- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Hong Kong, Shina: Noesoesoin'ny Mpiserasera ny Oniversiten'i Hong Kong

Sokajy: Azia Atsinanana, Hong Kong (Shina), Shina, Fanabeazana, Mediam-bahoaka, Politika

Nahavita ny tatitra jeritodika ny Oniversiten’ ny Hong Kong [1] momba ny  fivahinianan'ny filoha lefitra Li Keqiang tao amin'ny oniversité tamin'ny herintaona [2] noho ny fankalazana ny faha-zato taonan'ny oniversite, na ilay antsoina hoe Hong Kong loza 818 [3] koa.

Nandritra ny lanonana, nosakanan'ny mpitandro ny filaminana maro dia maro anivon'ny mpianatra sy ny mpianatra maintimolaly nanatrika teo ny sekoly, ary niteraka fanafintohinana ny nahitana ny polisy nanosika an-kerisetra ilay mpianatra iray saika hamonjy ny mpanao fihetsiketseham-panoherana.

Nanambara ny tatitra navoaka farany fa natao [4]mihitsy ny fankalazana [4] mba hitontona amin'ny fitsidihana ataon'ny praiminisitra lefitra [4], nanaporofo ny siosiondresaka nataon'ny olona fa natao ho toy ny “fampisehoana” politika ny fankalazana mba hamalifaliana ny governemanta ao Beijing.

Ity tantara an-tsary manaraka ity dia famoronana indray niainga avy tamin'ny sary famantarana ny oniversite [5] ka niparitaka be tao amin'ny Facebook tamin'ity herinandro ity. Nosoloana saina sinoa ny saina famantaran'ny sekoly dragona-liona sy ny teny filamatra, “Sapientia Et Virtus” nosoloina “fankatoavana ny Antoko sy ny Fitondrana – Oniversitem-bahoaka voalohany ao an-tànanan'i Hong Kong, faritra Guangdong” (忠黨愛國﹣廣東省香港市第一人民大學), ny tantara an-tsary dia fanesoana ny fitsontsoriky ny oniversite iraisam-pirenena ankehitriny  hivarina ho ambaratonga fahatelo (lenta mifanentana amin'ny tanàna) amin'ny Anjerimanontolon'i Shina. (Nozaraiko ao amin'ny rindrin'ny Facebook [6] ny sary).

 

[6]

Tantara an-tsary manevateva nivezivezy tamin'ny aterineto mikasika ny Hong Kong loza 818