10 Febroary 2012

Tantara tamin'ny 10 Febroary 2012

Hongria : veloma i Malév!

Malév, kaompaniam-pitanterana an'habakabaka Hongroà, niorina tamin'ny taona 1946, no nikatona tamin'ny 03 febroary satria bankirompitra. Araka ny  vaovao an-gazety [hu], tsy nahalala ny hanakatonana ity kaompania ity ireo mpiasa tao raha tsy adiny...

10 Febroary 2012

Somalia Speaks: Manamafy Ny Feon'Ireo Somaliana Tsy Misy Mpihaino

Rising Voices

Iray amin'ireo firenena an-dalam-pandrosoana izay miafara any anatin'ny tontolon'ny media noho antony ratsy i Somalia: ady sivily, kere, haintany, ireo piraty Somaliana raha tsy hanonona afatsy vitsivitsy. Miaraka amin'ny fanampiana entin'ny sehatra fifanakalozana mipetraka ao amin'ny Ushahidi "Somalia Speaks", manangona feo tsy misy mpihaino avy ao Somalia ny Al Jazeera amin'ny teny Anglisy amin'ny alàlan'ny SMS. Avadika ho amin'ny teny Anglisy ireo valinteny ary amin'ny farany dia raketina anaty sarintany.

10 Febroary 2012

Maldives: Voamariky ny Herisetra

Nandray kihon-dalana mahatsiravina ny olana politika ao Maldives tamin'ny Alarobia teo rehefa nodarohan'ny polisy an-kerisetra sy noratrainy ireo mpanohana ny filoha teo aloha, Mohamed Nasheed, teo ampanaovana hetsi-panoherana manohitra ny lazain-dry zareo ho fanonganam-panjakana nahatonga ny fanesorana teo amin'ny fitondrana ny filoha voalohan'ity nosy ity voafidy tamin'ny fomba demaokratika.

10 Febroary 2012