Tantara tamin'ny 01 Febroary 2012
Oganda : Ny Resabe Mikasika Ny Zanaky Ny Mpanjaka Buganda Ivelan'ny Fanambadiana
Ny Talata 17 Janoary 2012, ny Fanjakan'i Buganda tao Ouganda dia nanambara ny fahaterahan'ny zanakalahy hfaharoan'ny mpanjaka (Kabaka), Ronald Muwenda Mutebi II. Ilay fanambarana dia nahatonga resabe sy fanehoan-kevitra samy hafa noho ilay printsy vaovao teraka ivelan'ny fanambadiana.
India: Sedra Vaovao Hiadiana Amin'Ny Raboka Eran-tany
Nipoaka ny tontolon'ny media Indiana ny herinandro lasa teo noho ireo tatitra avy any Mombai momba ny karazana raboka iray (TDR-TB) tena mahatohitra ny karazana fitsaboana fantatra rehetra. Raha namoaka fanambarana ny Fikambanana momba ny Fahasalamana Eran-tany handàvana ny fomba fiteny TDR-TB, nipoaka ny tontolon'ny bilaogy fa na inona na inona iantsoan'izy ireo izany, tokony handray fepetra mahakasika izany izy ireo.