Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Eraopa anaty fahasahiranana.
Hatairana sy hagagàna ny an'ny vahoaka Grika tamin'ny Alatsinainy 23 Janoary 2012, fony i Louka Katseli, minisitra teo aloha nisahana ny asa sy ny fiahiana ara-tsosialy (2010) ary minisitry ny toekarena, ny fifaninanana ary ny fivezivezena an-dranomasina (2009), namoaka ho fantatry ny rehetra fa ora telo monja no nananany hamakiana ilay memorandum avy amin'i FMI miresaka ny fahasahiranan'ny firenena noho ny trosa.
Michalis Chrysochoidis, minisitry ny fampandrosoana, fifaninanana sy fivezivezena an-dranomasina amin'izao fotoana ary minisitry ny fiahiana ny mponina teo aloha, dia niaiky tao anatinà fisehoana sy tafatafa vao maraina tanaty fahitalavitra [el] fa nanao sonia fotsiny an'ilay memorandum (tatitra) avy amin'ny FMI tsy novinakiny na kely akory aza, tamin'ny filazana hoe “tsotra fotsiny, mbola nanana laharam-pahamehana hafa izy tamin'izany fotoana, satria mbola niady tamin'ny fanaovana heloka bevava”:

Ny Minisitra Manolis Chrysochoidis. Sary avy amin'ilay mpampiasa Flickr Piazza del Popolo (CC BY 2.0).
Haingana be no niparitahan'ilay vaovao tao amin'ny aterineto, nitarika fanamarihana, ahitàna hatraminà fanamarihana faran'izay tsy mankasitraka indrindra sy ompa manambany avy amin'ireo mpiondana aterineto, milaza ny rikorikon-dry zareo amin'ny rafitra ara-politika, sy manivaiva ilay fialantsinin'ny minisitra.
Tao anatin'ny ora iray na roa monja, lasa lohahevitra noresahana be eran'izao tontolo izao tamin'ny alalan'ny tenifototra #de_diavasa_to_mnimonio_giati (Tsy namaky ilay memurandum aho satria …) tao amin'ny Twitter ilay tranga :
@northaura: Amin'izao dia “fety be” ny manerana ny Twitter iray manontolo miaraka amin'ny “Tsy namaky ilay Memorandum” fanambaran'ny Min. Crysochoidis, ao anatin'ny tenifototra #De_diavasa_to_mnimonio_giati
Ilay mpanoratra sady mpamoaka lahatsoratry ny Global Voices, Asteris Masouras (@asteris), dia nanao angona iray tao amin'ny Storify momba ireo lahatsoratra, sary sy bitsika samihafa. Ity ambany ity ny lisitry ny ohatra sasany amin'ireo bitsika sy fanamarihan'ny Grika mpiondana aterineto :
@agamemnon_st: Αφού δεν ήταν δουλειά σου να μελετάς το μνημόνιο και τους νόμους, γιατί ήσουν βουλευτής;
George Kallis: den exeis tsipa epanw soy na valeis thylia sto laimo soy !!!! exete katastrepsi olh thn ellada me tis ypografesas

'Ilay Mpitaky ny rariny mitaingin-tsoavaly Mainty miverina hiady amin'ny heloka bevava ao Athens. Sary manaraby ilay fanambaran'ny Minisitra Chrysochoidis. Sary tao amin'ny Twitpic avy amin'i @Teacherdude.
@ngeor: #De_diavasa_to_mnimonio_giati Nofidiana hitarika aho, fa tsy hamaky teny.
@Ovelikios: Δεν έχω διαβάσει το μνημόνιο αλλά έχω δει την ταινία
@natachef: #de_diavasa_to_mnimonio_giati δεν άνοιγε το attachment.
@Stathisgr: Mnimonio? Lkh, Mbola revo midaroka mpanao hetsi-panoherana
@mpampaki: “Είχα να αντιμετωπίσω το έγκλημα. Ο Ρόμπιν είχε πυρετό κι ο Τζόκερ είχε απαγάγει το γιο του Επιθεωτητη Γκόρντον.”
@nchrysoloras: #De_diavasa_to_mnimonio_giati μόνο ο Τσακ Νόρις έχει διαβάσει το Μνημόνιο

@mirsiniloizou, mpampiasa Twitter, dia nampakatra an'ity: "ary eto, ny sarin'ny#didn't_read_memorandum_because". Sary maneho ireo mpifanandrina tamin'iny andro iny" Ms. Katseli sy Mr. Chrysochoidis.
Taorian'ny fanakianana mivaivay, namoaka izao manaraka izao tao amin'ny Facebook i Chrysochoidis (ny lahatsoratra amin'ny teny Grika dia eto):
Tiako ny hanazava sy hanamafy ny fomba fijeriko. Eny, averiko indray fa tsy namaky ilay memurandum aho. Tsy nivaky loha tamin'izay voasoratra na izay dingan'ilay “sarintsarim”-pifanarahana. Tsy ireharehana ny milaza izany. Ambonimbony kokoa noho izany aza, tsy milaza izany ho fandosirana andraikitra aho. Ny mifanohitra amin'izany. Raisiko ho iray goavana indrindra amin'ireo hadisoako teo amin'ny tontolo politika iny; satria diso ny nandraisako ireny fotoam-panakianana ireny sady variana taminà olana kely tsy misy dikany aho, ny asa amin'ny maha-minisitra ahy, raha tokony ho ny goavana, dia ny andraikitro amin'ny maha-isan'ny mpitondra firenena ahy. Nolazaiko izany mba hanindriana mafy ny amin'ny tsy maintsy hiovàn'ny tsirairay. Zatra natoky ny mpitarika isika, natoky ny praiminisitra ; mba hifidy any amin'ny parlemanta ary hanoa ny governemanta. Efa fahiny izany fotoana rehetra izany, ary efa lany andro io lasitra io. Ny ilaina izao dia fiaraha-mientana, ny maha-tompon'andriakitra sy fandraisana andraikitry ny tsirairay. […]
Nandritra iny taona lasa iny, ny governemanta sy ireo mpikambana ao amin'ny parlemanta dia lasibatry ny fanakianana mafonja noho ny naneken-dry zareo ilay memurandum avy amin'ny FMI sy ny tsy fihetsehan-dry zareo nanoloana ny fhasahiranana ara-toekarena sy ara-tsosialy teo amin'ny firenena, izay nandrisika ny maro tamin'izy ireo hiaro izay ninoany sy ny hetsika ara-politikan-dry zareo.
“fanambarana fialàna bala” iray hafa no nataon'ilay Parlemantera teo aloha avy amin'ny PASOK, Thomas Rompopoulos, ny Oktobra 2011, izay nilaza [el] nandritra ny tafatafa iray mivantana natao tamin'ny fampielezampeo : “Tsy nisy olona afaka namaky ilay Memorandum izany na iray aza, na izaho na olon-kafa tsy nisy nahavita izany; Nomenay alalana i Papakonstantinou [Minisitry ny Toekarena tamin'izany fotoana] mba hanao sonia azy io. Resaka fitokisana fotsiny”:
Fanampin'ireo fiampangana mamparikivy nahazo ny Minisitra Chrysochoidis, tamin'ny alalan'ny media sosialy dia marobe ireo mpiondana aterineto no nanakiana ihany koa ny tontolo politika ankapobeny, saingy koa ny “hajamban-“dry zareo, izay mifandray tendro amin'ny fihetsika miharo hadalan'ireo mpanao politika :
Panagiotis Giannoudis: Ζήτω η Βουλή των Ελλήνων!
@helena_chari: tsy mila fitaovam-piadiana mahafaty betsaka akory i gresy ; manana ireo mpanao politikany izy
dangler69: Τελικά το διάβασε και κανένας; Ίσως εκείνοι που διαγράφηκαν.
@Dr_Troy: #De_diavasa_to_mnimonio_giati ” και που με περιγελούν τώρα, αρκετοί απ’ αυτούς θα με ξαναψηφίσουν. Ξεχνάνε γρήγορα, βλέπεις…
@cpil: Ενώ όλοι εσείς, το διαβάσατε το μνημόνιο.
@MilitaryRaiden: Όλοι πέφτουμε από τα σύννεφα με ομολογία ανικανότητος Χρυσοχοΐδη αλλά όχι με τη διατήρηση δικαιώματος ψήφου των ηλιθίων που το εξέλεξαν.
@tgeorgakopoulos: Σσσσ, ακούς; Κάνε ησυχία -ακούς; Είναι ο ήχος 299 εκτυπωτών σε γραφεία βουλευτών. Τυπώνουν το μνημόνιο.
@sVathis: Οι έλληνες ανέκαθεν δεν διάβαζαν user manuals
Farany, nandritra irao andro nanaraka izany, narikivy i Arkoudos mamintina , maneho ny endrika ratsin'ny ampahany amin'ny fahasahiranana ara-toekarena sy ara-tsosialy Grika [el]:
@arkoudos: Δεν σας πληρωσα το χαρατσι της ΔΕΗ;Αχχ χιλια συγνωμη,*δεν το ειχα διαβασει*,ειχα παει να ικετευσω για δουλεια,για να εχουμε να φαμε το βραδυ
Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Eraopa anaty fahasahiranana.