Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Hong Kong: Hetsika Tselatra Fanoherana Marika Lafovidy Iray

Olona an'arivony no nanao fihetsiketseham-panoherana teo an-tokotany manoloana ny tsenam-barotra Dolce & Gabbana's ao amin'ny lalan'i Canton, toerana ivangongoan'ny mpizahantany ao Hong Kong indrindra, omaly (8 Janoary 2012).

Mivory ny olona, mikorotandrotana noho ny nataon'ny mpiambina ilay tsenambarotra Italiana malaza vao nandrara mpaka sary monina ao izay monina ao Hong Kong tsy hahazo hipika sary eo amin'ny lalana fandehanan'ny mpandeha an-tongotra eo anoloan'ny tranombarotra, milaza fa ny mpizahantany Shinoa avy any amin'ny Tanibe ihany no afa-manao izany.

Nanazava tamin'ny gazety tao an-toerana taty aoriana ilay tsenambarotra malaza fa ny toromarika dia ny hanakanana ny olona tsy hanitsakitsaka ny zo sy fizaka-manan'ny orinasa miranty ao anatin'ny varavaram-pampirantiana. Na izany aza tsy nohazavain'ny tsenambarotra ny fisian'ny politika roa misaraka apetraka ho an'ny mpizahantany avy any amin'ny Tanibe ao Shina sy ny ho an'ny mponina ao an-toerana.

Niely faingana tamin'ny Facebook ny domberina maherihery teo am-pandrenesana ny vaovao ary nisy ny antso hanatontosana hetsika tselatra ny zoma mba hiara-maka sary eo ivelan'ny D&G ho fanoherana ny politikam-panavakavahana. Tao anatin'ny andro vitsy, nihoatra ny 17.722 ny olona nanendry ny bokotra hanohana ny hetsika ao amin'ny takelaka momba ny hetsika. Mampiseho ny zavamisy tamin'ny Alahady ny lahatsary YouTube etsy ambany, raha mitaky ny hanaovan'ny D&G fialantsiny ampahibemaso ny mpanao fihetsiketsehana:

Nihoatra ny valo ora no nijoroan'ireo tangoron'olona teo ivelan'ny tsenambarotra. Eto ambany ny sarin'i Bird's-eye tamin'ny fihetsiketsehana:

Saripika Mr. Lee


 

Nahoana no tezitra ny mponina tao Hong Kong tamin'ity indray mitoraka ity? Manazava ny toe-draharaha ao amin'ny takelaka Facebook-ny ny Profesora Wan Chin, olomangan'ny mpitaky fizakantenan'ny tanàna:

反對D&G歧視香港人,捍衛香港人的尊嚴,不滿大陸孕婦、大陸遊客和水貨客搞壞香港,是香港人的真感情。我昨日回元朗,婆婆看見電視新聞報道,以為是一般示威抗議,完全不知發生什麼事,但後來知道D&G和海港城只准大陸人影相,禁止香港人拍攝,立即開罵,說商店靠香港人養大,現在討好大陸客,反面無情,豈有此理。她罵到聽唔到口,比我還要激(按:我其實是不激的)。此事說明一切。這是真實的香港人感情。昨日也有好多低下階層的老人家去示威,並接受報紙訪問,也說明一切。

Ny hetsika dia ho fanoherana ny fanavakavahana ataon'ny D&G amin'ny mponina ao Hong Kong sy ho fiarovana ny voninahitry ny vahoakan'i Hong Kong. Tezitra loatra amin'ny vehivavy bevohoka, mpizahantany ary mpanao trafika avy any amin'ny Taniben'i Shina ny olona. Manimba ny rafi-piarahamonina ao Hong Kong izy ireny. Izay no tena fahatsapan'ny mponina ao Hong Kong. Omaly raha nody an-trano tany Yuen Long aho dia nijery fahitalavitra ny vadiko ary nieritreritra hoe fihetsiketsehana hafa toy ny mahazatra io. Taty aoriana fantany fa ny Shinoa amin'ny Tanibe ihany no mahazo maka sary eo amin'ny D&G sy ny Harbour Plaza ary norarana ny mponina ao an-toerana tsy hanao izany, niaka-pofona ny anao vavy ka navoitrany fa efa hatramin'ny nanorenana ny tranon'izy ireny ny mponin'i Hong Kong no mpanjifa taminy, nefa ankehitriny dia ny mpizahantanin'ny Tanibe ihany no ifantohan'izy ireo ka mahatafintohina ny mponina ao an-toerana izany. Mora entim-po tokoa izy ka tsy mitsahatra ny manompa azy ireo. Izany no tena fahatsapana. Omaly aho dia nahita ny zokiolona nanao fihetsiketsehana ihany koa.

Nandray anjara tao amin'ny fihetsiketsehana ny olona iray nitafy tahaka an'i Iron Man ary nanazava tamin'ny fahitalavitra tao an-toerana fa tonga hiady ho amin'ny rariny izy:

Saripika Be-linda Kwan, Facebook

Chan King Fai, mpanentana ao amin'ny radio, manazava ny mahadiso ny D&G:

什麼是别太D&G?
1:别無常識(市民在街上的活動不由名店後花園的保安干涉);
2:别拜金(迷信掃貴貨的内地豪客才可拍攝);
3:别忘本(名店不要擺一副高高在上的姿態。你佔用了香港這個品牌、佔據了尖沙咀市中心的景觀,才有人流生意。不尊重這地方的人的生活,是忘本)。

Inona no mahadiso ny D&G?
1. Tsy manana ny fahatsapana iraisana (Fa ahoana no ahafahan'ny mpiambina an-dry zareo manelingelina amin'izao ataon'ny olona eny an-dalambe?);
2. Ny vola no voalohan-daharana (Nahoana no ny mpanankarena avy any amin'ny Tanibe Shinoa ihany no mahazo maka sary ivelan'ny tranombarotra?)
3. Mamadika ny olona ao an-toerana sy ny tenany ihany izy (Mirehareha loatra ny orinasa. Manana ny fahandraharahanao ianao satria niorina teto Hong Kong, mibodo ny afovoan-tanàna. Rehefa tsy manaja ny fomba fiainan'ny mponina eto an-toerana ianao dia mamadika ny fototra niorenanao.)

Yvonne Leung mino fa ankoatra ny fanoherana ny fanavakavahana, ny tanjona farany dia ny hitaky ny arabe:

好一個公共空間被商業霸權侵吞、城市過度管理的問題,卻很大程度被演繹為歧視與族群矛盾。難道公平的意義在於,自由行也不許影相,然後大家就收貨?

Ny mampîady hevitra eto dia ny sehatra ho an'ny sarambambe bodoin'ny orinasa sy ny fitantanana tafahoatra ny tanàna. Saingy ankehitriny dia lasa adika tafahoatra ho fanavakavahana  sy adim-poko ilay izy. HIvaha ve ny olana raha mampihatra lalàna mitovy ho an'ny mpizahantany avy any Shina Tanibe ny tsenambarotra, mandrara azy ireo tsy hahazo haka  sary ihany koa?

Runaway Szeto miezaka ny manangana adihevitra ao amin'ny Golden Forum amin'ny valeran'ny tanàna:

D&G事件根本就係嘥9氣!

點解香港會有咁多名牌鋪頭?點解香港會有咁多人用名牌?點解香港賣水貨名牌二手名牌賣到可以上市?就係本身香港人愛名牌、貪慕虛榮、骨子裡就愛階級歧視、資產歧視,愛用名牌去define別人的”層次”, 用名牌去告訴別人自己的”層次”。

現在, D&G就告訴香港人: 花得起錢的才夠”層次”, 我們只歡迎夠”層次”的人. 香港人已經不夠”層次”了…

今日D&G的態度, 根本正正是香港人的日常生活態度, 不過, 現在是到了自己被階級化的的時候, 心裡不好受, 就去高舉 “眾生平等”的旗幟。

還跑去包圍人幫人做宣傳…難道他的生意額會因此下降嗎? 正一傻的嗎9

掉返轉, 如果香港人返到內地, 有個地方只畀香港人用, 唔畀內地人用, 香港人一定會暗爽, 如果內地人用行動去抗議, 香港人仲會笑人、話人冇文化、話人窮

香港人, 今日到你地俾人笑鳥! 因果呀!

Tsy misy dikany ity raharaha D&G ity.

Inona no eritreretinao raha maro marika lafovidy ny tanàna? Ary inona no tena itiavan'ny mponina eto Hong Kong ireny marika ireny? Nahoana na dia ny marika lafovidy eo ho eo ihany aza no mbola mahazo tombombarotra be ary anatin'ny lisitry ny tsenambola? Tia marika lafovidy ny mponin'i Hong Kong, mpihatsaravelatsihy isika. Ao anatintsika lalina ao dia manavakavaka ny saranga ambany sy ny mpitrongy vao homana isika. Tia mamaritra ny hafa amin'ny marika entiny isika ary tia miteny amin'ny hafa ny “saranga” misy antsika amin'ny alalan'ny marika lafovidy.

Ankehitriny miteny amin'ny mponin'i Hong Kong ny D&G: Tsy maintsy mandoa ho an'ny “saranga” misy anao ianao, ny “saranga” olona sasany ihany no arahabaintsika. Ary tsy ao anatin'izany “saranga” izany intsony ny mponin'i Hong Kong.

Ny fihetsiky ny D&G dia ny fihetsitsika. Mazava loatra, isika indray no avakavahana ho tahaka ny saranga iray ary tohina amin'izany isika. Ankehitriny isika vao manandratra ny fanevan'ny “fitoviana ho an'ny rehetra”.

Mieritreritra ve ianareo fa very vola ry zareo amin'ny hetsika tselatra ataonareo? Aza manondrana, manampy ny D&G indrindra ianareo amin'ny fananganany ny sarangan'ny marikany?

Raha efa nitsidika ny Tanibe ny mponin'i Hong Kong dia hahita fa misy toerana any ny Hong Kongey ihany no mahazo miditra ao fa ny avy ao amin'ny Tanibe kosa voarara tsy hankao, matoky aho fa ampoky ny hafaliana ny fon'ny Hong Kongey amin'izany. Ary raha manohitra izany ny mponin'ny Tanibe dia hitokelaka ianao, sady hiteny fa ratsy taiza sy mahantra ianao.

Noho ny karma-nao ihany no anesoana anao androany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.