Syria: Tolona ho amin'ny Fahafahana Sy Famaranana Ny Fahanginana
Hatramin'ny volana Martsa 2011, tonga hatrany Syria ny fitroarana niainga tao Tonizia sy Ejypta, an'arivony ireo namoy ny ainy tamin'izany ary an'aliny kosa ireo nosamborina sy tsy hita popoka. Miatrika famoretana tsy mbola nisy hatrizay sy ady atao amin'ny haino aman-jery hanalana endrika fanoherana amin'ny endriny rehetra ny mpikatroka Syriana.
Na dia izany aza, nameno ny aterineto ny hafatra navoakan'ireo mpiserasera izay miezaka mamaky ny rindrin'ny fitantarana arahin'ny fanjakana maso. Mampiseho fanadihadiana nosafidiana manokana tamin'ireo votoaty navoakan'olon-tsotra an-tserasera ity lahatsoratra ity izay mampahafantatra ny tolom-bahoaka Syriana ho amin'ny fahalalahana sy ny fahamendrehana, ary koa ny fiafaran'ny fahanginana nandritra ny efapolo taona.
Adin'ny Fahanginana sy ny feon'ny mpiserasera
Nahafahan'ny fitondrana nampangina ny vahoaka sy ny fahazoana ny fankatoavana iraisam-pirenena ny fananaraha-maso nataon'ny fanjakana tamin'ny haino aman-jery Syriana am-polony taona. Ny governemanta Syriana no tompon'ny tsenan'ny fifandraisan-davitra ao amin'ny firenena, ny feno lalàna indrindra ao amin'ny faritra, ary voarara tsy hiditra ao amin'ny firenena ny mpanao gazety iraisam-pirenena. Mampiseho ireo mpanao fihetsiketsehana mitampim-bava manome hafatra mahery vaika avy ao amin'ny “tanàna nodoboina ao Kafar Nabel” ity sary ity. :
Inona no atahoranareo?
Nandritra izay volana vitsivitsy lasa izay, nitolona tamin'ny rindrin'ny tahotra nanjaka nandritra ny 41 taona ny Syriana. Ahitana tovolahy iray mitafa amina lahy antitra iray ity lahatsary niparitaka be tamin'ny serasera ity, mitanisa ny antony nampatahotra azy sy ny famporisihana azy tsy hihorohoro. Nofaranany toy izao ny resany “Ny fahanginanao no fitaovana mahery indrindra eo am-pelantanan'izy ireo”.
Mba hanampiana ny voalaza, Samar Dahmash Jarrah ni-tweet hoe:
Tahaka ny nofimitsangana ny mandefa fahitalavitra ka mahita Syriana an'aliny mihiaka Fahafahana Fahafahana, fa tsy izany intsony!
Fampanginana ny mpanao fihetsiketsehana
An'arivony ireo mpanao fihetsiketsehana namoy ny ainy hatramin'ny fiandohan'ny fitroarana tao Syria ny volana Martsa . Niteraka fanafintohinana sy fahatezerana noho ny halozan'ny fitondrana ny fahafatesan'ilay tovolahy Syriana 13 taona Hamza al-Khatib, maty novonoina an-kerisetra nandritra ny fitazonana azy am-ponja. Mpanao fihetsiketsehana milamina an'arivony tahaka an'i Ghiath Matar, 26 taona, avy ao amin'ny manodidina an'i Damaskosy, Daraya, koa no niharan'ny herisetra toy izany. Fantatra fa Ghiath no mpitari-kevitra tamin'ny fampiasana tavoahangy misy rano ary voninkazo ho valin'ny herisetra sy ny basin'ny mpitandro ny filaminana.
Taorian'ny fahafatesany tamin'ny 10 Septambra, namoaka fanambarana iombonana milaza ny nofinofin'i Ghiath sy ny antony nahafatesany ny Vaomiera Mpandrindra ao An-toerana :
Niandrandra fiterahana roa i Ghiath: ny fahaterahan'ny zanany vavy izay tsy mba notrotroiny akory, ary ny fahaterahan'ny fahafahana vaovao, marina sy demokratika ao Syria, izay tsy mba ho hitany akory kanefa kosa ho fahatsiarovana azy mandrakizay izany. Mpanohana ny tolona milamina i Ghiath sy ny namany ao Daraya. Nihevitra izy fa tsy hisy izany Syria afaka sy mandroso izany raha tsy amin'ny alalan'ny tolona milamina ataon'ny vehivavy sy ny lehilahy Syriana manoloana ny herisetran'ny fitondrana, tolona am-pitiavana hanoherana ny lahateny miendrika fankalahana, sy ny tsy ampiasana ny fanaon'ny mpanapa-doha sy ny fitaovany.

Eo ankavia: martiora Ghiath Matar; eo ankavanana: Yahia Shurbaji nogadraina. Sary avy amin'i razanghazzawi.com.
Bilaogera Syriana @Bsyria ni-tweet:
RIP Ghiath Matar. mpitolona milamina i Ghiath. Zatra manolotra voninkazo sy rano amin'ireo miaramila ao Daraya izy . Nampijaliana ho faty izy. #Syria
Mampangina ny mozika
Raha misy hira iray tahaka ny hira fanevan'ny revolisiona Syriana, dia ny hoe “Yalla Irhal ya Bashar” (fotoana hialana izao, Bashar), izay noventsoin'ilay mpanakanto Hama Ibrahim Kashoush. Tamin'ny 5 Jolay, hita fa maty i Kashoush, noesorina taminy ny hoza-peony, toy ny valifaty noho ny esoeso nataony tamin'i Bashar Al-Asad izany. Na izany aza, niely hatrany ny feony amin'ny alalan'ny lahatsary misy ny fihetsiketsehana ao Hama, izay tsy azo nampanginina :
Bilaogera Saodiana Ahmad Al-Omran, mpianatra asa ao amin'ny NPR, mandany ny fotoanany amin'ny fandrindrana ireo lahatsary sy vaovao momba an'i Syria alefan'ny mpiserasera. Aorian'ny asany, ni-tweet izy hoe:
Inona ny fandaharam-potoanako faran'ny herinandro? Rehefa vita ny fijerena ireo lahatsary rehetra avy ao #Syria androany, tsy misy dikany intsony izay ho fandaharam-potoanako.
Mampangina ny vazivazy
Mpanao sariitatra Syriana malaza Ali Ferzat, filohan'ny Fikambanana Mpanao sariitatra Arabo, namoaka sariitatra ahitana an'i Bashar Al-Assad mitazona valizy ary mihazakazaka hiditra ao anaty fiara entin'i Gaddafi. Novonoina an-kerisetra i Ferzat tamin'ny 26 Aogositra ary tapaka ny tanany anankiroa noho ny “vazivazy nataony tamin'ny filohan'ny Syriana.”
@Freedom_7uriyah ni-tweet hoe:
Ny tiako lazaina amin'i Assad, jereo akaiky tsara i #Libya, ianao indray no manaraka. #AssadLies tsy hitondra anao ho aiza ny lainga
Fampanginana mpanao gazety sy mpamaham-bolongana
Nampivarahontsana ny fitomboan'ny lisitr'ireo mpanao gazety sy mpamaham-bolongana novonoina ho faty, nosamborina, nampijaliana hatramin'ny fiandohan'ny fihetsiketsehana tamin'ny volana Martsa. Mpaka sary Ferzat Jarban no hita faty tamin'ny 20 Novambra, nipotsaka ny masony tamin'izany. Naka sarin'ireo mpanao fihetsiketsehana manohitra ny fitondrana izy tao an-tanànan'i Al-Qasir, Hama.
Kinendrin'ny governemanta ihany koa ireo mpamaham-bolongana tahaka an'i Hussein Ghrer sy Razan Ghazzawi, iray amin'ireo mpamaha bolongana fanta-daza no sady mpandray anjara taloha tato amin'ny Global Voices Online. Razan, voampanga ho “nanohintohina ny filaminam-pirenena sy nikasa hampiteraka ady an-trano”, noafahana tamin'ny 18 Desambra izy, saingy maro ireo hafa mbola any am-ponja sy tsy hita popoka.
Bilaogera Syriana @anasqtiesh ni-tweet tahaka izao;
”Manohintohina ny filaminam-pirenena, sy mikasa hampiteraka ady an-trano” no tokony hampangaina an'i Assad. #Syria#FreeRazan
Nahazo ny fanohanana manerantany ny Syriana
Satria mbola mitohy ny fitroarana ao Syria, ary na dia eo aza ny fikasana hampanginana ireo mpitolona, teo foana ny firaisankinan'ny vahoaka Syriana. Fandraisana andraikitra an-tserasera marobe no nampiseho fa nanjary mazoto mamorona kokoa ny mpitolona mba hisarihana ny sain'izao tontolo izao mikasika ny zava-mitranga mitohy ao Syria.
Mangataka ireo olona mba handray anjara amin'ny lahatsary ho firaisankina miaraka amin'ny mpanao fihetsiketsehana ny fanentanana ataon'ny SitIn Syriana ao amin'ny YouTube notontosain'ny fikambanana avy ao an-toerana mampahalala vaovao. Ahitana kinova maromaro ny fanambarana hita ao amin'ny lahatsary navoaka tao amin'ny kaonty:
@honestmenofsyri ni-tweet hoe:
Syria 2012
Satria efa nifarana ny taona 2011, nanomboka nampiasa teny fototra #Syria2012 ny mpitolona Syriana mba hanehoana ny ampitson'ny Syria – Syria ho amin'ny fahafahana, fahamarinana ary fahamendrehana. Fadi al-Qadi ni-tweet hoe:
Syria2012 “Amin'izany taona hoavy izany, ho lasa filoha teo aloha i Bashar Al-Assad”
Mouhanad Abdul Hamid nanampy hoe:
Handeha hiditsika ireo fianakaviako aho ary hiverina hody an-tranoko any Damaskosy ao Syria amin'ny 2012 taorian'izay taona maro nialokalofana izay.
Nora Bashra nanamarika:
Syria 2012, teny hivalona ho amin'ny lasa ny hoe “fampijaliana”. #Syria
Nour al-Ali nanantena fa:
Ahmad Ibn Rashed Ibn Said namarana hoe:
Tsy ahitana jiolahy sy kadradraka intsony ny Syria2012, ho afaka amin'ny amboadia sy ny alika, ary feno orokoroka sy finamanana
Sokajy

Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...