- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shina: Niteraka Fankalazana sy Alahelo Ny Veto Momba an'i Syria

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Syria, Ady & Fifandirana, Fahalalahàna miteny, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Politika, Vonjy Voina, Zon'olombelona

Nifidy ho amin'ny tombotsoany manokana i Rosia sy i Shina omaly tamin'ny fanoherana mampiady hevitra [1] nataon'izy ireo tamin'ny volavolam-panapahan-kevitra tao amin'ny Vaomieran'ny fandriampahaleman'ny Firenena Mikambana miantsony filoha Syrian [2]a Bashar al-Assad [3] hampitsahatra ny famonoan'olona ataony ao amin'ny firenena, volavolam-panitsiana ny drafitra teo aloha miantso an'i Assad hiala amin'ny fitondrana.

[4]

Masoivoho Etazonia ao amin ny Firenena Mikambana Susan Rice mifanatrika amin i Li Baodong, Shina

Nohamarinin'i Shina ny fanapahan-keviny nanangana ny veto amin'ity volavolam-panapahan-kevitra ity amin'ny filazany te-hametraka ny fandriampahalemana [5] any Syria, ary i Rosia kosa milaza ho manantena ny hampitsahatra ny fifandirana ao amin'ilay firenena amin'ny alalan'ny fifanatonana diplomatika. Araka ny asongadin'ny [6] mpanoratra ny FireDogLake David Dayen: “Manana lanjany lehibe amin'ny safidy anio ny mbola andefasan'i Rosia fitaovam-piadiana amin'ny mpitandro ny filaminana Syriana.”

Heverina fa nahatratra hatramin'ny 7000 ny isan'ny maty [7] hatramin'ny nanombohan'ny rotaka tamin'ny volana marsa tamin'ny herintaona, ka mihoatra ny 200 ny aina nafoy nandritra ny fandripahana tamin'ny fiandohan'ity herinandro ity [8].

[9]

Hu Xijin, tonian'ny fanoratana gazetim-bahoaka mivoaka isan'andro malaza Global Times [10], no nahavita ho heverina ho iray amin'izay avo feo indrindra namoaka fanambarana fanohanana ny fanapahan-kevitr'i Shina hanangana ny vato tsy azo ivalozana tamin'ny volavolam-panapahan-kevitra, ka voatery niatrika fanakianana maventy teo amin'ny toerana ho amin'ny fanehoan-kevitra. Noraisiny ho fanorisorenana ny “loiloy” nasehon'i Susan Rice [11] tamin'ny safidin'i Shina, Hu Nafangaron'i Hu [12] [zh] tamin'i Condoleezza Rice ramatoa ka nanoratra [13] toy izao koa izy:

美国代表不点名批评中俄“出卖了叙利亚人民的意愿”。骂去好了。美国多次在安理会涉以色列提案表决时搞“一票否决”,这次中俄是“两票否决”。叶利钦当年说的好:只要中俄联手,美国无论捣鼓什么,“都是手淫”。赞呵。

Nitsikera an'i Shina sy i Rosia ny solontena Amerikana tamin'ny “famadihana” nataon'izy ireo ny vahoaka Syriana. Tsy mankaiza mihitsy. Efa imbetsaka i Etazonia no nanivaka samirery nampihatra ny vato tsy azo ivalozana raha vao misy ny tolo-kevitra avy amin'ny Vaomieran'ny Fiarovana momba an'Isiraely. Vato roa kosa ny “veto” nataon'i Shina sy i Rosia androany. Yeltsin no tena mahalaza azy tsara: Raha mbola miara-dia i Shina sy i Rosia, ny hany azon'i Etazonia atao dia ny milalao samirery. Mahafinaritra.

Nanoratra [14] [zh] taoriana kelin'izany ho toy ny valiny ny mpanoratra Ran Yunfei [15]:

一个政府做一次错事可以原谅,不可原谅的是把做错事当成事业。我不是个民族主义者,但百年来的历史证明,中国与俄国的联手从来都没有对过。

Azo avela heloka ny fitondrana rehefa manao fahadisoana indray mandeha, saingy tsy azo avela kosa rehefa ifandovana ny fahadisoana isan-karazany. Tsy nasionalista aho, fa ny tantara nandritra ny zato taona dia nanaporofo fa tsy misy na inona na inona mety nataon'i Shina sy i Rosia amin'ny fiaraha-dalana.

Mpaneho hevitra “voamarina” iray no nanoratra [16] [zh] tao amin'ny Sina Weibo [17] ny maraimben'ny alahady, ora any Beijing, fa tokony esorina ao amin'ny Vaomieran'ny Fiarovana i Rosia sy i Shina ka i Shina dia soloina an'i Taiwan; voafafa haingana moa izany hafatra [18] izany.

Azafady ry izao tontolo izao, Azafady ry Syria, manana fitondrana tsimifaditrovana izahay Shinoa.Michael Anti [19], ao amin'ny Twitter [20].

Ny lahatsary mampangorohoro etsy ambany na izany aza, izay heverina ho mitatitra ny fandripahana natao tamin'ny alakamisy [heriny] tany Homs, dia mbola tsy voafafa [tamin'ny fotoana nanoratana] ary niteraka fanehoan-kevitra an-jatony teny amin'ny sehatra samihafa nametrahana azy. Ao amin'ny Sina Video, izay misy azy amin'izao fotoana izao no ahitana ny hevitra farany indrindra mivaky toy izao:

尼玛的我们国家在干什么鸟呀

Oadray, fa inona ity ataon'ny firenentsika?