Lavitry ny sehatra politika ary akaiky kokoa ny maha-olombelona, lahatsary fohy iray novokarin'ilay tanora Saodiana iray mpamokatra sarimihetsika, Bader AlHomoud, nomena anarana hoe “Almagbarah,” izay midika hoe Toeram-pandevenana ho an'ny Arabo, no nanova ny andavanandrom-piainan'ny fianakaviana Saodiana iray. Bader dia manoritsoritra ny dingana nandrafetana azy io ao amin'ny bitsiny :
Ilay lahatsarinà telo minitra, nakarina etsy ambany avy ao amin'ny Youtube, dia maneho fianakaviana Saodiana iray monina ao anaty Toeram-pandevenana iray. Tsy misy fanamboamboarana, na resaka. Izy io dia manasongadina ny mpikambana ao anatin'ilay fianakaviana sy ny zanany milalao manodidina ilay toeram-pandevenana ary ny fahantrana lalina iainan'izy ireo.
http://www.youtube.com/watch?v=BlYFGVmr1Po
Ireo Saodiana mpandefa bitsika dia tohina tao am-pony tamin'ilay lahatsary ary eto ambany eto ny sasany amin'ny fanehoan-kevitr'izy ireo, eo ambanin'ny tenifototra #ma8barah.
@MarwanAlrouqi dia manoritsoritra ny lalan-tsaina ao ambadiky ny nakana ilay toerana [ar]:
@hayaalshatti manontany hoe[ar]:
هل أصبحت خيارات الحياة تقف عند أنني يجب أن أفضح ملامحي وأنشر فقري في فلم .. حتى أحصل على كرامة .. تباً لمن سلبهم كرامتهم ! #ma8barah #KSA
Ary ho fanehoan-kevitra amin'ilay lahatsary, izay efa nisy nijery maherin'ny in-148.000 tao amin'ny YouTube, smartman7779 miteny hoe [ar]:
Ora telo taorian'ny namoahana ilay lahatsary, Princess Ameerah Al-Taweel, izay Filoha lefitry ny Filankevi-pitantanana sady Lehiben'ny Komity mpanatanteraka ao amin'ny Al-Waleed bin Talal Foundations, dia nanambara tao amin'ny kaontiny ao amin'ny Twitter hoe :
الحمد لله، ستقوم مؤسسة الوليد بن طلال الخيرية بتأمين سكن دائم لهذه العائلة وتم التواصل مع بدر الحمود وسنبدأ من الغد إن شاء الله #ma8barah
@malsahli dia manamarika hoe :
ary i @essamz manindry tsara ny tanjaky ny media sosialy :
فيلم مدته 3 دقائق يؤدي لحل مشكلة عائلة خلال 3 ساعات من نشره. إنها قوة الإعلام الجديد. #ma8barah
Roa andro taty aoriana, @BaderAlHomoud dia nanambara hoe :