- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Moldavia: Tsy Nahazo Fanohanana Betsaka Avy Amin'ny Mpiserasera Ny Hetsim-panoherana ny Governemanta

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Moldavia, Fanoherana, Fifidianana, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika

Tao anatin'izay roa herinandro lasa izay, nidina an-dalambe ny Moldaviana mba hanao hetsim-panoherana. Nitaky ny fametram-pialan'ny governemanta sy ny fanafoanana ny fifidianana kasaina atao alohan'ny fotoana ny mpikarakara ny hetsika-sy ireo mpanao politika marobe  nanatevin-daharana ny Vaomiera Mpiaro ny Lalam-panorenana sy ny Demokrasia.

Nanomboka ny hetsika tamin'ny fotoana nanambaran'ny manam-pahefana ny  fikarakarana fitsapan-kevimbahoaka any amin'ny tapaky ny lohataona any, mikasika ny fanovana ny lalampanorenana izany mba ahafahan'ny antenimiera maro an'isa mifidy ny filohan'ny Moldavia. Mbola tsy nanana filoha ny firenena hatramin'ny taona 2009. Maro ireo fanandramana teo aloha notontosain'ny antenimiera fa tsy nahomby, ka fifidianana in-droa vao haingana sy fitsapan-kevi-bahoaka tsy nahomby no vokatr'izany.

Hetsi-panoherana maro no nambara [1] fa atao isaky ny herinandro manomboka amin'ny volana ambony ary  hotohanan'ny antoko Komonista an'ny fitondrana teo aloha izany, na dia teo aza ny tsy fifaliana faobe teo amin'ny fiaraha-monina manoloana ny antokon'ny fitondrana  sy ny tsy fahaizany mifidy izay ho filoham-pirenena, kely dia kely ny fanohanana azon'ny mpanohitra ny governemanta ankehitriny avy amin'ny vondrona an-tserasera ao Moldavia.

Tsy dia nanao fanentanana firy ny vondrona tao amin'ny Facebook ‘Down with the oligarchs’ government! (Miala ny governemantan'ny fanjakan'olombitsy! [2],’ noforonin'ireo mpikarakara ny hetsika, ka tsy nahatratra na dia mpanohana 300 akory aza, ary maro ireo olona nanoratra teo amin'ny pejy nangataka mba tsy asaina amin'ny hetsim-panoherana.

The first day of the protests in Chisinau, Moldova - January 22, 2012. Photo by blogger Eugen Luchianiuc, used with permission. [3]

Andro voalohany tamin'ny hetsim-panoherana tao Chisinau, Moldovia -22 Janoary 2012. Sary avy amina mpitoraka bolongany Eugen Luchianiuc, nahazoana alalana.

Tamin'ny fanehoan-kevitra nalefa tao amin'ny Sary Facebook [4] navoakan'i Eugen Luchianiuc mikasika ny hetsika voalohany, mpisera  Mircea Scinteianu nanoratra hoe [4]:

Mahafinaritra ny sary! Arahabaina ny naka azy. Ny hetsika kosa na dia izany aza, tsy dia mahaliana mihitsy. […]

Azo vakiana ao amina fanehoan-kevitra hafa ny antso mitovy ny tsy fanomezana lanja ireo mpikarakara. Fanehoan-kevitra  mikasika izay niseho tamin'ny hetsika natao tamin'ny Alahady 29 Janoary teo, mpisera Lupan nanoratra hoe [5]:

AZA MANORATRA NA INONA NA INONA INTSONY AMIN NY MANARAKA!

Niompana tamin'ireo mpikarakara ny hetsika, ny Antoko Komonista sy ny Antokom-bahoaka Demokraty Kristiana ny fanehoan-keviny; hoy izy araka ny filazany:

Tsy misy dikany aminay mihitsy izy ireo, andeha haseho an-dry zareo izany amin'ny alalan'ny tsy fanehoan-kevitra sy ny tsy firaharahiana azy ireo intsony.

Toa mitombina tsara ihany ny antony mahatonga ireo mpiserasera tsy hiditra amin'ny hetsika atao amin'izao fotoana izao, ary tsy misy ifandraisany amin'ny fitsapana hafanana ahitana maripàna mangatsiaka 20° C ambanin'ny aotra ny hevitr'izy ireo tamin'io  andro io  tao an-drenivohitr'i Moldavia.

Mpisera janaad.arc naneho hevitra an-tserasera [5]:

Eny, tamin'ny taona 2005, natoky an'i Rosca [lehiben'ny Antokom-bahoaka Demokraty Kristianina, iray amin'ireo mpikarakara voalohany ny hetsim-panoherana] izaho sy ny fianakaviako rehetra, nifidy azy izahay tamin'ny fifidianana, nihevitra izahay fa olo-mahitsy izy ary manam-pikasana hanao zavatra ho an'ity firenena kely ity, saingy raha nahita azy namorona vondrona miaraka amin'i Voronin [filoha Komonista teo aloha] izahay, dia tsy natoky ity olona ity intsony, nanjary faty politika izy ary mpamitaka ny firenena sy ny tanindrazana …

Ho an'ilay mpamahana bolongana Radu Marian ihany koa, ilay lehilahy ambadiky ny hetsika no toa mahatonga ny fisalasalana. Nanoratra [6] izy hoe:

Eny tokoa, tonga ihany ny fe-potoana farany niaretako ary ny hany hitarainako dia: ity tarehy feno volom-bava, hitantsika rehetra tamin'ny fahita-lavitra tamin'io andro io: Rosca –mpihatsaravelatsihy, izay manana fahazarana mivoaka any ivelany milalao orana sy rivotra isan'andro tamin'izy 12 taona mba hitolona ho an'ny firenena tsy misy komonisma. Ankehitriny, manelingelina ny masoko ity lehilahy ity amin'ireo lahateniny mampahaontsa nataony tao amin'ny kianjabe  sy ny fomba fisolelahany ny komonista amin'izao fihetsiketsehana ivelany antsoin'ny olona hoe “hetsika lehibe” izao!

Notohizany hoe:

Eny! Manan-jo tsy ho faly ny vahoaka – tsy mandeha araka ny tokony izy ny politika eto amintsika sy ny fiainantsika! Eny! Rariny tokoa ny vahoaka raha mivoaka any ivelany sy manao fihetsiketsehana!

Fa tsy amin'ny fiantsoana ny komonista mpandoka-tena, tsy mba mahitsy… Ahoana ny fomba ahafahan'i Rosca mamory vahoaka 2,000 eny an-dalambe (ary ireo  mpandray fitenena Rosiana)? Miteraka fisalasalana tokoa izany. Tena mba marina, fa tsy mahavita mandresy lahatra na dia zirafy 3 aza i Rosca  hanatevin-daharana ny hetsika!

Na izany aza, toa hita ihany fa manaiky ny fametra-piàlan'ny vondron'ny fitondrana ny mpiserasera. Mpisera bunica90 nanoratra hoe [7]:

Efa nihoatra ny fe-potoana ara-dalàna nomen'ny vahoaka hiasan'ny governemanta ankehitriny, nopoizinin'izy ireo ny andrim-panjakana rehetra ary nandritra ny telo taona, teo ambanin'ny fanevan'ny mpomba ny Eoropeana, no nanarahany maso ny fivezivezen'ny vola miditra eto amin'ny Repoblikan'i Moldavia. Izany indrindra no antony tokony tsy maintsy  hialan'ny vondrona eo amin'ny fitondrana.