8 Febroary, herinandro mahery kely, namoy ny ainy tao an-tranony i “El Flaco” , ary nohodidinin'ireo zanany: Dante, Catarina, Valentino ary Vera, araka ny filazan'ny gazety Arzantina Telám. Ary ireo zanany ireo ihany no nanomboka nandefa hafatra feno fanjoretra, alahelo ary fintaintainana, tao amin'ny valantserasera Twitter. [es]
Dante (@dantespinetta), tweet fohikely tao amin'ny twitter saingy manohina ny fo, hoy izy nilaza:
Te amo por siempre Papá.
T amo papá, siempre vas a estar en mi alma y mi corazón.
Nanatsonga ny andalan-kiran'ny dadany i Catarina (@Cataspinetta) ni-tweet toy izao:
‘No habrá un destino incierto, ni habrá distancia que pueda alejarme de ti…’ Amor eterno a mi Padre♥
Fihetseham-po tao amin'ny valantserasera
Tenifototra #chauflaco [veloma Flaco] nanjary lohahevitra malaza vetivety, nanangona ny tweet an'ireo mpisera maniry hizara ny fihetseham-pony manoloana ny vaovao nahafatesan'ilay mpanao mozika, iray amin'ireo naharitra ela indrindra tamin'ny fiangaliana rock tao Arzantina:
Mpisera Paula Castro (@_paucastro) nanasongadina hoe:
La tristeza de decir #chauflaco .. Gracias x tanta poesia!
Mpanoratra Teknolojia Federico Wiemeyer (@wiemeyer) nampahatsiahy andinin-kiran”i Spinetta:
“Si no canto lo que siento me voy a morir por dentro” #ChauFlaco
Pablo Ferreyra (@PabloRFerreyra) nitomany:
Murió el mejor músico argentino. El que más voy a extrañar. Barro tal vez, flaco. #ChauFlaco
Mpisera Bruno Vaccotti (@peztresojos) nanatsonga an'i Spinetta ka nanazava ny fientanam-pon'ny olona:
“La gente está incluida en el alma. Yo soy toda la gente” #elflaco dixit. Por eso hoy, todos morimos un poco. #chauflaco
Paula Zuviría (@pau_apichela) niitantara tranga fohy:
Mama entra llorando a mi cuarto y me dice: Porque no me contaste que murió Spinetta ? #chauflaco
Mpisera Cecilia Ann Tosh (@_CeciliaAnn) nanasongadina hoe:
Por qué se puede estar acongojado por la muerte de alguien que no conociste? Porque su obra enriqueció tu ser. #ChauFlaco
Nihabetsaka ny hafatra avy amin'ny mpisera Twitter ary mety mbola tsy hiato izany rahampitso na amin'ny herinandro, izay rariny tokoa satria noraisin'ny maro ho toy ny mpiangaly mozika lehibe indrindra ao Arzantina izy. Ary raha avy amin'ny tsirairay mihitsy ny filazana tahaka izany, tsy azo lavina fa nisy fiantraikany teo amin'ireo mpanakanto maro ny talentany, ary ny lova navelany kosa dia hiraikitra ao am-pon'ny Arzantina sy ny kolontsain'i Amerika Latina.
“Ary marina foana izany, na mipetraka ianao na mandeha.”