- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Madagasikara, Etiopia: Varoboba tany lonaka

Sokajy: Afrika Mainty, Etiopia, Madagasikara, Fampandrosoana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna, Tontolo_iainana

Ny fikambanana “TANY [1]” izay miady hoan'ny fiarovana ny tany any Madagasikara no nanapariaka lisitra mitanisa ireo tany any Madagasikara efa ataon'ny vahiny ampihy mamba [2] [fr]. Mampahanfatatra ny rehetra ry zareo fa na ny varotra na ny fampanofana tany lonaka [3] amin'ny vidiny tsizarizary dia samy tena misy tokoa any Madagasikara [4] (2 euros/m2 any Nosy-Be ohatra) sy any Etiopia [5] [fr] (tany 2,500 km2 mihofa isan-kerinandro 180 euros). Tanisain'ny fikambanana Tany ho fanoharana ny fifanarahana ara-tany nifaovan'ny [6] fanjakana Etiopiana sy ny orinasa International Sannati Agro Farm Entreprises [7]. Izany fifanekena izany dia mamela malalaka ny orinasa Sannati group ho afaka haba tanteraka na amin'ny fampodiana renivola izany na amin'izay entana rehetra aondrany [6].