
Vahoaka miandry ny fahatongavan'ny zotram-piaramanidina avy amin'i Avylavitra
Sesintany any Johannesburg, Afrika Atsimo, i Marc Ravalomanana, Filohan'i Madagasikara teo aloha hatramin'ny nandaozany ny firenena tamin'ny marsa 2009. Nikasa hody an-tanindrazana ny lehilahy ny Asabotsy 21 Janoary 2012 rehefa tsy tafiditra hisidina hody ny 19 Febroary 2011, rehefa nandefa NOTAMs maro mandrara azy tsy higadona eo an-tseranan'Ivato i Andry Rajoelina izay nanala azy tamin'ny fanonganana.
Nanaraka mivantana ity tranga ity, tamin'ny alalan'ny fampiasana tenifototra manokana #M21112 ny mpisiokantsera.
Nahamarika ny fahatongavan'ny mpanao politika mpanohana an-dRavalomanana sy ireo olona nanana ny toerany nandritra ny fitondran'ny filoha teo aloha Ravalomanana ny mpisiokantsera tamin'ny 21 janoary.
(Noho ny fahamaroan'ny vaovao nivoaka tao amin'ny Twitter, dia adika avy hatrany tamin'ny fiteny niaviany ireo vaovao ireo hahamora ny famakiana ny lahatsoratra)
@topmada: “Eto ihany koa i Fetison Rakoto Andrianirina, Charles Rabemananjara, Tojo Ravalomanana #Madagascar #M21112
@topmada : Fiverenan-dRavalomanana : Manandafy, Mamy Rakotoarivelo, Guy Rivo Andrianarisoa, Naika Eliane ao amin'ny Efitrano ho an'ny VIP ao Ivato #madagascar #M21112
@topmada : Fiverenan-dRavalomanana : Eto Ivato ihany koa i Pierrot Botozaza, Ruffine Tsiranana, Ihanta Randriamandranto #Madagascar #M21112
Feno tsahotsaho momba ny mety hisamborana azy na ny fanalana ny didy fampisamborana azy ny vaovao nivoaka tao amin'ny Twitter.
@falyfamalagasy : General Forum:: Vohikala Ofisialy Forum fironana Ravalomanana :: OFISIALY : Tsy nesorina ny didy fampisamborana bit.ly/A7MCMY
@hairyt : Misidina hody mety ho voasambotra ny mpitondra an'i Madagasikara teo aloha bit.ly/xmFGWY #gasikara #m21112
@myrakoto Mamy Yve RAKOTOMANGA: #Ravalomanana – Tvplus manambara fa foana ny didy fampisamborana!!!
Tonga maraina, mitatitra ny olana miseho, eny amin'ny seranam-piaramanidina iraisampirenena Ivato, Antananarivo ny mpanohana ny filoha teo aloha :
@Tefy_eyes Tyfe Dawg: Nosakanan'ny zandary ao Sarimasina Lalampirenena faharoa ny Fiara Fitaterana mitondra ny delegasiona avy any Toamasina ka rahonana ampidirina fouriere @francediplo
@jentilisa Zo Andriamifidisoa: “@gasyjodasy: Barazin'ny emmonat eo amin'ny vavahadin’ #Ivato # Madagascar #M21112”

Vahoaka teo amin'ny seranam-piaramanidina Ivato avy amin'i Avylavitra
Feno olona sy fiara ny lalana rehetra mizotra ho any Ivato sy ny manodidina. Sarotra, raha tsy hoe tsy azo tanterahina, ny mivezivezy 2 km miala ny seranana.
@mammysou Mamisoa: Mihatonga tsikelikely, mandeha an-tongotra, fiara n fiara fitaterana ny olona…#Madagascar #M21112
Rehefa tafiditra minitra vitsy tao anatin'ny faritr'habakabaka Malagasy ny voromby, dia nobaikoana hiverin-dalana satria mihidy ny seranana saika igadonany, na ny tany amin'ny faritany aza. Nanaraka izany ny fotoam-pisalasalana nieritreretana fa nitodi-doha nankany Mozambika Ravalomanana, na hoe hosamborina any Afrika Atsimo ve izy.
@topmada TopMada.com: #madagascar #M21112 namoaka NOTAM maromaro manakatona ny seranam-piaramanidina any Antananarivo, Toamasina ary Toliary i Andry Rajoelina
@ranjachrys: Niodina nankao Mozambika ny voromby nitondra an-dRavalomanana : bit.ly/AzdeI9 (Reuters) #M21112
@hdleague Human D League: @tomavana @nirent Mampihomehy ihany raha hoe hosamborina any Afrika Atsimo izy fa tsy ao #Madagascar. #M21112
Sébastien Hervieu, mpanao gazety izay niaraka fiaramanidina amin-dRavalomanana mitatitra indray ny teti-panoron'itsy farany mba hampidirana indray ny Fiarahamonina Iraisampirenena amin'ity fifandirana malagasy tsy misy fiafarany ity.
@SebHervieu: Manantena ny vovonan'ny #UA amin'ny herinandro ambony #Ravalomanana hitarainany amin'ny mpitondra ny firenena maro #M21112
Mazava loatra fa tezitra ny mpanohana ny filoha teo aloha.
Namoaka fanambarana ny antoko mpanohana an-dRavalomanana fa miato ny fandraisany anjara ao amin'ny governemantan'ny Firaisam-pirenena, tarihin-dRajoelina:
@saveoursmile Hery Zo: Nampiato ny fandraisany anjara ao amin'ny CT, CST, fitondrana ny ankolafy Ravalomanana #M21112 araka an'i Mamy Rakotoarivelo (tafatafa Radio)
Ho fisorohana ny mety ho fisian'ny rotaka ny 21 Janoary amin'ny fandrobana tahaka ny tamin'ny Alatsinainy mainty (26 janoary 2009) sy ny fahapotehana miaraka aminy, dia nanangona ny entany sy nanakatona ny toera-pivarotany ny tsenam-barotra, tahaka izay nitranga tamin'ny fivarotana tao Ivato.
@ariniaina Lalah Ariniaina: 1 ora folakandro, manala ny entam-barotra ao aminy ny Suprême Center hisorohana ny fandrobana #M21112
Tsy manao ny asany ara-dalàna momba ny zava-mitranga ihany koa ny haino aman-jery:
@thierry_ratsiz Thierry Ratsizehena: Mampitampim-bava ny fandisoam-baovao ataon'ny media sasany eto an-drenivohitra #M21112
Sarotra ny nifehy ny olona nitsena an-dRavalomanana ka nisy ny naratra.
@topmada TopMada.com: #Madagascar #M21112 Ivato : miezaka ny mifehy ny vahoakabe amin'ny alalan'ny entona mandatsa-dranomaso sy ny bala fingotra ny mpitandro ny filaminana
@johnuniackdavis John Uniack Davis: Mbola misy vahoaka ihany eto amin'ny seranana, misy ny tora-bato, fikasana handroba. Saingy nirotsaka hampangatsiatsiaka ny loha anie ny orana. #m21112
@avylavitra Arefidar Sweet: Amin'izao fotoana izao dia efatra no nampidirina ny hopitaly loterana: vehivavy 2 sy lehilahy 1 naratra, lehilahy iray sempotra baomba mandatsa-dranomaso #Madagascar #M21112

Iray amin'ireo naratra nandritra ny fifandonana avy amin'i Avylavitra
Navitrika tao amin'ny twitter ihany koa ny Ambasadin'i Etazonia, milaza ny fanarahany akaiky ny fivoaran-draharaha ary tahaka ny mampitandrina ny roa tonta amin'izay mety ho fihoaram-pefy. Ny 23 Janoary :
@USMadagascar USEmbassy-Madagascar: Miantso ny rehetra ny Amerikana hisoroka ny hetsika mahatonga herisetra. Hanaraka akaiky ny fivoaran-draharaha i Etazonia.
@USMadagascar USEmbassy-Madagascar : Miantso ny rehetra hatrany izahay hiasa hiaraka hirosoana amin'ny fifidianana malalaka, marina ary mangarahana…
1 hevitra
tena mampijaly vahoaka tokoa ity TGV ity , betsaka @zao no tsy misakafo afatsy in-1 mandeha isan’andro ! maninona kay raha tonga de atao @ fanaovana azy io fahavalom-pirenena miseho ho endry be io nefa devoly misy rambony eh?