Ny 18 Janoary dia andro iray goavana eo amin'ny Aterineto. Ireo vohikala mpiara-miasa, manomboka any amin'ny Google ka hatrany amin'ny Twitpic, miaraka amin'ny fiaraha-monina sivily sy ireo olon-tsotra, dia nifanome tanana anatina hevitra iraisana iray: hanohitra ny lalàna Amerikana roa izay mety hisy fiantraikany goavana eo amin'ny fahalalahana miteny ao amin'ny aterineto eran-tany.
Araka ny nosoratan'ny Tale Mpanatanteraky ny Global Voices, Ivan Sigal, dia “misy ireo vondron'orinasa matanjaka sy herin'ny governemanta izay te-hahita ny famerana ny fivelarana sy ny fahalalahan'ny vohikala.” Samy manery ireo vohikala hanivana ny vaovao misy zon'ny mpamorona avokoa ny lalàna Stop Online Piracy Act (SOPA) sy ny Protect-IP Act (PIPA), ary mety, araka ny nosoratan'i Sigal , “hitarika takaitra goavana amin'ny asan'ireo mafàna fo dizitaly miaina eo ambany fitondrana tsy refesimandidy, hatramin'ny famerana ireo fahalalahana miteny fototra maneran-tany.”
Koa satria manana fahafahana hiantefa any amin'ireo mpampiasa Aterineto eran-tany ireo volavolan-dalàna ireo, niombon-kery tamin'ny Amerikana ny Fianakaviam-be eran-tany ho fanoherana. Avy amin'ny vondrona dizitaly Aleamana Netzpolitik mankany amin'ny Open Media Canada ka hatrany amin'ireo mpitoraka bilaogy tsotra sy ireo mpampiasa media sosialy, iray ihany ny hevitra: Ajanony ireo volavolan-dalàna ireo.
Fanamaintisana
Maro ireo vohikala nisafidy ny haneho ny fanoherany amin'ny fanamaintisany ny vohikalany, na iray manontolo io na amina pejy manelanelana. Danica Radovanovic (@DanicaR), manoratra ho an'ilay bilaogin'ny tambajotra Aostraliana DejanSEO, miresaka mikasika ny fanapahan-kevitry ny Wikipedia hiombona amin'io fanamaintsisana io, fanapaha-kevitra izay nisy fiantraikany tamin'ny fianakaviambe eran-tany mpamaky azy:
Nandritra ireo 72 ora lasa, mihoatra ny 1800 ireo Wikipediana niombon-kery hiresaka momba ireo tolo-kevitra amin'ny hetsika mety hataon'ny fikambanambe hanoherana ny SOPA sy ny PIPA. Ity aloha hatreto no fandraisana anjara faran-tapony anatina ady hevitry ny fikambanambe hita tao amin'ny Wikipedia, izay maneho ny haavon'ny ahiahy tsapan'ireo Wikipediana momba ity volavolan-dalàna ity. Manohana ny hetsika itambarambe ny ankamaroan'ireo mpandray anjara ho setrin'ireo volavolan-dalàna roa ireo. Amin'ireo tolo-kevitra avy amin'ireo Wikipediana, ireo izay miafara amin'ny fandokoana ho mainty ny Wikipedia amin'ny teny Anglisy, miaraka amin'ireo fanamaintisana any amin'ireo vohikala hafa izay manohitra ny SOPA sy ny PIPA, no nahazo ny fanohanana matanjaka indrindra.
Niombon-kery tamin'ireo fikambanana mpiara-miasa aminy any Amerika ny fikambanana Frantsay iray, La Quadrature du Net amin'ny fandokoana ho mainty ny vohikalany, hita eto amin'ity sary manaraka ity:
Ireo Antokonà Piraty dia isan'reo mpanohitra tena mirongatra indrindra manoloana ireo volavolan-dalàna manohitra ny fijirihana ireo. Any Espana, Katalaona, Soisa, Arzantina, Kanada, ary Soeda (ankoatra ireo maro hafa, raha tsy izy rehetra mihitsy), maro ireo antoko piraty tao an-toerana no niombon-kery tamin'ny fandokoana ho mainty ny vohikalany.
Mainty ihany koa ny Chaos Computer Club sy ny Antoko Maitso any Jermania , sy ilay fikambanana iraisam-pirenena Reporters Without Borders nandritra ny 18 Janoary. Ity farany izay nanazava ny antony nanapahany hevitra, manoratra hoe:
Nanapa-kevitra ny hanakatona ny vohikalanay amin'ny Teny Anglisy mandritra ny 24 ora izahay mba ho famantarana ny famoretana ara-tsaina mety hiparitaka manerana ny Aterineto araka ny efa fantatsika raha sanatria ka lany ny SOPA sy ny PIPA. Tsy ho voaisa ireo mpampiasa aterineto tsy manan-tsiny hiaran'ireo volavolan-dalàna ireo amin'ny karazana fanimbazimbana ny rindram-pahalalàna, amin'ny fanerena ireo vohikala hanakana ny fidirana amin'ireo vohikala hafa izay ahiahiana handika ny zon'ny mpamorona izay tsy dia voazava tsara ny dikany.
Raha hijery ny sarin'ireo vohikala hafa nanao fanamaintisana tanatin'ilay fanoherana, tsidiho ny tahirin-tsarin'i Netzpolitik momba ny fanamaintisana SOPA.
Fandikana ny lanjan'ny hafanam-po
Any amin'ireo firenena sasany, nandray an-tànana izany ho fanabeazana ny vondrom-piarahamonin-dry zareo momba ny lanjan'ny fanoherana ny SOPA sy PIPA ireo mpitoraka bilaogy sasany. Nanoratra fanazavàna momba ny antony tokony hitandreman'ireo olom-pirenena Libane amin'ireo volavolan-dalàna ireo ny Libaney iray mpitoraka bilaogy, Mireille Raad. Manoratra izy:
Ny maha-libaney, tsy manakana anao tsy ho mpampiasa aterineto – hiantraika amin'ny aterineto amin'ny fomba ratsy ny SOPA ary voataritarika anatin'izany ireo vohikala ivelan'i Etazonia, ary dia ny anao izany…
…Tokony hitandrina sy ho tezitra ianao, satria, na tianao izany na tsia, tsy misy aterineto eny amin'ny habakabaka, vita avy amin'ireo orinasa izay misy any amin'ireo firenena izany ary tsy maintsy manaraka ny lalàna ao an-toerana na dia “maneran-tany” aza ny aterineto. Izany no mahatonga ny olona eran-tany miasa loha amin'ny lalàna SOPA – ary na mahatsapa tena ho tsy ampy hery aza ianao, tokony mbola hiasa loha ihany ary hannao hetsika anaty aterineto – satria namboarina hitovy daholo ny olona rehetra ao anatin'ny tontolon'ny aterineto ary mitovy ihany koa fiakon'ny hetsika ataony
Anatina lahatsoratra teo aloha, nametaka anarana ireo volavolan-dalàna manohitra ny piraty ho “Rindrimben'i Shinamerika”, i CK Hung, Taiwanais mafana fo amin'ny fahalalahan'ny fampahalalam-baovao . Anatina sarisary [zh], maneho ny heviny ilay mpitoraka bilaogy:
Edit: Misy dikanteny Anglisy ihany koa ilay sary:
Manoratra ihany koa izy:
掌權者很樂意用 「保護智財」 或 「阻絕色情」、 「和諧社會」 當做永遠不可能吃到口的誘餌來說服公民支持其強化管制網路的法律和政策 (例如選擇便利管制的工具), 然後藉由這些法律和政策來強化它對公民的資訊監控。 掌權者很樂意公民只看見海市蜃樓, 卻忽略通往海市蜃樓的道路上, 威脅著社會自由民主的 collateral damages。 不論最終的掌權者到底是微軟、 蘋果、 共產黨、 民主黨、 還是共和黨, 受害的永遠都是絕大多數的公民。
而臺灣, 正是這兩大監控勢力交會處的絕佳實驗場所。
Manazava ny antony tsy itiavany ireo volavolan-dalàna ireo ny Venezoelana mpiara-miasa amin'ny Global Voices, Marianne Diaz [es]:
De cualquier modo, Estados Unidos no es el mundo, y las leyes de propiedad intelectual tienen limitaciones territoriales y varían de país a país. Por ejemplo, en Venezuela, la obra entra en dominio público sesenta años después de la muerte del autor. Sin embargo, mediante la aplicación de SOPA y PIPA, Estados Unidos pretende que a mí, a ti y a cualquier siberiano se le pueda forzar a cumplir unas limitaciones que no le son aplicables de acuerdo a la ley.
Ao amin'ny Twitter, resadresaka sahala amin'izay no mitranga. Avy any amin'ny Royame Uni, manoratra i @GokhanKaratay :
Tena manantena aho fa tsy hivoaka mihoatra ny Senat ireo volavolan-dalàna #SOPA sy #PIPA. Ilaina ny lalàna manohitra ny piraty, nefa tsy izany no fomba tokony hitondrana azy
Manondro ny fandraisan'anjaran'ny Cuevana, sehatra fampisehoana lahatsary any Arzantina, i @Gaby_xoa:
#Cuevana uniéndose al apagón #ANTISOPA que cuarta la libre expresión!!! twitpic.com/88nzkg
Ny zavatra azonao atao hanakanana ny SOPA sy ny PIPA
Na dia voafetra aza fahafahan'ny vondrom-piarahamonina iraisam-pirenena mikitika ny volavolan-dalàna Amerikana iray, heverina fa tena manampy ireo mafana fo any Etazonia ny firahalahiana hita anatin'ny fanoherana ireo volavolan-dalàna roa ireo. Eo andanin'ireo ohatra voalaza tetsy aloha, nahita fomba maro mampiseho talenta maro ihany koa ireo mpitoraka bilaogy mba hanaovana izany, tahaka ny fanovànana Twibbon manohitra ny SOPA na manohitra ny PIPA na koa ny fandokoana mainty ny bilaoginy WordPress. Ny fiadiana ho an'ny hoavy dia mandrisika ny vondrom-piarahamonina iraisam-pirenena hanao sonia fanangonana sonia hatolotra ny Departemantam-panjakana. Nefa ny fanoratana fotsiny ny fidiran'ireo volavolan-dalàna roa ireo dia efa ampy.
Ireo olom-pirenena Amerikana, amin'ny lafiny iray hafa, dia manana safidy marobe. Ireto misy santionany vitsivitsy amin'ny fomba hanatanterahana izany:
- Manana fanangonan-tsonia ihany koa ny Electronic Frontier miaraka aminà toro-làlana hihaonana amin'ireo solom-bavam-bahoaka na senatora.
- Mampiantrano fampielezan-kevitra amin'ny fanoràtana ny tetikasa Stop American Censorship an'ny tetikasa Fight for the Future, na Miady ho an'ny hoavy.
- Manana fampielezan-kevitra iray ny Free Press mba hanangonana sonia mba hitateran'ireo fahitalavitra ny mahakasika ireo volavolan-dalàna ireo.