Shina: Niteraka Fankalazana sy Alahelo Ny Veto Momba an'i Syria

Nifidy ho amin'ny tombotsoany manokana i Rosia sy i Shina omaly tamin'ny fanoherana mampiady hevitra nataon'izy ireo tamin'ny volavolam-panapahan-kevitra tao amin'ny Vaomieran'ny fandriampahaleman'ny Firenena Mikambana miantsony filoha Syriana Bashar al-Assad hampitsahatra ny famonoan'olona ataony ao amin'ny firenena, volavolam-panitsiana ny drafitra teo aloha miantso an'i Assad hiala amin'ny fitondrana.

Masoivoho Etazonia ao amin ny Firenena Mikambana Susan Rice mifanatrika amin i Li Baodong, Shina

Nohamarinin'i Shina ny fanapahan-keviny nanangana ny veto amin'ity volavolam-panapahan-kevitra ity amin'ny filazany te-hametraka ny fandriampahalemana any Syria, ary i Rosia kosa milaza ho manantena ny hampitsahatra ny fifandirana ao amin'ilay firenena amin'ny alalan'ny fifanatonana diplomatika. Araka ny asongadin'ny mpanoratra ny FireDogLake David Dayen: “Manana lanjany lehibe amin'ny safidy anio ny mbola andefasan'i Rosia fitaovam-piadiana amin'ny mpitandro ny filaminana Syriana.”

Heverina fa nahatratra hatramin'ny 7000 ny isan'ny maty hatramin'ny nanombohan'ny rotaka tamin'ny volana marsa tamin'ny herintaona, ka mihoatra ny 200 ny aina nafoy nandritra ny fandripahana tamin'ny fiandohan'ity herinandro ity.

Hu Xijin, tonian'ny fanoratana gazetim-bahoaka mivoaka isan'andro malaza Global Times, no nahavita ho heverina ho iray amin'izay avo feo indrindra namoaka fanambarana fanohanana ny fanapahan-kevitr'i Shina hanangana ny vato tsy azo ivalozana tamin'ny volavolam-panapahan-kevitra, ka voatery niatrika fanakianana maventy teo amin'ny toerana ho amin'ny fanehoan-kevitra. Noraisiny ho fanorisorenana ny “loiloy” nasehon'i Susan Rice tamin'ny safidin'i Shina, Hu Nafangaron'i Hu [zh] tamin'i Condoleezza Rice ramatoa ka nanoratra toy izao koa izy:

美国代表不点名批评中俄“出卖了叙利亚人民的意愿”。骂去好了。美国多次在安理会涉以色列提案表决时搞“一票否决”,这次中俄是“两票否决”。叶利钦当年说的好:只要中俄联手,美国无论捣鼓什么,“都是手淫”。赞呵。

Nitsikera an'i Shina sy i Rosia ny solontena Amerikana tamin'ny “famadihana” nataon'izy ireo ny vahoaka Syriana. Tsy mankaiza mihitsy. Efa imbetsaka i Etazonia no nanivaka samirery nampihatra ny vato tsy azo ivalozana raha vao misy ny tolo-kevitra avy amin'ny Vaomieran'ny Fiarovana momba an'Isiraely. Vato roa kosa ny “veto” nataon'i Shina sy i Rosia androany. Yeltsin no tena mahalaza azy tsara: Raha mbola miara-dia i Shina sy i Rosia, ny hany azon'i Etazonia atao dia ny milalao samirery. Mahafinaritra.

Nanoratra [zh] taoriana kelin'izany ho toy ny valiny ny mpanoratra Ran Yunfei:

一个政府做一次错事可以原谅,不可原谅的是把做错事当成事业。我不是个民族主义者,但百年来的历史证明,中国与俄国的联手从来都没有对过。

Azo avela heloka ny fitondrana rehefa manao fahadisoana indray mandeha, saingy tsy azo avela kosa rehefa ifandovana ny fahadisoana isan-karazany. Tsy nasionalista aho, fa ny tantara nandritra ny zato taona dia nanaporofo fa tsy misy na inona na inona mety nataon'i Shina sy i Rosia amin'ny fiaraha-dalana.

Mpaneho hevitra “voamarina” iray no nanoratra [zh] tao amin'ny Sina Weibo ny maraimben'ny alahady, ora any Beijing, fa tokony esorina ao amin'ny Vaomieran'ny Fiarovana i Rosia sy i Shina ka i Shina dia soloina an'i Taiwan; voafafa haingana moa izany hafatra izany.

Azafady ry izao tontolo izao, Azafady ry Syria, manana fitondrana tsimifaditrovana izahay Shinoa.Michael Anti, ao amin'ny Twitter.

Ny lahatsary mampangorohoro etsy ambany na izany aza, izay heverina ho mitatitra ny fandripahana natao tamin'ny alakamisy [heriny] tany Homs, dia mbola tsy voafafa [tamin'ny fotoana nanoratana] ary niteraka fanehoan-kevitra an-jatony teny amin'ny sehatra samihafa nametrahana azy. Ao amin'ny Sina Video, izay misy azy amin'izao fotoana izao no ahitana ny hevitra farany indrindra mivaky toy izao:

尼玛的我们国家在干什么鸟呀

Oadray, fa inona ity ataon'ny firenentsika?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.