Boky Vaovao Momba Ny Ady Erantany Ho An'ny Fahalalahan'ny Aterineto

Fomba ahoana no hahazoana antoka fa hoe ny aterineto dia mivoatra mankany amin'ny làlana iray hifanindran-dàlana amin'ny demaokrasia? Eo ny tosika mahery vaika entin'ny media sosialy tamin'ireo fitroarana tsy ela akory tany amin'ny faritra Afovoany Atsinanana sy tany rehetra tany, ahoana no hahafahan'ny olona mahazo antoka fa hoe tsy ho io fitaovana io ihany koa ve no ho ampiasaina hanaovana sivana sy fanaraha-maso (mazàna miaraka amin'ny fanampiana tsy kely velively ataon'ireo orinasa tandrefana mikirakira teknolojia)? Ary farany, ahoana no hitsaharantsika tsy hieritreritra ny tenantsika ho “mpampiasa” tsy rototra ny teknolojia nefa tokony hoe “mpiondana aterineto” mivolon-ko tompony sy mandray an-tànana ny andraikitra amin'ny ho avintsika ara-dizitaly?

Consent of the Networked Ireny fanontaniana ireny no mamaritra ny faritra ankapoben'ny fifanakalozan-dresaka ao anatin'ny  Consent of the Networked: The Worldwide Struggle For Internet Freedom, na ny Fifaneken'ireo mpifandrohy: Ady Erantany ho an'ny Fahalalahan'ny Aterineto, boky vaovao nosoratan'i Rebecca McKinnon, mpiara-manorina ny Global Voices (ary mpiara-manoratra ny Netizen Report , na Tatitr'ireo Mpiondana aterineto,  mpivoaka indroa isam-bolana ao amin'ny  GV Advocacy).

Ezaka iray ho fanadihadiana no tonga tsara amin'ny fotoana ilàna azy, dia ny antso iray mba hihetsehan'ireo bilaogera tsirairay na ny mpampiasa Twitter na Facebook, ary indrindra fa ireo mafàna fo eny anivon'ny aterineto amin'ny ankapobeny, mba hiara-hiresaka momba ny olana maika amin'ny fomba tokony hitantanana ny teknolojia mba ho fampanjariana ny zon'olombelona sy ny fahalalahan'ny vahoaka manerana izao tontolo izao. Miaraka aminà fanadihadiana hentitra sy fomba fijery miabo, ny hafatra farany dia ny mba hirotsahana an-tsehatra amin'ny ady izay isika rehetra mitambatra no manana ny hery sy ny fahafahana manao tsindry  (na dia ho amin'ny fomba kely indrindra aza), raha toa isika manandrana fotsiny mba mahafantatra ireo hery mifamahofaho, sy ny fomba hifehezantsika azy ireny.

Voazara ho toko dimy goavana (Fikorontanana; Fanarahamaso 2.0; Fanambin'ny Demaokrasia; Fiandianan'ny habaka cyber; Inona no tokony hatao?), ilay boky dia miresaka tranga samihafa niseho tao anatin'ny taompolo farany ary azo lazaina ho manaraka ny toetrandro , miarka ami'ireo ampahany natokana ho an'ny Lohataoana Arabo sy ny fahafaha-manara-mason'ny governemanta Ejiptiana, ny momba ny fiainana manokan'ny isam-batan'olona sy ny fanarahamaso any amin'ireo Demaokrasia Tandrefana, ary  ny fisongan'ny “Facebookistan sy ny Googledom”. Ny tranonkala sakaizan’ilay boky dia manome ireo fanavaozam-baovao farany sy loharano misimisy kokoa.

Ny tambajotra Global Voices dia voateny eny antsefantsefany eny, miaraka amina fitanisàna sy fanondroana mivantana. Ohatra, ny teny fampidirana ao amin'ilay boky dia miresaka fohy mikasika ny fahaterahan'ilay vondrom-piarahamonina, ny firoboroboany, ary ny andraikitra fototra tànany tanatin'ireo hetsika niseho tsy ela akory izao :

Vao nitranga ny hetsi-panoherana tany Tonizia tamin'ny faramparan'ny 2010 ary niparitaka nanerana ny faritra Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra tany amin'ny fiandohan'ny 2011, ireo mpiara-miasa amin'ny Global Voices dia niasa nifanenjika tamin'ny famantaranora mba hanely ny vaovao mikasika izay zava-nitranga tamin'ny tenim-pirenena marobe, na tao amin'ny vohikalanay manokana izany, na tany amin'ny Twitter, Facebook, sy ireo sehatra hafa mampiasa ny media sosialy.

Ny ampahany voalohany amin'ilay boky dia mifantoka amin'ny fifandrohizana amin'ny teknolojia, fiarahamonina ary ny fandraharahana izay atosiky ny fivoaran'ny aterineto hatreto, manome toerana ny fisandratana mankany amin'ny “dizitaly iraisana” ahitàna asa famoronana, hafanam-po an-tserasera ary fivelaran'ny olona. Io dia tontolo iray mampientanentana izay miatrika fanoherana antsoina hoe “Control 2.0, na Fanarahamaso 2.0 ”: “…ny fifandraisana manjavozavo eo amin'ny Aterineto, sy ireo orinasan'ny fifandraisan-davitra manome alàlana ny governemanta mba hanara-maso sy hanodinkodina ny vahoaka.”

I Shina no tranga nohadihadiana tany ampiandohana, niaraka taminà famariparitana antsipirihany ny rafitra maty paika ananany amin'ny resaka sivana sy ny fivoarana tato ho ato hitazonana ny fanarahamaso tsy refesi-mandidy, no sady, mandritra izany fotoana izany, manome vahana ihany, “…ny fifanakalozan-dresaka mafotaka, avo lenta sy mahabe resaka mihitsy aza ety anaty aterineto, anaty fetra voafaritra kosa anefa.”

Taorian'ny famariparitana toe-javatra mitovitovy (na ratsy kokoa) tahaka izany ao Iran, Pakistan ary Syria, nikisaka ho any amin'ny Demaokrasia Tandrefana ny fifantohan-tsaina – izay indrisy fa mampiseho fitanilàna maka ny fitondrana tsy refesi-mandidy ho lasitra, na dia ho eo amin'ny fomba voavelabelatra sy voasarontsarona aza. Izany hoe, ireo orinasa misahana teknolojia dia mametraka fifandraisaka manjavozavo sy tsy tmpon'andraikitra miaraka amin'ireo masoivohon'ny governemanta, ary tsy mahavita akory,, “…mandray ny andraikitra noho ny fahefana rasiny manoloana ny fiainana ara-politikan'ny vahoaka’, ary ny tsy fisian'ny fandraisana andraikitra eo am-panatanterahana izany fahefana izany.”

Worldwide censorship

Sary: © Shutterstock.com

Ireo karazana ohatra isan-karazany nifampiresahana teto dia nahatafiditra ny WikiLeaks, ny fitarainana noho ny fanitsakitsahana ny fiainana manokan'ny tena tao amin'ny Facebook, ‘Big Brother’ Apple, sy ny Tsy fitongilanan'ny Aterineto. Mifanindran-dàlana amin'ny ady atao mikasika ny fizaka-mànana ara-tsaina miatrika ny fahalalahana miteny sy mizara (- jereo ny  global initiative against SOPA-PIPA, sy ny ‘sivana arahan-tsongatsonga‘ nambaran'ny Twitter). Nitodihana ihany koa ireo olana tsy dia fantatra loatra, toy ny tolo-kevitra tamin'ny 2011 mba hananganana “habaka cyber tokana ho an'ny Eraopeana” izay hisakana “ny votoaty tsy araka ny lalàna” eny amin'ny sisintanin'ny Eraopa.

Farany, ny toko farany amin'ilay boky dia miezaka ny hamaly ny fanontaniana hoe  “Inona no tokony ho natao?”, manolotra ny fampiroboroboana ny Aterineto Fon'Ireo Mpiondana . Ity ampahany ity dia misavasava ireo ezaka ataon'ny governemanta sasany, ireo orinasa vitsivitsy, ary ireo vahoaka marobe tsy mitsahatra mitombo isa mba hiatrehana ny horohoro mahazo ny fahalalahan'ny habaky ny cyber amin'ny alàlan'ny fandraisana fepetra vaovao sy fihetsehana. Ny sasantsasany amin'ireo soso-kevitra dia ahitàna ny hoe : fandrisihana ny fangaraharan'ireo orinasa ; fananganana dingana ho an'ny fanaovana fifanarahana eo amin'ireo orinasa sy ny mpampiasa ny tolotra, ny mpanjifany, ary ireo mpiara-miombona antoka hafa, ary fananganana tontolom-baovao atodika bebe kokoa amin'ny vahoaka.

Rehefa nifarana ny andro, dia naka toerana teto ity Ady Ho Amin'ny Fahalalahan'ny Aterineto ity ary ankehitriny — any amin'iro firenena Arabo, any Azia Atsinanana sy hatrany amin'ireo firenena Tandrefana mihitsy aza. Ady iombonana io, ary miankina amin'ny tsirairay sy isika rehetra, amin'ny maha-mpiondana aterineto sy olom-pirenena eto amin'ity izao tontolo izao ity, ny manara-maso ny toetoetry ny raharaha ka manome antoka ny hijanonan'ny aterinto ho hery iray  ho an'ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fahalalahana ara-politka — fa tsy hoe fotsiny ho fitaovana iray hangejana, hanivanana ary haneriterena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.