Vaovao farany (18 Janoary, 2012):
Nanohy hatrany ny fitantarana izay lazaina fa famonoan-tena nataon'ny mponina teratany Tarahumara ny Univisión. Ao amin'ny hafatra navoakany ao amin'ny pejiny Tumblr, nilaza izy ireo fa “nahazo vaovao mametraka fisalasalana momba izany filazalazana izany.” Nanamarika izy ireo na dia izany aza fa , “Ny loharanom-baovao voarain'ny Univision dia manamafy fa nisy tokoa ny krizy ara-tsakafo tao anatin'ny faritra Raramuri, tonga tao an-toerana ny sampan-draharahan'ny governemanta nanolotra sakafo vonjimaika, izay mety haharitra iray volana , saingy tsy tokony hihoatra ny fotoanan'ny maintany ao Avaratr'i Meksika amin'izao fotoana izao.”
Nahatonga ny mpiserasera Meksikana hanao fanentanana ny vaovao tsy voamarina izay nilaza fa Teratany Tarahumara 50 avy ao avaratry ny firenena Chihuahua no namono tena mba hialana amin'ny hanoanana. Miatrika olana maro isan-karazany ny Tarahumara, fantatra amin'ny anarana koa hoe Raramuri, olana toy ny fahaverezan'ny fomba fiteniny, ny fampiasana ny taniny, fidiram-bola tsy zarizary ary olana amin'ny tsy fahampian-tsakafo.
Amina lahatsary nalefa tao amin'ny YouTube, Ramón Gardea, mpikambana ao amin'ny Fikambanan'ny Mponina Mpiasa Amin'ny Fambolena, nanambara fa Tarahumara Indiana 50 no namono tena noho ny tsy fahitany sakafo ho azy ireo sy ny zanany.
Na dia tsy ampy aza ny porofo manamarina ny fisian'ny famonoan-tena, dia marina kosa ny fisian’ ny tsy fahampian-tsakafo sy ny fahantrana lalina eo amin'ireo teratany Tarahumara ireo.
Naneho ny ahiahiny avy hatrany ireo mpiserasera manerana ny firenena. Nampisaina tao amin'ny Twitter ny tenifototra #SierraTarahumara, teraka ny hetsika, naneho ny fahatezerany ireo mpisera Twitter ary nikarakara fanangonana sakafo ho an'ny mponina manodidina, tany amin'ny fiangonana ary ny anjerimanontolo.

Renim-pianakaviana Raramuri sy ny zazakely. Sary avy amin'i Victor Hugo García Ulloa, Generic (CC BY-NC-SA 2.0)
Humberto Cantu (@dermacantu) mampitaha ny vola holaniana amin'ny fitsidihan'i Papa sy ny tsy fisian'ny fanampiana ho an'ny Tarahumaras:
Van a gastar MILLONES en la visita del #papa, pero no hay para apoyar a nuestros hermanos de la #sierratarahumara …un poco de sensibilidad
Mpanoratra Meksikana León Krauze (@Leon_Krauze) nanao fampitahana mivantana izay hitranga ao amin'ny firenena androany:
La terrible situación en la #SierraTarahumara ilustra perfectamente la tragedia mexicana de nuestro tiempo. Qué doloroso…
ProtecciÓn civil del GDF ya haciendo acopio para la Sierra Tarahumara ,debemos apoyar todos a las comunidades de la sierra
Nanangona sakafo ho an'ny Sierra Tarahumara ny Sampana Fiarovam-bahoaka ao amin'ny (Governemantan'ny tanànan'i Meksikô), tokony hotohanantsika ny fiarahamonina rehetra ao Sierra
Nitatitra ny bilaogy Animal Politico fa nandà ny fisian'ny famonoan-tena 50 araka ny hita amin'ny lahatsary YouTube ny governemantan'ny Chihuahua :
A unas horas de que se diera a conocer un video donde se denuncian supuestos suicidios por hambre de raramuris en la Sierra Tarahumara y de que usuarios de las redes sociales organizaran colectas de alimentos, el gobierno de Chihuahua negó que haya suicidios masivos en la zona.
Manaraka izany, tao amin'ny Tumblr, namoaka tantara mikasika ny fanambarana momba ilay famonoan-tena ny Univisión ary nanisy fanitsiana sy nanome vaovao farany:
Ao amin'ny lahatsoratra loharano nanovozana ity vaovao ity dia diso ny filazanay hoe i Jesus Quiñones , lehiben'ny fokontany ao an-tanàna Meksikana ao Carichi, no nanambara taminay ny fisian'ny teratany 50 namono tena, satria nisy gazety Meksikana nanoratra toy izany koa. Nantsoinay i Quiñones, ary nandà izy fa tsy nisy famonoan-tena mihitsy tao amin'ny fokontany iadidiany, na dia izany aza nilaza izy fa kere tsy ampy sakafo mihitsy ny mponina ao amin'ny faritra, fa efa nahazo famatsiana ara-tsakafo vonjimaika avy amin'ny fanjakana sy ny governemanta ao an-toerana kosa tamin'iny herinandro lasa iny.
Nolazain'i Quiñones fa i Ramon Gardea, manampahefana ao amin'ny Manda Iraisan'ny Teratany Mpiasa Ao Amin'ny Fambolena no niresaka ny fisian'izany famonoan-tena izany. Lehilahy iray izay heverina ho i Ramon Gardea tokoa no hita ao amin'ny lahatsary YouTube manao izany fanambarana izany, ary ny lahatsary dia heverina fa avy amin'ny fantsona faha-28 ao Chihuahua. Nilaza i Quiñones fa mbola tsy nihaona tamin'i Gardea mihitsy ary tsy fantany ihany koa ny nipoiran'ny resaka famonoan-tena. Tantara mbola hitohy.