Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny Revolisiona ao Tonizia 2011.
Tanaty fanambaràna iray navoakany tao amin'ny pejy Facebook-ny, ny biraon'ny fiadidiana ny fitondram-panjakana dia nandà ny hoe nandefa fanenjehana ara-pitsaràna ny haino amanjerim-panjakana ny Filoha Moncef Marzouki, noho ny niantsoana azy hoe ”Filoha mpisolo toerana vonjimaika”.
Ilay fanambaràna dia fanehoan-kevitra ho setrin'ny lahatsoratra iray navoakan'ny gazety Al-Sabah, nilaza fa ny 13 Febroary, ny fitsarana ao Tonizia dia hamoaka didy mikasika ny fampiasàna ny fomba fiteny hoe “mpisolo toerana vonjimaika” nataon'ny haino amanjerim-panjakana rehefa niresaka momba ny Filoha Moncef Marzouki sy ny governemantany.
Araka ny loharanom-baovao mitovy, mpisolovava iray no nametraka fitarainana eny amin'ny fitsaràna ambaratonga voalohany ao Tonizia, milaza fa tsy misy “fototra araka ny lalàna” mihitsy ny fampiasàna ny karazan-teny toy izany.
Tsy vao voalohany izao ny fampiasàna ny teny “mpisolo toerana vonjimaika” no niteraka fifanasàna vangy tao Tonizia. Tany amin'ny Janoary, ny Minisitra misahana vonjimaika ny Fitsaràna, ary ny mpitondra tenin'ny governemanta, dia nanakiana ny mpampahalala vaovao Toniziana noho ny fampiasàna ny teny hoe “mpisolo toerana vonjimaika”, nilazany fa tsy mifanaraka amin'ny zava-misy amin'izao fotoana izany”.
Indreto ny fanehoan-kevitra sasantsasany tao amin'ny tontolon'ny Twitter Toniziana, rehefa nipongatra voalohany ilay vaovao (izay toa honohono ihany) mikasika ny raharaham-pitsaran'ny Filoha.
@Tanbirat: Au fait monsieur @Moncef_Marzouki je voulais juste vous dire que vous êtes notre président PROVISOIRE de la république !
@Emnabenjemaa: #Dilou ministre provisoire dans un gouvernement provisoire avec #Marzouki président provisoire
@ahmedchaabane: عجبا في حكومة مؤقتة تقلقها كلمة “مؤقت” أكثر مما يقلقها المليون بطال… #tunisie #tngov #marzouki
@funnypurp: @Moncef_Marzouki et moi je vais porter plainte pour publicité mensongère après avoir voté CPR…
Eny e, ireo izay tsy mahazo aina amin'ny fahenoana ny teny “mpisolo toerana vonjimaika”, dia mino fa ity governemanta ity dia tsy mpisolo toerana vonjimaika satria natsangana taorian'ny fifidianana malalaka sy mangarahara. Amin'ny lafiny iray hafa, ny mpanohitra ao Tonizia dia matahotra ny hoe ny governemanta ankehitriny dia mety hijanona eo amin'ny toerany mandritra ny fotoana ela – na dia tsy ela akory aza izay ny Praiminisitra Hamadi Jebali no nanambara fa ato anatin'ny 18 volana i Tonizia dia hanao fifidianana ny mpikambana ao amin'ny parlemanta sy ny ho filoham-pirenena.
Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny Revolisiona ao Tonizia 2011.