Tantara tamin'ny 04 Febroary 2012
Etazonia: Ny Taokanton'ny Hetsika “Bodoy”
Mpisehatra, mpanakanto, mpanoratra sy mpiangaly mozika no nanome voninahitra ny aingam-panahy nentin'ny #Occupy ary nangataka ny hisian'ny andro iray manerantany ho an'ny asa famoronana amin'ny 12 Febroary 2012.
Kyrgyzstan: “Tsy Hisy Ririnina Amin'ity”
Midoboka ireo governemanta, mivezika etsy eroa ireo mpitarika parlemantera ary satria rehefa tapitra ny vanintaona iray dia manomboka kosa ny iray hafa. Izany, farafaharatsiny, no noheverin'ireo Kyrgyz mpampiasa aterineto talohan'ny fanambarana miezinezina nataon'ilay mpifaninana ho floham-pirenena teo aloha Arstanbek Abdylayev fa hoe “tsy hisy ririnina amin'ity”.
Koety: Nanjakan'ny Herisetra Ny Fifidianana Parlemantera
Nahitana herisetra nandritra ny fifidianana antenimiera. Niteraka fahatezerana mpiray foko ka nahatonga fandorana ny tranolainy fanaovana fampielezan-kevitra ny fanavakavahana nataona kandidà iray antsoina hoe Mohammed Al-Juwaihel. Nampiasa ny fitaovam-pitateram-baovao marolafy i Mona Kareem.