- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Zambia/Iran: Diplaomaty Teo Aloha Miantso ny Tandrefana Hifampiraharaha Amin'i Iran Amin'ny Alalan'i IAEA

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Afrika Mainty, Iràna, Zambia, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Politika

Mpanao politika maintimolaly Zambiana sady efa nisy fotoana efa diplaomaty natao ho solontena maharitry ny firenena tao amin'ny Firenena Mikambana i Vernon Mwaanga [1], izay nitafa tao amin'ny radion'olo-tsotra [2] niteny fa tsy tokony hanao tsinontsinona an'i Iran ny Tandrefana satria efa lasa Hery ara-nokleary izy izao.

Henoy teny anglisy internet radio [3] miaraka amin ny  Politicalcrossfire [4] ao amin ny Blog Talk Radio

Nametraka sazy an-katerena tamin'i Iran noho ny fandaharan'asa nokleary voatendry hampihenana ny vola raisiny avy amin'ny solika, fidiram-bolany voalohany [Iran] sy betsaka indrindra, i Etazonia sy ny Vondrona Eoropeana.

[5]

Mpanao politika Zambiana Maintimolaly Vernon Mwaanga. Sary nahazoana alalana t@ Zambian Watchdog.

Efa nisahana andraikitra maro tao amin'ny governemanta Atoa  Mwaanga [6] ka anisan'izany ny minisiteran'ny raharaham-bahiny izay notazoniny nandritra ny fitondran'ny filoha efatra farany tamin'ny dimy efa nitantana ny firenena hatrizay ary efa nitana ny andraikitra masoivoho tany amin'ny firenena maro ihany koa tahaka ny tany amin'ny Firaisana Sovietika tamin'ny fahatanorany, hoy ny Political Crossfire [7], iray amin'ny radio velomin'olo-tsotra Zambiana [8] ary mandeha amin'ny aterineto.  Nolazainy fa tokony hampiditra an'i Iran amin'ny alalan'ny International Atomic Energy Agency [9] [sampana iraisampirenena misahana ny angovo nokleary] na ny Ligy Arabo [10] na fikambanana hafa tahaka ny Firenena Mikambana hifampiraharahana fa tsy ifanandrinana ny Tandrefana.

Nandritra ny tafatafa tamin'ny 7 Janoary, no nilaza tamin'ny alalan'ny antso am-pinday niainga avy tao Lusaka, Zambia ny diplaomaty teo aloha :

[11]

Fango politika radio an aterineto Crossfire: Sarivongan ny Fahafahana ao Lusaka, Zambia. Sary : Vohikala Politika Crossfire.

Efa nifampiamboho (mifampitodi-damosina hoy isika ankehitriny) hatry ny taona maro i Iran sy ny Tandrefana ary matoky aho fa hahita vahaolana anaty filaminana ry zareo. Tsy safidy intsony ny manao tsinontsinona na ataon'i Iran tsinontsinona.

Nametraka sazy henjana tamin'i Iran noho ny fandaharan'asa nokleary ataony i Etazonia sy ny Vondrona Eoropeana. Nokendrena hampihenana ny vola raisin'i Iran amin'ny solika fidiram-bolany voalohany ny sazy.