- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Maraoka: Noafahana Ilay Mpiangaly Rap

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Maraoka, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Mozika, Tanora

Mouad Belghouat na “Al Haked” (Ilay Tafintohina), Artista mpiangaly rap 24 taona mpitsikera ny fitondram-panjaka Maraokana, dia noafahana [1] ny fonja, izay nitazonana azy hatramin'ny volana Septambra, ny zoma lasa teo.

Ny heloka ofisialy iampangana an'i Mouad moa dia ny fidarohana mpanao fihetsiketsehana mpiaro ny fitondrana saingy ny mpanohana azy kosa milaza fa noforonina izany mba hampanginana ny fahatezerana mandady. Notsipahan'ny mpitsara hatrany ny fangatahana fanafahana azy amin'ny alalan'ny fandoavana “antoka” rehefa nahemotra in'enina ny fitsarana.

Anisan'ny fantatra endrika indrindra tamin'ny fitarihana ny Hetsika 20 Febroary [2], fiantso ny fiitaran'ny lazaina hoe Lohatao Arabo, mpanohana ny demokrasia ity mpiangaly rap ity.

Ho setrin'ny hetsi-panoherana nandeha isam-potoana dia nampiditra fanitsian-dalampanorenana [3] maromaro ny mpanjaka Mohammed VI tamin'ny volana jolay izay nahatonga ny efifidianana depiote mialoha ny fotoana [4] tamin'ny Novambra izay nandresen'ny antokoIslamista PJD hitantana ny fitondrana. Saingy mbola nivoady ny hanohy ny hetsi-panoherana [5] ny hetsiky ny tanora izay miampanga ny fisian'ny kolikoly avo lenta, ny fisamborana politika ary ny fitondram-panjaka izay mbola manana fahefana mpanatanteraka mihoampampana.

Niely tahaka ny afo ny fanambarana ny fanafahana an'i Mouad tao amin'ny Facebook sy Twitter. Maro ny mpanohana ny Al Haked no nirohotra tany amin'ny Fonjan'i Okacha ao Casablanca mba hiarahaba azy. Nivoaka ny fonja sady niedinedina i Mouad [6] nihiaka hoe “Ho ela velona ny vahoaka”.

Larbi [7], izay nanentana ho amin'ny famoahana an'i Mouad, nizar [8]ny sary voalohany fanafahana ilay mpangaly rap:

[9]

Saripika Omar Radi, nizara azy Twitter i @Larbi_org

Fotoana fohy taorian'ny famoahana azy dia niverina an-tsehatra izy. Tao anaty fampisehoana tsy nomanina teo akaikin'ny fonenany no nihorakora-pifaliana niaraka tamin'ny mpanohana azy izy (lahatsary navoakan'i  direlibghiti [10]):

Omar Radi mitantara ny sehatra [11] [fr]:

Les gamins du quartier chantent par choeur avec #Freehaked. Concert improvisé, sono pourrie, mais tout le monde est joyeux.

Mihira an-tsinjery miaraka amin'ny #Freehaked ny ankizy. fampisehoana tsy voaomana, feo ratsy dia ratsy saingy faly daholo ny rehetra.

Teo ihany koa i Aida Alami. Nisioka izy [12]:

Mouad on the stage… Big celebration in mouad's neighborhood to celebrate his new freedom

Miaka-tsehatra i Mouad…Firavoravoana lehibe ataon'ny manodidina ho fankalazana ny vaovao fanafahana azy

Hasna Ankal [13] mieritreritra fa tokony hahay mampiasa ny “fahombiazana” azon-dry zareo ry zareo ka hitaky fanafahana “gadra politika” bebe kokoa. Nizara ity afisy [14] ity tao amin'ny Twitter izy:

[14]

Afaka i Al Haked, Izao indray afaho daholo ny rehetra – Namoaka i Hasna Ankal

Rehefa nanapa-kevitra ny hamoaka an'i Mouad ny mpitsara tamin'ny alakamisy dia tahaka ny nivaly ihany ny ezaka lanin'ny mpikatroka. Am-bolana tokoa no nihazakazaka ny fanentanana an-tserasera, tamin'ny alalan'ny vohikalany [15], Takelaka Facebook [16] ary kaonty Twitter [17], sy ivelan'ny serasera, fikarakarana valandresaka sy sit-ins, manangona mpanohana maromaro kokoa sy olom-panta-bahoaka hiara-dalana amin'izy ireo.

Saingy mitoetra ho “fandresena mafaitra” ihany ny didy nivoaka tamin'nyalakamisy ho an'ny mpikatroka toa an'i Maria Karim [1], izay voalohan-daharana tamin'ny hetsika fanafahana an'i Haked. Ny tena marina nodidian'ny [18][fr] mpitsara dia voaheloka ho nikasi-tanana mpanohana ny fitondram-panjaka izy saingy nanapa-kevitra ny hamoaka azy satria efa nahavita ny efa-bolana nodidian'ny fitsarana ampiharina aminy izy.