- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Rising Voices: Fifaninanana Volavolan-Tetikasa Hanitarana Ny Valantserasera

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices

Fara-fisoratana anarana: Zoma, 3 Febroary  2012 amin'ny 11:59 hariva ora GMT

Anisan'ny andraikitra voalohany sahanin'ny Rising Voices ny manohana sy mandrisika vondrom-piaraha-monina tsy ahitana na tsy manana solontena eto amin'ny tahalaben-tserasera ka fomba iray ahafahan'izy ireo mikirakira fitaovana  fampahalalam-baovao an-tserasera ny fametrahana famatsiana ara-bola ireo tetikasa madinika mampiroborobo ny fampiasana ny media sosialy. Nahafahan'ny tsirairay, ny vondrona fototra, sy ny tambazotra ary ny fikambanana hafa tsy afa-mahazo famatsiana goavagoavana  manofana ny hafa ao amin'ny fiarahamonina misy azy hahay hampiasa ireny fitaovan-tserasera ireny ny famatsiana tahaka itony, hatramin'ny 2007, ary ahafahana manohana izay eo ampanatanterahana azy koa.

Faly ny Rising Voices milaza fa misokatra ny fisoratana anarana 2012 amin'ny tetikasa famatsiambola fanolorana volavolan-tetikasa madinika hovatsiana ary ekenay ireo tetikasa hovatsiana hatramin'ny 4,000 dolara ny ambony indrindra ho an'ny tetikasa rehetra amin'ny ankapobeny.

Iza avy no afaka mifaninana

risingvoices1.jpgMisokatra ho an'olo-tsotra, vondrona ary fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana (ONG), ny fifaninanana. Mandrisika ny fiaraha-miasa tsara eo amin'ny tsirairay sy ny fikambanana izahay. Ohatra, raha tsy manana mpampiofana manana traikefa amin'ny resaka fampiasana valantserasera ny ONG, dia tsara  indrindra raha mitady fiarahamiasa amina vondrona mpamaham-bolongana izy ireo hahitany mpampiofana manana ny fahaizana ilaina amin'izany. Mety hahita tombotsoa amin'izany ihany koa ny olona iray te-handray anjara raha miasa miaraka amin'ny fikambanana avy amin'ny fiaraha-monina kendren'izy hokarakaraina mba hampisy fiantraikany tsara ny tetikasa.

Tsy voatery ho fikambanana tsy voasoratra anarana araka ny lalàna aza, saingy tsy maintsy manana kaonty amin'ny banky afaka andefasana vola avy any ivelany kosa izay manana tetikasa voafidy.

Karazana tetikasa manao ahoana no mety hovatsiana

Rising Voices dia mitady tetikasa izay mitovy tanjona aminay amin'ny fitondràna feo ny vondrom-piaraha-monina vaovao, sy ny tenim-pirenena tsy dia andrenesam-peo eo amin'ny dinidinika iraisam-pirenena amin'ny alalan'ny fampiasàna fampielezam-baovaon'olon-tsotra. Ny asa voalohany tokony ataon'ny tetikasa dia ny manome atrikasa fanofanana ny fitaovana fampielezam-baovaon'olon-tsotra ho an'ny vondrom-piaraha-monina kinendry, ary eo koa fanohanana sy fitarihan-dalana tsy tapaka ho an'ireo mpandray anjara. Tsidiho ny lisitr'ireo tetikasa eo ampanatanterahana [1] sy eo ampanolorana [2] novatsiana raha te-hahita santionany amin'ireo tetikasa efa novatsiam-bola ianao.

Ohatra amin'ireo tetikasa afaka mandray anjara:

Tsy voafetra amin'ireo tsy akory ny volavolan-tetikasa, manasa anao izahay hanana famoronana sady mahalala ny zavamisy [realista] amin'ny tolo-tetikasanao.

Fomba fandraisana anjara

Ireo liana te-handray anjara dia tokony hameno ny “taratasy” fandraisana anjara fenoina amin'ny aterineto (ato ny rohy [3]), izay tokony ahitàna ny tetibola amin'ny antsipiriany ihany koa. Tena zavadehibe tokoa ho an'ny mpandray anjara ny manaraka ny isan'ny voambolana amin'ny fitarihan-dalana isaky ny fanontaniana.

Raha te-hisintona ilay “taratasy” fandraisana anjara ianao mba hamitàna izany ivelan'ny aterineto ka hampiakatra azy indray avy eo, sintony ato ny antontan-taratasy eto [4] (endrika Google Doc). Na izany aza dia tsy maintsy tafapetraka an-tserasera avokoa ny taratasy fandraisana anjara rehetra ary tsy manaiky tovana fanampiny izahay. Vantany vao tafapetrakao ny fandraisana anjara dia hahita fanamafisana an'efijery tahaka izao ianao [5]. Na dia mandray sy mandrisika ireo tetikasa rehetra avy amin'ny vazantany efatra aza izahay dia amin'ny teny Anglisy no tsy maintsy hanaovana ny fandraisana anjara rehetra satria io no teny iraisan'ny vaomiera.

2000$ ka hatramin'ny 4000$ ny famatsiam-bola ataon'ny Rising Voices. Mila mandinika lalina ianao, atao mazava tsara, ary mandresy lahatra araka ny tokony ho izy ny fanaovana ny tetibola. Ampirisihana ireo mpandray anjara mba handefa tetibola latsaky ny 4000$ satria ahafahanay mamatsy tetikasa bebe kokoa izany.

Ny fisoratana anarana dia mifarana ny 3 Febroary 2012 amin'ny 11:59 alina GMT(Azafady amarino tsara [6] ny oran'ny toerana misy anao amin'izany fotoana izany). Hojeren'ny vaomiera ao amin'ny tompon'andraikitra sy mpirotsaka an-tsitrapo avy amin'ny Gobal Voices ny volavola, ary hanamarina ihany koa ireo mpikambana amin'izay efa novatsian'ny Rising Voices teo aloha. Hambaranay alohan'ny 28 Febroary 2012 ireo hahazo ny famatsiam-bola

Adidy aman'andraikitry ny nahazo Famatsiam-bola

Ireo tetikasa nekena dia hasongadina amin'ny tambajotran'ny Global Voices. Tsy maintsy hanao sonia fifanekena amin'ny famatsiam-bola ireo hovatsiana, izay ahitàna ny fitantanam-bola, ny fanaovana tatitra, ary fifanekena hafa momba ny fomba hizaràna ny famatsiam-bola. Tsy maintsy hamoaka fanampim-baovao momba ny tetikasa matetika amin'ny vohikalan'ny Rising Voices, hifandray matetika amin'ny tompon'andraikitry ny Rising Voices, ary koa handray anjara mavitrika amin'ny vondrom-piaraha-monin'ny Rising Voices.

Aza misalasala mametraka fanontaniana ao amin'ny famelàn-kafatra na amin'ny alalan'ny mailaka amin'ny eddie [arobazy] globalvoicesonline [teboka] org.

Mazotoa ary ô!