- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kamerona: Nosamborina Fa Voampanga Ho Mpangalatra Ilay Mpanoratra sady Mpamaha-Bolongana Enoh Meyomesse

Sokajy: Afrika Mainty, Kamerona, Fahalalahàna miteny, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka

Enoh Meyomesse, mpanoratra Kameroney no sady mpamaham-bolongana [1] no voasambotra tamin'ny 22 Novambra 2011, tao antseranam-piaramanidina Nsimalen ao Yaoundé, ao Kamerona [2], raha avy tany Singapore izy. Nampangain'ny fitsarana ady miaramila Bertoua, ao atsinanan'ny firenena,  ho nangalatra izy ka notazomina tao amin'ny fonjan'i Nkondengui ao Yaoundé, izay efa feno hipoka araka ny fanadihadiana nataon'ny Amnesty International ka tsy voahaja intsony ny zon'ny voafonja ao [3].

Niteraka fihetseham-po marobe teo anivon'ny tontolon'ny bilaogy Kameroney ny fisamborana an'i Enoh Meyomesse.

 

Enoh Meyomesse and his alleged accomplices - Military Tribunal of Bertoua - From Patrica Nganang Public Facebook profile [4]

Enoh Meyomesse sy ireo voarohirohy ho mpiray tsikombakomba taminy- Fitsarana Ady Miaramila Bertoua – Sary avy amin'i Patrica Nganang tao amin'ny Facebook

Tamin'ny volana Octobra 2011, nifidy [5]indray [5] an'i Paul Biya [5]faninenina ho filoha i Kamerona , taorian'ny fifidianana somary voatsikera [6] be ihany, izy no nahazo ny laharana faha 40 amin'ireo firenena Afrikana 53 amin'ny resaka fitantanana sy zon'olombelona, araka ny fanadihadiana tamin'ny 2011 nataon'ny Fikambanana mpanao asa soa Mo Ibrahim [7].

Paikady politika ho entina hanenjehana an'i Enoh Meyomesse?

Ity manaraka ity ny lahatsoratra nosoratan'ilay mpanao gazety Juliette Abandokwe tao amin'ny bilaoginy mitondra ny lohateny hoe “Kamerona: Paikady Politika Hoentina Hanenjehana an'i Enoh Meyomesse, sy ny mpisintaka ary ny manan-kevitra be loha [8]“. Hoy izy nanoratra:

L'illustre détracteur de la machine à terroriser du régime Biya, victime aujourd'hui d'un complot digne des années staliniennes les plus sombres, est accusé de “vol aggravé et de détention d'armes de combat”. C'est avec ce chef d'accusation inventé et orchestré de toutes pièces, que Meyomesse est présenté au public et à la presse en tant que “bandit de grand chemin”, en compagnie de ses soi-disant trois complices, dans un climat d'humiliation extrême.

Ilay malaza amin'ny fitsikerana ny fitantanana mpampihorohoron'ny fitondrana, no niharan'ny paikady mitovy tanteraka tamin'ny fotoana ratsy indrindra tamin'ny vanim-potoana staliniana, voampanga ho nahavita “halatra bevava miampy fihazonana fitaovam-piadiana izy.” Noho izany fiampangana noforonina sy efa noketrehina fatratra izany, naseho teo imasom-bahoaka sy ny haino aman-jery i Meyomesse fa “jiolahy avolenta”, miaraka amin'ireo lazaina fa mpiray tsikombakomba telo hafa, fanalam-baraka tanteraka no natao azy tamin'izany.

Joël Didier Engo nanohy tao amin'ny bilaoginy [9] hoe:

Ce serait le gag de noël au Cameroun de Paul BIYA: “Enoh MEYOMESSE à la tête d’un gang de braqueurs d’or dans l’Est du Cameroun…” De quoi perdre la raison, y compris dans ce pays coutumier des campagnes publiques de délation et de lynchage, orchestrées en haut lieu contre tous les empêcheurs de tyranniser en rond

Io izany no ho mampihomehy ny ao Kamerona amin'ny noely ho an'i Paul BIYA: “Enoh MEYOMESSE no lohan'ny jiolahy mpangalatra volamena ao atsinanan'i Kamerona…” Mahamenatra tokoa izany, indrindra ho an'ny firenena zatra manao fiampangana  ampahibemaso sy ny famonoana olona tsy notsaraina, nomanina avy any amin'ny mpitondra ambonimbony any mba hisamborana ireo tsy manaiky ny isian'ny jadona.

Tao amin'ny Facebook, mamoaka sary sy vaovao matetika mikasika ny fanagadrana ny mpiara miasa aminy ilay mpanoratra Patrice Nganang [10] . Nanjary niteraka adihevitra be teo amin'ny mpiserasera Kameroney ihany koa ny mombamomba manokana ity mpanoratra ity. Amougou Herman ohatra naneho hevitra [10] hoe:

Je pense que ce qui se passe au cameroun aujourdhui en politique, est le véritable problème qui mine les pays en voie de developpement de toujours penser que celui qui ne partage pas nos opinions est notre ennemi . le problème devient d'autant plus grave lorsqu'on a en face une machine judiciaire corrompue qui ne fait pas son travail.

Inoako fa ny zava-mitranga ankehitriny momba ny politika ao Kamerona, no tena olana mamely ny firenena andalam-pandrosoana maro mihevitra fa ireo izay tsy mitovy hevitra aminy dia fahavalony. Niharatsy ny olana rehefa anjakan'ny kolikoly ny fitantanan-draharaha ara-pitsarana tsy manao ny asany.

Fijoroana vavolombelona nataon'i Enoh Meyomesse

Afaka nihaona tamin'ny Jean-Bosco Talla i Meyomesse, mpanao gazety ao amin'ny gazety Germinal [11] ao Kamerona, izay nitsidika azy tao amin'ny fonjan'i Nkondengui tamin'ny 31 Desambra 2011. Meyomesse nitantara ny fandehan'ny fisamborana azy [11]:

À mon retour le 22 novembre 2011, si mes souvenirs sont exacts, dans le hall de l’aéroport international de Nsimalen, j’aperçois deux personnes qui brandissent une de mes photos (…). Je me dirige vers ces personnes pour chercher à savoir ce qui se passe et tenter de comprendre d’où leur vient ma photo. Soudain, l’une des personnes me fait savoir que je suis en état d’arrestation. C’est plus tard que j’apprends qu’il s’agissait du colonel Oumarou Ngalibou, commandant de la légion de gendarmerie de l’Est-Cameroun. Je suis conduit manu militari au secrétariat d’État à la défense (Sed) à Yaoundé où on me livre à deux enquêteurs pour exploitation. C’est au moment de l’interrogatoire, quand les enquêteurs me demandent de leur indiquer notre cache d’armes que j’apprends que je serais à la tête d’un gang de braqueurs et qu’en complicité avec des forces étrangères, nous serions en train de fomenter un coup d’État. (…)

Raha tsaroako tsara, raha iny niverina hody aty Kamerona aho ny 22 Novambra 2011, nahita olona roa nilanja ny sariko aho tao amin'ny efitra lehiben'ny Seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Nsimalen (…) Nanatona ireo olona ireo aho mba ahafantatra ny antony hilanjany ny sariko. Tampoka teo, nilaza tamiko ny iray tamin'ireo fa samborina aho. Taty aoriana vao fantatro fa ny Kolonely Oumarou Ngalibou io olona io, mpifehy ny zandarmaria ao atsinanan'i Kamerona. Noterena ho an'ny amin'ny sekreteram-panjakana misahana ny Fiarovana  (Sed) ao Yaoundé aho. Nandritra ny famotorana natao ahy, nanontaniana ny toerana fanafenana ny fitaovam-piadiana no fantatro fa nampangaina ho lehiben'ny jiolahy mpangalatra aho ary miray tsikombakomba amin'ny tafika vahiny mikonokonona fanonganam-panjakana. (…)

Meyomesse nanohy hoe:

Le 21 décembre 2011, un gendarme vient nous demander de nous apprêter. Quand nous sortons de nos cellules, nous sommes surpris de nous retrouver au milieu d’un attroupement dans la cour de la légion de gendarmerie de l'Est à Bertoua. Une mise en scène destinée à nous présenter au public comme de vulgaires malfrats. Il se dit que presque toutes les autorités de la ville de Bertoua étaient présentes. Les populations, les journalistes, les photographes y étaient également. Menottés, ils ont donné à chacun de nous des papiers sur lesquels ils avaient pris soin d’écrire nos nom, âge et le soi-disant motif de notre arrestation (…) C’est après cette mise en scène que nous avons été transférés à Yaoundé. Le jeudi 22 décembre 2011, nous sommes passés brièvement devant le tribunal militaire qui a décidé de nous placer en garde-à-vue à la prison centrale de Kondengui.

Tamin'ny 21 Desambra 2011, nisy zandary tonga nampiomana anay. Raha nivoaka ny efitra nitazonana anay izahay dia gaga raha nahita ireo miaramila marobe manodidina anay tao an-tokontanin'ny zandarmaria ao Bertoua. Fihetsika efa nomanina mba hampisehoana anay eo imason'ny vahoaka fa olon-doza mpanao heloka izahay. Nolazaina tamin'izany fa saiky tonga tao daholo ny manampahefana ao an-tanànan'i Bertoua. Mponina, mpanao gazety, mpaka sary samy tao avokoa. Nasiana rojovy ny tananay, nomen'izy ireo taratasy tsirairay avy izahay izay nasiany ny anaranay, ny taonanay ary ny antony nisamborana anay. (…) Nafindra tao Yaoundé izahay taorian'izany tranga izany. Tamin'ny Alakamisy 22 Desambra 2011, niatrika fohy ny fitsarana ady miaramila izahay  izay nanapa-kevitra hamindray anay hofonjaina vonjimaika any amin'ny Fonjaben'i Kondengui.

Naneho hevitra [12] mikasika ny raharaha nandritra ny fihaonana tamin'ny mpanao gazety tamin'ny volana Desambra ny Minisitry ny Fifandraisana Kameroney, Issa Tchiroma Bakary. Araka ny voalazan'ny gazety Kameroney, nanambara ny minisitra fa ny mpiray tsikombakomba tamin’ i Enoh Meyomessey mihitsy no nilaza fa nandray anjara tamin'ny halatra mitam-piadiana tamin'ny toby fitrandrahana iray izy  tamin'ny volana Novambra:

… “vu qu'il s'agit d'un vol à main armée, Enoh Meyomesse est mis à la disposition du tribunal militaire”.

… “satria halatra mitam-piadiana no niampangana azy, nalefa teny amin'ny fitsarana ady miaramila i Enoh Meyomesse “

Nisy ny fanentanana fanangonam-bola [13] nataon'ny Aterineto Tsy Misy Sisintany [14] (Internet Without Borders) mba hiantsona ireo mpisolovava manerantany hiaro an'i Enoh Meyomesse ahafahany mampiasa ny zony ho arovana.