- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Madagasikara: Dia Ahoana Ny Manaraka Rehefa Tsy Tafody Ny Filoha Teo Aloha?

Sokajy: Afrika Mainty, Madagasikara, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika

Fanindroany tamin'ny Asabotsy 21 janoary 2012 lasa tedo no nikasa hody an-tanindrazana ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Tamim-pitaintainana no niandrasan'ny Malagasy ity fikasana hody ity rehefa sesintany nandritra ny telo taona ny tenany. Saingy hoy ny filazan'i Niren Tolsi ao amin'ny Mail and Guardian [1]:

Ravalomanana's attempt to set foot on Malagasy soil was thwarted an hour before it was due to happen. According to the airline's security chief, the pilot had been informed by ground control at Ivato International Airport that it had been closed due to “security concerns”.

News filtering through suggested that large crowds — estimated between 20 000 and 30 000 — had gathered at Ivato in expectation of Ravalomanana. No one would say who had given the order to close the airport down, but Ravalomanana's aides suggested that it must have been an executive order from someone in the government of Andry Rajoelina (who had deposed Ravalomanana's democratically elected government in a 2009 coup).

Tafaodina ora iray mialoha ny saika hanitsahany ny tanindrazana ny fikasan-dRavalomanana hody. Araka ny nolazain'ny lehiben'ny sampam-piarovana ao amin'ny zotram-piaramanidina dia nampafantarin'ny mpanara-maso avy aty an-tanety ao amin'ny seranam-piaramanidina Iraisampirenena ao Ivato ny fikatonany noho ny “antony ara-pilaminana”.

Ny vaovao mipongatra no manoro fa misy vahoaka maro — tombanana ho 20 000 ka hatramin'ny 30 000 — tafavory ao Ivato miandry an-dRavalomanana. Tsy nisy  nahasahy niteny hoe iza no nibaiko ny fanakatonana ny seranam-piaramanidina, fa ny manodidina an-dRavalomanana no manombana fa mety ho baiko avy amin'ny anankiray ao amin'ny fitondran-dRajoelina (izay nanongana tamin'ny 2009 an-dRavalomanana voafidim-bahoaka)  iny.

Ity misy lahatsarin'ny fikasana hody navoakan'i Jentilisa [2] ao amin'ny YouTube tamin'ny 21 Janoary :

Citoyenne Malgache, mpamaham-bolongana ao an-toerana mitatitra ny fihetseham-po faly misy alahelo ao amin'ny mpanohana [3] [fr, mg] izay tonga maro hitsena azy:

Et aujourd’hui quand tu es rentré chez toi le cœur triste de ne pas  avoir retrouvé celui que tu es venu accueillir,  tu te consoles : nous sommes venus nombreux, c’est notre victoire. Tu t’encourages : Andrasanay na amin’ny valo alina aza… Et tu sais que tu reviendras encore au prochain appel.
que deviendras-tu si tu te sens vaincu ? Tu n’es peut-être pas LE peuple mais tu en fais partie, et on n’a pas le droit de t’ignorer. Mais n’oublie pas que personne ne prendra soin de toi, sauf toi-même. Des gens se moqueront de toi : tsy ho avy eo izany ny dadanareo… Pour d’autres, tu n’es qu’objet d’analyse et de reportage. Certains se serviront sûrement de toi. Mais défends ton choix et assume le reste.

Androany raha nalahelo ny fonao tonga tao an-trano fa tsy nahita ilay notsenainao, nampionon-tena ianao: Maro isika androany, izay no fandresentsika. Nampahery tena ianao: Andrasanay na amin’ny valo alina aza…fantatrao fa mbola ho avy ihany ianao amin'ny antso manaraka. Inona no hahazo anao raha mahatsapa ho resy ianao? Mety ho tsy ianao ILAY vahoaka, fa anisany ianao, tsy azo tsinontsinoavina ianao. Nefa tsarovy fa tsy hisy hikarakara anao, afa-tsy ianao ihany. Misy ny haneso anao: tsy ho avy eo izany ny dadanareo… Ho an'nyhafa indray dia ataony fanadihady sy famakafaka ianao. Misy tokoa ny hampiasa [hanararaotra] anao. Saingy arovy ny safidinao dia zakao ny ambiny
Malagasy crowd at Ivato airport on January 21. Image by Jentilisa, used with permission. [4]

Malagasy tao Ivato ny 21 Janoary. Saripika Jentilisa, nahazoana alalana.

Nasongadin'ny mpamaham-bolongana ny fifanoheran-kevitra teo amin'ny fitondrana tetezamitan-dRajoelina, tahaka ny Praiminisitra sy ny Minisitry ny Serasera izay nifanohi-kevitra momba ny NOTAMs [5] (‘Notices to Airmen’ na ‘Naoty ho an'ny Mpiandanitra’), ny governemanta sy Rajoelina tenany, ary na dia efa nivoaka aza ny NOTAMs, dia mbola ifanoherana ny isamborana na tsia an-dRavalomanana.

Niresaka tamin'ny mpanao gazety tao amin'ny RFI [6] [fr] ny Praiminisitra Omer Beriziky, mpanao politika mitandrin-tena:

Je peux vous assurer que le gouvernement, à aucun moment, n’avait donné l’ordre de fermer les aéroports à Madagascar. Le retour de l’ex-président était possible. Cependant, j’aurais souhaité que le retour de Marc Ravalomanana se fasse dans d’autres conditions. Je pensais qu’il était possible d’arriver à une solution consensuelle, c’est-à-dire que toutes les parties prenantes de la feuille de route puissent trouver ensemble une manière consensuelle de faire revenir le président dans sa patrie.

Azoko atao ny manome antoka anareo fa tsy nanome baiko ny hanakatonana ny seranam-piaramanidina teto Madagasikara na oviana na oviana ny governemanta. Azo tanterahina ny fodian'ny filoha teo aloha. Saingy iriko mba rehefa miaina anatina fepetra hafa. Mieritreritra aho fa azo atao ny mahita vahaolana ifanarahana, izany hoe miara-mahita anaty fifanarahana ny fomba hampodiana an-tanindrazana ny filoha ny mpandray anjara tamin'ny Tondro Zotra.
Crowd facing police forces in Madagascar by Mamysou. Used with permission. [7]

Vahoaka miatrika ny mpitandro ny filaminana @Topmada

Tsy nitombina loatra ny tetipanoron'ny fitondrana tetezamita hamahana ny kirizy araka an'i VANF ao amin'ny matoan-dahatsoratra famoakany isn-kerinandro ao amin'ny Express de Madagascar [8] [fr]:

 

Le ministre de la Défense dit s'en tenir au maintien de l'ordre, le chef de l'état-major mixte opérationnel (EMMO-Reg) d'Analamanga prétend appliquer un mandat d'arrêt contre Marc Ravalomanana, la ministre de la Justice préfère ne pas en rajouter, le Premier Ministre aurait assuré Marc Ravalomanana qu'il ne voyait aucun inconvénient à son retour à Madagascar.

Ny minisitry ny fiarovana milaza hianona amin'ny fitandroana ny filaminana, ny Lehiben'ny EMMO-Reg Analamanga milaza hampihatra ny didy fampisamborana an'i Marc Ravalomanana, ny Minisitry ny Fitsarana naleony tsy niteny, ny Praiminisitra nanome toky an'i Marc Ravalomanana fa tsy hitany ny tsininy amin'ny fiverenany eto Madagasikara.

Tsy nampino fa mandà ny fisian'ny NOTAMs nivoaka [9] ny minisitry ny serasera, Rolly Mercia. Hoy [8] [fr] i VANF:

Alors qu’il se répandait en interviews sur les médias pour déclarer qu’il n’y avait jamais eu de NOTAM, les copies des cinq NOTAM ordonnés par le P.T. lui- même étaient affichées sur le site internet de l’ASECNA, et partagées sur Twitter et Facebook. Grotesque ! Que faut-il en conclure : incohérence, incompétence ou stalinisme chronique ?

Raha mbola nitety nanao valandresaka tamin'ny haino aman-jery isan-karazany izy nilaza fa tsy nisy mihitsy izany NOTAMs izany, dia efa nivoaka tao amin'ny vohikalan'ny ASECNA ary nifampizarana nanerana ny Twitter sy ny Facebook ny dikantsoratry ny NOTAM dimy navoakan'ny Filohan'ny tetezamita tenany. Mampaonena! Inona no fehiny: saritaka, tsy fahaiza-miasa sa stanilisma raiki-tapisaka?

Ao amin'ny Twitter, misy ny mpisera sasany mandà ny hoe nikatona tanteraka ny lanitr'i Madagasikara, ary nihevitra fa tokony ho afa-nidina tao amin'ny seranam-piaramanidin'i Morondava ny voromby nitondra an-dRavalomanana, saingy tsy nisy vahoaka nitsena tany ka mora ny isamborana azy tany:

@hdleague [10]: Alors, il est incorrecte de dire que R8 était interdit de revenir à Mada. Il était permit d'aterrir à Morondava pour être arrêter. #M21112 [11]

@hdleague [10]: Noho izany dia tsy marina ny filazana fa voarara tsy hiverina teto Madagasikara Ravalomanana. Navela higadonany i Morondava isamborana azy. #M21112 [11]

Ao amin'ny ‘Madagate’ i Jeannot Ramambazafy [12] [fr] dia manaiky fa manan-jò hody eto Madagasikara Ravalomanana, saingy narovany ny zon'ny Malagasy hitsara an-dRavalomanana, izay nomelohina fa heverina ho nibaiko ny mpiandry ny lapam-panjakana hitifitra ny mpanao fihetsiketsehana tamin'ny Febroary 2009:

Ainsi, s'il a été demandé au pilote -qui a refusé- d'aller atterrir à Morondava, c'était pour mettre en application cette note et pour sécuriser l'intégrité physique même de Marc Ravalomanana qui a, bien sûr, le droit de rentrer, mais… Au nom de l'indépendance de la Justice malgache, le mandat d'arrêt émis à l'encontre de Ravalomanana, depuis 2009, sera exécuté.

Noho izany raha nangatahina ny mpanamory – izay nandà – ny hidina tao Morondava, dia ho fampiharana io didy io ary hiarovana ny tenan'i Marc Ravalomanana, izay mazava loatra fa manan-jò hiditra, saingy… Amin'ny anaran'ny fahaleovantenan'ny Fitsarana Malagasy, dia tontosaina ny didy fampisamborana azy nampiharina hatramin'ny 2009.

Marc Harmelle [13] [fr], mpamoaka hevitra ao amin'ny bolongan'i Fijery, dia miahiahy amin'izay manetsika an-dRavalomanana:

je m’interroge ce soir quand a ses motivations de convoquer une telle foule ; est ce pour avoir un bouclier humain ou est ce par pure folie des grandeurs souci d’etre acclamé , ovationné par un peuple misérable ? La première solution est dégueulasse et lâche , la seconde démontre que ces 3 ans ne l’ont pas mûris *Dernièrement a mon sens rentrer discrètement en se remettant entre les mains de la justice aurait été judicieux ; il était impossible de lui refuser ce retour , impossible de le malmener et je gage qu’il n’aurait au pire fait que quelques jours de geôle ; la pression internationale et nationale aurait pu pleinement s’exercer et quelle aura politique !!!

Manontany tena aho androany hariva amin'izay antony niantsoany ireo vahoaka ireo; ho ampigan'ny ainy ve sa mba te-hoderaina, hotehatehafan'ny vahoaka fadiranovana? Maharikoriko ny valiny voalohany sady an'ny katahotra, ny faharoa indray dia mbola tsy nahamatotra azy ihany ny telo taona. Raha ny hevitro dia ny mody mangina sy mitolo-batana eo amin'ny fitsarana no nety kokoa, tsy azo nolavina izay fodiany izay, sarotra ny hampijaly azy ary azoko antoka fa ny ratsy indrindra mety ho azony dia andro vitsivitsy ao am-pigadrana monja; hiditra an-tsehatra ny sehatra iraisampirenena sy manerana ny firenena ary ho tahaka ny ahoana re ny laza ara-politika!!!

Rovahiga [14] ao amin'ny hafatra mitondra ny lohateny hoe ‘Rajoelina marque contre son camp’ (Namono tena, eo amin'ny sehatry ny baolina, Rajoelina) ary nilaza fa faharesena ho an'ny ankolafy Rajoelina ny tsy namelana an-dRavalomanana hody.

Ny Ambasady Amerikana izay nanaraka akaiky ny raharaha tao amin'ny Twitter dia tsy nanaiky ny Tati-baovaon'ny CNN [15] izay nilaza fa tsy nanaiky ny hodian-dRavalomanana i Etazonia:

@USMadagascar [16]: US regrets the circulation of a story by CNN that incorrectly reflects our official position on the return of Ravalomanana to #Madagascar [17]

Malahelo amin'ny tantara aelin'ny CNN izay tsy mitaratra loatra ny hevitra ofisialinay amin'ny fampodiana an-dRavalomanana eto Madagasikara i Etazonia.

Miahiahy izay mety ho fiantraikan'io saritaka tamin'ny Asabotsy io i Fijery [13][fr], indrindra fa izay avy any amin'ny Fiarahamonina Iraisampirenena, izay tsy nahavita nampandroso ny fampiharana ny tondrozotra hitondra fandriampahalemana ho an'i Madagasikara:

ce retour en plein ciel à quelques miles d’Antananarivo devant des journalistes internationaux ridiculise, si besoin était encore, un régime hâtif marqué par l’amateurisme. […] En parallèle, cette décision montre à la Communauté internationale à quel point Andry Rajoelina et la clique qui l’entoure sont peu désireux de réconciliation et d’apaisement. Ceci étant dit, je ne crois pas que cela aura beaucoup d’impact. Quand on a vu avec quel empressement l’ambassadeur de l’ Union européenne et le Coordonateur des Nations unies sont allés se défroquer devant Monsieur Rajoelina, sans tenir compte des violations de la démocratie et des droits de l’homme, on peut se dire raisonnablement que ce n’est pas un dérapage de plus qui va émouvoir la communauté internationale, prête à gober les couleuvres hâtives.

Hanaratsy endrika kokoa ny fitondrana FAT malaza amin'ny “kitoatoa”, raha mbola ilaina izany, iny fiverenan-dalana efa eny an-danitra efa manakaiky an'Antananarivo eo anatrehan'ny mpanao gazety iraisampirenena iny. […] Mifanindran-dalana amin'izany iny fanapehan-kevitra inydia mampiseho amin'ny Fiarahamonina Iraisampirenena fa tsy dia miraharaha izay fampihavanana sy fitoniana izany Andry Rajoelina sy ny tariny. Rehefa voalaza izany dia tsy mino aho fa hisy fiantraikany be loatra izany. Hitantsika ny fahamehan'ny masoivohon'ny Vondrona Eoropeana sy ny Mpandrindra ao amin'ny Firenena Mikambana hiankohoka eo anatrehan'Atoa Rajoelina, tsy niraharaha ny fanitsakitsahana ny demokrasia syny zon'olombelona, dia azo lazaina fa tsy ny fibolisarana hafa ihanetsi-bolomaso ny fiarahamonina iraisampirenena, vonona ny hitelina ny laingaben'ny FAT.

Hatramin'ny Asabotsy dia nampanantsoina haingana anio ho any Johannesburg ny ankolafy mandray anjara [18][fr] hivory hiaraka amin'ny SADC (Southern African Development Community). Nisy nitatitra fa nanatrika izany ny Praiminisitry ny tetezamita eto Madagasikara, Omer Beriziky.