- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Sénégal : Herinandro Mety Hampidi-doza Indrindra

Sokajy: Afrika Mainty, Senegal, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana

Fanamarihana: Nampitainà mpamaham-bolongana taty aminay nialoha ny toe-draharaha mampahonena tamin'ny 31 janoary, izay hanaovana hafatra hafa ihany koa, ity hafatra ity. 

Hidina an-dalambe ho fanoherana ny firotsahan'ny filoha Wade hofidiana fanintelony ny mpanohitra ao Senegaly amin'ny 31 janoary.

Namoaka didy ny lisitry ny kandidà filoham-pirenena hotontosaina amin'ny 26 febroary ho avy izao ny Fitsaran-Dalampanorenana tamin'ny 27 janoary lasa teo. Nanaiky ny firotsahan'i Abdoulaye Wade, izay hirotsaka fanintelony heverin'ny Senegaley maro ho mifanohitra amin'ny Lalampanorenana ny “Loholona” dimy ary nandà ny firotsahan'ilay mpihira Youssou N’Dour, nolazaina fa tsy ampy ny sonia hahafahany mirotsaka hofidiana.

Vao nivoaka ny didy, tamin'ny 27 janoary lasa teo, dia nidina an-dalambe ary matetika nahery fihetsika ho fanehoany ny fahatezerany. Nanaovan'ny olona angaredona ny polisy iray tamin'ny Asabotsy hariva. Lasa nalaza ny lahatsary [1] tamin'ny aterineto.

Avy eo ny 30 janoary, olona roa no maty voatifitra nandritra ny fihetsiketsehana tany an-tanànan'i Podor. Henjana ny toe-draharaha manerana ny firenena sy ato amin'ny aterineto.

Fambara ratsy

Tena ho fambara ratsy amin'ny famoriam-bahoaka hotontosaina amin'ny 31 janoary.  Na dia miantso hanao fihetsiketsehana milamina sy tsy hampiasa herisetra aza ny mpikambana maro ao amin'ny antoko mpanohitra sy ny hetsika Mouvement du 23 juin (M23), dia ahoana tokoa ny fihoaram-pefy rehefa jerena izay mitranga amin'ny aterineto.

@AnonymousAG publie une photo de son oncle à une manifestation [2]

Ao amin'ny vohikalan'ny M23, dia misy ny fandrisihana hatramin'ny fikendrena ny havana sy olona akaiky an'i Wade, indrindra i Farba Senghor, mpanolo-tsaina fanta-dazan'i Wade. Ao amin'ny pejy Facebook-n'ny Hetsika [3],aza dia tadiavina izay misy ny tranony hamaizana azy araka ny fijery.

Raha fantatrao ny fonenan'ireto olona manaraka ireto, ampitao azafady: “Farba Senghor”, “Serigne Mbacke Ndiaye”, “Cheick Tidiane Diakhaté”, “Cheick Tidiane Sy”, “Ousmane Ngom” … hapetratsika amin'ny google map ny adiresin'izy ireo amin'ny Andro iray, ho fantatra tsara ny kinendry.

Misy aza moa ny mampiasa googlemap mba hahitana ara-jeografika ny fonenany [4].

géolocalisation sur facebook [4]

fanondroana ara-jeografika hita facebook

Abdoulaye Wade, any amin'ny haino aman-jery sy ny takelaka Facebook dia miezaka miaro ny tsy fanaovana herisetra [5].

Ry mpiserasera.
Amin'ny maha-mpahay lalàna, mpisolovava ary mpampianatra lalàna ahy dia tsy maintsy izaho no manaja voalohany ny lalàna. Tsy vitan'ny hoe demokraty aho, fa mpitandro ny fandriampahalemana ihany koa. Nisy ny fihetsiketsehana narahina herisetra, niantso filaminana sy fanajana ny lalàna ny mpitondra fivavahana mpitari-dalana, izaho no volohany hanaja ny antson'izy ireo. Efa hanomboka ny fampielezan-kevitra, ho afaka hifanisa ny tsirairay any amin'ny birao fandatsaham-bato izay ahitana ny rehetra voasolo tena. Izay mahazo ny maro an'isa no ho lany. Izay ny fomba tsara indrindra hitandroana ny fandriampahalemana. An-dalam-piovana ny firenena, hafa ny tamin'ny andron'i Senghor, Abdou Diouf ary na ho ahy aza dia tsy mitovy ny tamin'ny 2000 intsony. Miditra sehatra vaovao ny firenena, hahita fiovana be dia be tsy ho ela, nefa misy ny tsy mety hanaiky an'izany .
Mirary takariva milamina ao an-tokantranonareo aho.

 

[6]

Naratra nandritra ny fihetsiketsehana @Boombasticplo

Fa ny mpanohana kosa,  ahitana fankahalana ny hafatra [7] :

Senegaley, ho fiarovana an'i Selegaly tsy ho tratry ny korontana araka ny fambaran'ny M23 sy ny mpanodikodin-doha miafin'ny pelaka amerikana sy frantsay, mivonòna hiaro ny Repoblika amin'ny vondron'ny ratsy, amin'ny fomba manara-dalàna rehetra.
Hosakanantsika ny lalan'ny fahavalon'ny fandriampahalemana,amin'ny fanaovana fahirano ny M23 sy ny fanaony mifanohitra amin'ny demokrasia sy ny Lalampanorenana.
Aparitaho azafady…

 

[8]

mpanao fihetsiketsehana mitora-bato. Saripika @theBoyA

Ho henjana ny raharaha amin'ny 31 janoary 2012. Efa mikorataba ny aterineto [9].

Raha tokony handefa ny tafika manokana hamaha ny olana any Casamance i Wade,  dia ny hivonona hidaroka ny mponina no nampanaoviny azy… Ary mpamono olona matihanina ireo, nozarin'ny kômandô Isiraeliana. Raha vao mahita izahay fa mamono Seengaley iray monja izy dia ny any amin'ny fiarovana ny fianakaviany avy hatrany no tafihanay…teboka midina andalana… atao ny fomba rehetra handoroana ny tranony sy hanapoizinana cyanure ny zanany… ho an'izay mandre.