REPACTED: Manao Jeritodika Ary Maka Lesona Avy Amin'ny Lasa

Ny mpisitraka ny famatsiam-bolan'ny Rising Voices, REPACTED, teo aloha dia nanofana ireo Kenyana nafindra toerana (nandritry ny herisetra tamin'ny fifidianana ny taona 2007) mipetraka an-toby ny fomba hilazàny ny tantarany manokana ao amin'ny aterineto ka amin'izany dia tsy nohadinoina ny zava-tsarotra niainan'izy ireo. Mampiasa seho an-tsehatra manintona ry zareo mba hanentanana sy hanetsehana ny olona ary mba hiovàn'ny fitondrantena manoloana ny olana toy ny SIDA. Araka ny lahatsoratra iray nanao jeritodika ao amin'ny bilaogin'izy ireo dia:

Maherin'ny 1,200 ny kenyana voalaza fa maty, anarivony mahery no naratra ary maherin'ny 300.000 no olona nafindra toerana, manodidina ny trano 42.000 sy fandraharahàna maro no nikatso nohon'ny halatra na ny fahasimbàna, daroka baomba, fakàna an-keriny ary famonoana olona tsy manan-tsiny amin'ny alalan'ny milisy samihafa antsoina hoe Al-shabab izay toa lasa zatra iainana isan'andro ka mahatonga an'i Kenya handray fanapahan-kevitra hentitra amin'ny fiezahana hanafoanana tanteraka sy fampitsaharana ny fandrahonana ataon'ny al-shabab.

Nanofaofa ny fitaovam-piadiany ireo lehilahy Kenyana taorian'ny fifidianana tao kenya ny Desambra 2007 izay mbola mampametra-panontaniana. Sary avy amin'i Daniel McCabe. Copyright Demotix

Hisy ny  fifidianana manaraka ao Kenya amin'ity taona ity. Ny fitoniana ara-politika dia hanamafy ny fisondrotana mihozohozon'i Kenya. Ny REPACTED (Rapid Effective Participatory Action in community Theater Education and Development) ankehitriny dia miasa mba hahatonga ny Kenyana haka lesona avy amin'ny lasa sy tsy hamerina intsony ny hadisoana vita:

 

 

Ny REPACTED dia niditra tamin'ny sehatry ny fandaharan'asa ara-panabeazana antsoina hoe ”TUFANYE SOTE BIDII NDIO WAJIBU WETU” volana vitsivitsy lasa izay, andalana izay notsoahana avy tao amin'ny hiram-pirenena. Ny hany tanjon'ity fandaharan'asa izay vatsian'ny PNUD Amkeni Wa ao Kenya ity dia ny mba hanentanana ireo Kenyana amin'ny andraikiny sy ny fandraisany anjara manontolo amin'ny resaka olana amin'ny lalàm-panorenana mikasika ny FAMINDRAM-PAHEFANA.  Ny REPACTED dia manana andraikitra amin'ny fiantohana ny fandehanan'ny Kenyana handatsa-bato izay napetraky ny lalàm-panorenana ho azzy ireo.

Sary natolotry ny REPACTED

Tamin'ny Aprily, ny REPACTED dia nampiantrano fampisehoana hatsaran-tarehy ho an'ny mpianatry ny lisea ao Kenya mba hitondràna sehatra ho azy hanaovany fifanakalozan-dresaka mikasika ny fiainana ara-pananahan'izy ireo. Ny lohahevitry ny hetsika dia ““Using beauty as a source of inspiration towards behavioral change” na ny “Fampiasàna ny endrika amam-bika mba hahatongavana any amin'ny fiovan'ny fitondran-tena”.

Afaka maka vaovao misimisy ao amin'ny bilaoginy sy ao amin'ny kaonty Facebook ianao.

Ny Rising Voices “grantee

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.