- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Venezoela: Niteraka Resabe ny Fitsidihana Nataon'i Mahmoud Ahmadinejad

Sokajy: Amerika Latina, Iràna, Venezoela, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Politika

Tonga tao Venezoela [1] ny filoha Iraniana, Mahmud Ahmadinejad [2], tamin'ny Alahady 8 Janoary, fitsidihana voalohany amin'ny fitetezam-pirenena ataony izay mbola hitohy ao Nikaragoay, Kiobà ary Ekoatera. Niteraka resabe teo amin'ny valantserasera ny fitsidihana nataony, ka nampametram-panontaniana ny mpiserasera raha hitondra tombotsoa ho an'ny firenena na tsia ny fahantongavany.

Tao amin'ny Twitter,  nitsikera ny fahatongavan'i Ahmadinejad sy ny fandraisan'ny governemanta Venezoeliana azy ny mpisera Twitter sasany. Luis Carlos Díaz (@LuisCarlos [3]) nanoratra hoe:

Dice mucho del Ministerio de la Mujer su no-pronunciamiento sobre la visita de Ahmadineyad

Milaza zavatra maro mikasika ny Minisitera misahana ny Vehivavy ny tsy fanambarana ny fitsidihan'i Ahmadineyad.

Mpamaham-bolongana Carlos Bauza (@CarlosBauza [4]) nanipy hevitra fa mety hisy fiantraikany amin'ny fifidianana filoham-pirenena hoavy izao ny fitsidihana ataon'i Ahmadinejad, raha ni-tweet toy izao kosa i  Garcilaso Pumar (@garcilasop [5]):

Mahmud Ahmadinejad es un tirano retrogrado, asesino y misógino. Chávez es un imbécil que le ilusiona ser todo eso. #Coneldebidorespeto

Olona mpanao didy jadona, mpamono olona tratra aoriana ary mpankahala vehivavy i Mahmud Ahmadinejad tsy tia fandrosoana. Adala i Chávez mientanentana ny amin'izany koa. #withallduerespect
[6]

Mahmoud Ahmadinejad, sary avy amin'ny mpisera Flick Parmida Rahimi (CC BY 2.0)

Nampiasa ny tenifototra #FueraAhmadinejadDeVzla [7] ny hafa mba hitaky ny Filoha Iraniana hiala ny firenana. Mpisera Twitter @PericoRipeado24 [8], ohatra, nitsikera ny fomba fandraisan'i Ahmadinejad's ny atao hoe fitsarana:

#FueraAhmadinejadDeVzla Porque tu justicia se ve en la horca, cuando tu pueblo roba es para comer

#MialaVzlaiAhmadinejad Satria natao hanantonan'olona (pendaison) ny fitsarana iadidinao, raha mangalatra noho nyhanoanana ny vahoakanao .

Nandritra izany, ni-tweet kosa ireo mpiserasera mpanohana ny filoha Chávez fa tongasoa i Amadinejad:

Basem Tajeldine (@BasemTajeldine [9]): Merece un reconocimiento la valentía d Ahmadineyad al visitar Vzla, Cuba, Nicarg y Ecu, antes “patio trasero” d USA, hoy paises soberanos

Mendrika fankasitrahana ny herim-po ananan'i Ahmadinejad hitsidika an'i Venezoela, Kiobà, Nikaragoa ary Ekoatera, omaly “toeram-pilalaovana” an'i Etazonia [ireo firenena ireo], amin'izao fotoana izao manana ny fiandrianany [izy ireo].

Justo Bustamante Ch. (@JustoBustamante) [10]: BIENVENIDO MAHMUD AHMADINEJAD PRESIDENTE REPÚBLICA ISLAMICA DE IRÁN Lider de la Revolución Iraní. LOS REVOLUCIONARIOS VENEZOLANOS te saludan

Tonga soa Mahmud Ahmadinejad Filohan'ny Repoblika Islamika Iran, Lehiben'ny Revolisiona Iraniana. Miarahaba anao ny Revolisionera Venezoeliana.

Carlos R. Franco (@CarlosRFrancoM [11]): Camarada Mahmud Ahmadinejad bienvenido a la tierra de Bolívar, patria libre, soberana y socialista… ¡Que chillen los escuálidos!

Ny kamarady Mahmud Ahmadinejad, tonga soa eto amin'ny firenen'i Bolivar, firenena afaka, manana ny fiandrianany ary sosialista… Avelao ny tery saina [mpanohitra] hitabataba!

Ity no fitsidihana voalohany nataon'i Ahmadinejad tao Caracas. Rehefa nivazivazy momba ny “baomba atomika goavambe [12]“, nifarana tamin'ny Alatsinainy 9 Janoary teo ny fitsidihana nataony, taorian'ny fanaovan-tsonia fifanekem-piaraha-miasa maromaro eo amin'ny firenena roa tonta, anisan'izany ny fifanekem-piaraha-miasa mikasika ny teknolojia amin'ny fanofanana momba ny “nano-siansa” [siansa zeny] sy ny “nano-teknolojia” [teknolojia zeny]ary ny fifanakalozana mpampianatra amin'izany sehatra izany.