- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

[Lahatsary] Sary Avy Amin'ny Tetikasa “Andavanandrom-piainan'ireo Vehivavy Ao Minya”

Sokajy: Mediam-bahoaka, RV any ejipta, Vehivavy ao Minya-isanandro, Rising Voices

Amin'ny maha-ao anatin'ny tetikasanay Rising Voices any Ejipt [1]a azy, izay tanteraka noho ny fanohanana ara-bola avy amin'ny Biraom-paritry ny Fondation Heinrich Böll – any Afovoany Atsinanana [2], dia nanatontosa lahatsary telo izahay izay ahafahana mijery akaiky ny tsirairay amin'ireo tetikasa. Tsy elaakory izao no nahavitan'ilay Ejiptiana mpamokatra sarimihetsika Mahmoud Saber [3] sy ny tariny ny lahatsary telo izay avoakanay eto amin'ny tanonkalan'ny Rising Voices.

Ho an'ireo lahatsary telo ireo, nampiasa ny sehatra Universal Subtitles [4] ihany koa izahay mba hametrahana dikany amin'ny teny Anglisy. Ilay sehatra ifarimbonana io dia mamela antsika ho afaka manampy teny maro, ary manasa anareo mpamaky mba hanampy dikanteny ao.

Ny lahatsary faharoa dia manasongadina ny tetikasa  Andavanandrom-piainan'ireo Vehivavy Ao Minya [5] notantanan'i Nevine Fahem, izay niasa niaraka tamin'ireo vehivavy avy any amin'ny faritra ambanivohitr'i El Minya.