Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

02 Febroary 2012

Tantara tamin'ny 02 Febroary 2012

Shina: Bolongana Tibetana Maromaro no Nakatona

Amin'ireo olona mandoro tena tao Tibet ho fanoherana ny fanjakazakan'ny fitondrana Sinoa, nikorontana tao  Tibet tatsinana izay ahitana mpanao fihetsiketsehana voatifitry ny polisy ary nitombo be ny miaramila tonga tao an-toerana – tsy azo nidirana intsony androany ny bolongana mahaleo tena amin'ny teny Tibetana fanta-daza hita ao Shina. Nakatona ny sampana bolongana tao amin'ny tranokala AmdoTibet (mandeha...

Sénégal : Herinandro Mety Hampidi-doza Indrindra

Namoaka didy ny lisitry ny kandidà filoham-pirenena hotontosaina amin'ny 26 febroary ho avy izao ny Fitsaran-Dalampanorenana tamin'ny 27 janoary lasa teo. Nanaiky ny firotsahan'i Abdoulaye Wade ny "Loholona" dimy ary nandà ny firotsahan'ilay mpihira Youssou N’Dour, nolazaina fa tsy ampy ny sonia hahafahany mirotsaka hofidiana.

Moldavia: Tsy Nahazo Fanohanana Betsaka Avy Amin'ny Mpiserasera Ny Hetsim-panoherana ny Governemanta

Tao anatin'izay roa herinandro lasa izay, nidina an-dalambe ny Moldaviana mba hanao hetsim-panoherana. Nitaky ny fametram-pialan'ny governemanta sy ny fanafoanana ny fifidianana kasaina atao alohan'ny fotoana ny mpikarakara ny hetsika-sy ireo mpanao politika marobe  nanatevin-daharana ny Vaomiera Mpiaro ny Lalam-panorenana sy ny Demokrasia. Nanomboka ny hetsika tamin'ny fotoana nanambaran'ny manam-pahefana...

Filipina: Tsy Ekena Ny Hanoloana Ny Alaala Ho Tranombarotra

Nitsena hetsika goavana avy amin'ny mponina iharany sy avy amin'ny fikambanana isan-karazany ny drafitry ny tranombarotra SM City Baguio ao avaratr'i Filipina hanongotra hazo an-jatony ka hanoloana azy ho tobim-piara sy toeram-pialamboly