Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Yemen : Andro tsy hihinanana katy ny 12 janoary

Ny katy dia zavamaniry maintso be ravina manome hery mitovy amin'ny amphetamine ary sokajian'ny OMS ho zavamahadomelina. Fitsakotsakoan'ny ankamaroan'i Yemenita saika isan'andro izy ity, na lahy na vavy. Ny tena mampalahelo dia misy ankizy aza efa mitsako azy sahady. Efa zary fahazarana eo amin'ny fiaraha-monina izany fomba izany ary efa lasa miankin-doha aminy ireo mpitsako azy satria 45% ny mponina no miaina ao anatin'ny fahantrana.

Araka ny efa nomarihako tao amin'ny bilaogiko:

Hanin'ny tokantrano Yemenita rehetra ny katy ary misy fiantraikany ratsy eo amin'ny fambolena, ekonomia, fahasalamana ary fiaraha-monina any Yemen. Very fotoana sy very vola ny olona eo am-pitsakoana ity zavamaniry ratsy ity, ary voasakany tsy hieritreritra hiasa sy hanangana Yemen vaovao ireo mponina any an-toerana.

Ity oronantsary ao amin'ny YouTube ity izay nalefan'ny FeatureStoryNews1 mampiseho ny anjara toeran'ny katy eo amin'ny fiainan'ny Yemenita sy ny fiantraikan'izany:

Nisy ny fanoherana tany Yemen tato anatin'ny 11 volana izao, nanoherana ny filoha teo aloha Ali Abdullah Saleh sy ny fitondrany nandritra ny 33 taona, fanoherana nikatsahana fiovana sy nitarina tamin'ny ady amin'ny kolikoly teo anivon'ny governemanta sy ny sampan-draharaham-panjakana rehetra, nisy fiantraikany eo amin'ny fiaraha-monina any an-toerana raha tarafina amin'ity ady atao amin'ny katy ity.

Fanentanana tao amin'ny Facebook sy tao amin'nyTwitter, natombok'i Hindi Aleyryani, Yemenita mipetraka any Liban, no nanaovana ny andro 12 janoary ho andro tsy hitsakoana katy any Yemen. Noraisin'ny olona izany finiavana izany na tany an-toerana izany na manerana ny tany mihitsy aza. Yemenita maro no nanjohy ny twitter sy ny facebook tamin'ny fanentanana ary nanaparitaka ity hevitra ity. Anisan'ireny i Tawakkol Karman nahazo ny loka Nobel ho an'ny fandriampahalemana sady mpitolona Yemenita, izay nampiasa ny facebook ary nanisy rohy tamin'ny twiiter ho mariky ny fanohanany ny hetsika.

@Dilmunite nandefa tao amin'ny Bikya Misr lahatsoratra fandalinana iray hahafantarana ny momba ny katy.

Notohanan'ny Yemenita ny fanentanana, bilaogera, mpanao gazety sy pejy maro tao amin'ny facebook an'ny Yemenita no nahitana izao lohateny izao “Yemen tsy misy katy,” [ar] Nisokatra io pejy io efa hatramin'ny volana jona hitarihana ny olona tsy hitsako katy intsony. Ny fahitalavitra yemenita iray, Sulhail, sy ny gazety an-terinety Almasdaronline, ary ireo tanora marobe izay nankeo amin'ny Kianjan'ny Fahafahana ao Taiz sy teo amin'ny Kianjan'ny Fanovana tao Sanaa (toerana nisian'ny fanoherana 2011) no nanohana ny fanentanana.

Ilay mpitolona SadekMaktary, mipetraka ao Taiz sady anankiray amin'ireo mpikarakara ny fanentanana miaraka amin'i Ammar Mojalli, no nandefa oronantsary ao amin'ny YouTube, izay nataony ihany hanehoana ireo fijoroana vavolombelona nataon'ireo olona manohana ny hetsika :

Ity saripika ity dia hita ao amin'ny Facebook nalefan'i Jalal al-Samei mampiseho tanora eo amin'ny Kianjan'ny Fanovana mitondra sorabaventy nozarain'ny Mpanolontsainan'ny Mpandrindra ny hetsiky ny tanora ho amin'ny fanovana, izay manohana ny fanentanana ihany koa:

Youth in Change Square in Sanaa endorse the No Qat campaign

Tanora ao Sanna manohana ny fanentanana ny #NoQatJan12 (12 janoary tsy misy katy)

Tanora ao Sanna manohana ny fanentanana ny #NoQatJan12 (12 janoary tsy misy katy)

@brrhom, monina any Sanaa, nanamarika ny finiavana ho amin'ny fanovana taorian'ny fihetseham-bahoaka:

Manohana ny fanentanana #NoQatJan12 campaign (12 janoary tsy misy katy) tsy nisy noterena sady amin'ny fomba tsy takary ny saina ny Yemenita. Mazava ho azy, niova ny zavatra rehetra hatramin'ny nanombohan'ny fihetseham-bahoaka.

Indro pejy ao amin'ny Storify namboarina avy amin'ireo fanehoan-kevitra tao amin'ny twitter momba ny katy.

Ilay mpanao gazety @nelsherif namaritra ny sasantsasany amin'ny hetsika natao androany toy izao:

Manomana “andro tsy misy katy” ny yemenita hiadiana amin'ny kolikoly“>http://bit.ly/w6rPEb #in #noqatjan12 #yemen

@WigdanGuneid, mipetraka any Etazonia no namorona ny sary famantarana ny fanentanana:

Ity ny petadrindrina nataony milaza hoe [ar]: “Yemenita aho, mitady fiovana ary tsy hitsako katy amin'ny 12 janoary”:

Fango #NoQatJan12

Ny rainy @alguneid nanoratra tao amin'ny twitter:

Efa an-dalana ny fanatontosantsika ny rakitsary @WigdanGuneid 4 #NoQat12Jan (Tsy misy katy ny 12 janoary) p.twimg.com/Aicpf56CAAAmdqp.twimg.com/AiWelVVCMAAHmn…

@FozYaya nanamboatra sary famantarana hafa ary niresaka tao amin’ ny twitter koa:

#NOQatJan12 pic.twitter.com/zYM5CbOX

Ity ny sary nataony:

Mitenena Tsia ny Katy hoy i Fawzi Yahya

@FozYaya nanao oronantsary izay nalefany tao amin'ny YouTube hanehoana ny fahafahan'ny Yemenita hiova ary mitaona azy ireo hanokana ny andron'ny 12 janoary ho andro tsy misy katy:

@ameerah1yemenia, monina any Etazonia naneho ny fankasitrahany ny hetsika:

#SupportYemen #NoQatJan12 #No2Corruption #Yemen

Ilay mpitsabo @ichamza nanoratra tao amin'ny twitter:

Aoka tsy hitsako katy isika 1 andro fotsiny ! Afaka miandry ny homamiadan'ny vava sy ny traotraoka ! #Yemen #NoQatJan12

Nampiany hoe:

Heveriko fa tsy ny katy loatra no tena olana goavana aty#Yemen! Minoa ahy ianareo fa tsy dia hahatsara zavatra akory izany! Fandaniam-bola sy fotoana fotsiny#NoQat12Jan

@Afrahnasser, blaogera Yemenita fanta-daza monina any Soeda, nikajy ny fotoana lany avy amin'ny katy:

Yemenita anankiray mandany adin'ny 8 hitadiavana vola hamidy katy, adin'ny 8 hitsakoana azy, ary ny adin'ny 8 farany hatoriana @NoonArabia

Notsipihany koa fa ny katy dia mampikatso ny fandrosoana:

Manana fahafahana hahatonga azy ho ny anankiray amin'ny firenena mandroso indrindra i Yemen, fa ny katy no sakana voalohany mampikatso azy:( #NoQatJan12)

@Samwaddah, monina any Kanada, nampiseho sary mihetsika koa ao amin'ny YouTube, hahafantarana ity olana goavana ity dia ny fahazaran-dratsy mitsako katy ary mbola hampitaina koa izany amin'ny taranaka mandimby. Olana izay tsy dia fantatry ny ray aman-dreny maro na tsy raharahany fotsiny izao. Ity ny sary mihetsika:

Vokatry ny fiaraha-miasa teo amin'ny olona marobe ny fanentanana, olona izay miasa tsy tapaka eo anoloan'ny solosainany ary mihevitra ny hahasoa ny Yemenita. Nahavita nandefa hafatra tiany hampitaina izy ireo, teo amin'ny olona izay mahita ny zava-misy marina eny an-dalana eny. Vokatry ny fitadiavana vahaolana izay tanterahan'ireo manam-piniavana hanafoana ny katy any Yemen.

Araka ny nanoratan'i @Ghanem_M tao amin'ny twitter azy:

Ny fanentanana #noqatjan12 (tsy misy katy ny 12 janoary) no dingana voalohany hanafoanana ny fahazaran-dratsy aty#yemen

@ArabsUnited, monina any Royaume-Uni nanampy:

#NoQatJan12 (Tsy misy katy ny 12 janoary) dia miendrika fanabeazana ary manokatra lalana hampitsahatra ny fahazaran-dratsy manimba sady mandany vola. Miadana nefa azo antoka…

Ary SummerNasser, tanora Yemenita monina any Etazonia:

Tokony hitady hevitra isika aty Yemen ho an'ireo mpitsako sy mpivarotra katy. Tokony “hafana” tsara ity fanentanana ity. #NoQatJan12 (Tsy misy katy ny 12 janoary).

Anjaran'ny Yemenita sy ny safidiny androany sy amin'ny ho avy no hahafahana mampahomby ity fanentanana ity.

Araka ny namintinako azy tao amin'ny bilaogiko:

Misy ny fanantenana fa ireo Yemenita tapa-kevitra, misolo tena ny firenena laharana faharo amaneran-tany amin'ny fitaovam-piadiana, izay nanaitra ny rehetra tamin'ny hetsika tsy nisy herisetra nataony, izay nandray anjara tamin'ny Diabe ho an'ny fiainana mirefy 246Km ary mitsangana koa ankehitriny hiady amin'ny kolikoly, dia handray ny fanapahan-kevitra tsara sy tena ilaina hanafoanana ity areti-mandringana mamono ny fiaraha-monina yemenita ity.

George Bernard Shaw niteny hoe: “Tsy hisy ny fivoarana raha tsy misy fiovana ary ireo rehetra tsy te hanova ny fomba fisainany dia tsy afaka hanova mihitsy”

Anankiray amin'ireo lahatsoratra mikasika ny Fanoherana tany Yemen 2011 ity lahatsoratra ity

Ny sary aseho eto dia mampiseho mpivarotra katy irao tao an-tsena. Sarin'i Saleh Maglam.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.