Afrika : CAN 2012, Fihodinana Voalohany Feno Zava-tsy Nampoizina

Mifanohitra amin'i Sénégal, andrarezin'ny fifaninanana, izay solafaka teo am-pidirana tamin'ity CAN 2012 ity, dia i Ghana no nahavita nanamarika ny fidirany tamin'ny nandreseny an'i Botswana izay sambany ny fandraisany anjara tamin'ny CAN. Tamin'ny Talata 24 janoary 2012 tao amin'ny kianja Franceville tamin'ny andro voalohan'ny fifanintsanana tao amin'ny sokajy D.

Ny Black Stars, izay namarana ny fifanintsanana tamin'ny isam-pilalao 10 noho ny karatra mena azon'i John Mensah dia niantoka ny tena zavatra ary tsy voahozongozon'ilay karatra mena, araka izay soratan'i FourFourTwo ao amin'ny twitter [en] :

#Ghana show no remorse over Mensah red bit.ly/xkpul2 #AFCON2012

Tsy nanenina noho ilay karatra mena azon'i Mensah i #Ghana bit.ly/xkpul2 #AFCON2012 #CAN2012

Niady mafy mihitsy i Botswana tamin'ity fandraisany anjara voalohany tamin'ny  CAN tamin'ity taona ity. Ny famintinana ny lalao Ghana-Botswana dia azo jerena eto, isaorana ny Direct 8 Sport.

Nandritra io andro io ihany, Mali dia nifandona tamin'i Guinée ary nandresy tamin'ny 1-0. Ny “Aigles du Mali”, na “Ireo Voromaherin'i Mali” dia tena nahazo bahana tsara tokoa tamin'izany mba hisidina ho any amin'ny ampahefa-dàlana. Avy any Macina any Mali, Boukary Konaté no mibitsika ireo fanehoan-kevitra :

@Fasokan Kotaba be sy tehaka mirefodrefotra aty Macina noho ilay baolina matin'ny Maliana #can2012

ary koa :

@Fasokan manantena ny mbola hahita baolina faharoa matin'ny Maliana ireo mpanohana ao Macina

Alarobia, ny lalao voalohany amin'ny andro faharoa ho an'ny sokajy no lalao voalohany nirava ady sahala  tao anatin'ny fifaninanana. Te-hanamafy ny toerany any amin'ny ampahefa-dàlana i Zambie saingy toa sahala amin'ny nifoha tamin'ny torimasony ry zareo Libiana taorian'ny faharesen-dry zareo tamin'ny Sabotsy tamin'ny fanokafana ny fifaninanana. Saingy ny orana, ilay vahiny tsy nampoizina, no nanimba ny resaka sy nandiso ny vinavina. Miaraka amin'ny fotoam-panombohana izay efa nahemotra ora iray sy fahefany be izao, ilay fihaonana nomanina hatao tamin'ny 5 ora hariva dia tamin'ny 6 ora 15 mn vao nanomboka, ny fisalasalana moa dia efa ela no nitatao teo ambonin'izay ho fizotry ny lalao.

Alexandre Nakbi dia nampakatra sary iray maneho ny toetry ny kianja amin'izao fotoana. Fotoana vitsy monja taorian'ny nanombohan'ny lalao :

Toy izao ny toetry ny kianja amin'izao fotoana. #CAN2012 #Libye #Zambie pic.twitter.com/MSHrD1ae

Ny orana koa dia nahatonga ny fanemorana ny fihaonan'i Sénégal-Guinée Équatoriale. Ary zava-tsy nampoizin'ny rehetra,  Sénégal, ny andrarezin'ilay fifaninanana no voabahan'i Guinée Équatoriale izay nahavita niantoka ny toerany any amin'ny ampahefa-dàlana. Ny faharesen'ny  Lion'i Teranga dia nandiso fanantenana betsaka an'ireo mpanohana maro :

@observateurs Tafavoaka ny CAN i Sénégal. “Tahaka ireny ankizy avy amin'ny toeram-piofanana ireny no filaza an-dry zalahy” #can2012 fb.me/10kgX5eNf

@founseni_soro Firenena goavana amin'ny baolina kitra, . fa koa fahadisoam-panantenana goavan'ny CAN2012. Alefa ry elefanta #civ2010

Tsy vitan'i Angola ny nanindry an'i Sodana  (2-2), iray amin'ireo tarika isan'ny marefo indrindra amin'ity CAN 2012 ity, na dia teo aza ny baolina roa matin'i Manucho, tamin'ny Alakamisy tao Malabo. Raha nahazo fandresena, dia tafakatra ho amin'ny ampahefa-dàlan'ny CAN2012 i Angola. Azo averina jerena ao anatin’ ity lahatsary ity ireo baolina efatra maty nandritra ilay fihaonana.

http://www.youtube.com/watch?v=yI1kNpXKrto&feature=player_embedded

Io Alakamisy io koa, i Côte d'Ivoire sy Burkina Faso no nifandona tao Malabo ho an'ny fihaonana faharoa tao amin'ny sokajy B. Ny Elefanta no nivoaka ho mpandresy nanoloana ny Étalons (2-0). Noho io fandresena azony io, ry zareo Ivoiriana no tafakatra any amin'ny ampahefa-dàlana ary latsaka kosa ry zareo Burkinabè.

Mpankafy an'i Cote d'Ivoire manaraka ny lalao nihaonany tamin'i Sodana, avy amin'i @FlorianK_Sport

Gabon sy Tunisie, izay samy nandresy an'i Maraoka (3-2) sy Niger (2-1), dia nahazo koa ny tapakilany ho any amin'ny ampahefa-dàlan'ny Fiadiana izay ho Tompondakan'i Afrika 2012, vao tamin'ny andro faharoan'ny sokajy C fotsiny.  Ny “Aigles de Carthage” sy ny “Panthères” dia nahavita ny hazakazany. Tanjona manaraka : ny ampahefa-dàlana.

Ny Fiadiana izay ho Tompondakan'i Afrika 2012 dia azo arahana mivantana ao amin'ny Eurosport sy Twitter amin'ny tenifototra #CAN2012 sy #AFCON2012.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.