Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

09 Janoary 2012

Tantara tamin'ny 09 Janoary 2012

Amerika Afovoany: Navoakan'ny Tetikasa LibreBus Ny Fanadihadiana Notontosainy

Nandritra ny volana Mey 2011, nitety ny araben'ny firenena dimy ao Amerika Afovoany mitady kolontsaina sy fahalalàna malalaka ifampizaran'ireo mpankafy izany ny LibreBus [es]. Mivoaka ary azo jerena an-tserasera ankehitriny ny lahatsarim-panadihadiana nampiseho ny atrikasa isan-karazany nandritra ny fitetezam-paritra.

Slovakia: Hetsi-panoheran'ny Mpitsabo

Iray amin'ireo hetsika Slovaky isan'ny nanana ny lanjany tokoa tamin'ny 2011 ny hetsi-panoherana nataon'ireo mpitsabo maherin'ny 2000 avy amin'ny toeram-pitsaboana an'ny fanjakana ; 1.200 tamin'izy ireo (avy amin'ny efa ho 6.500) no nampiato vonjimaika ny fifanarahan'asan-dry zareo toarian'izay. Tibor Blazko no manazava ny toe-draharaha sy mandika ny fomba fijerin'ny vahoaka...

Ny Lahatsoratra Global Voices Be Mpamaky Indrindra Tamin'ny Taona 2011

Ireo lahatsoratra 20 voalohany be mpamaky indrindra tato amin'ny Global Voices nandritra ny taona 2011 dia ahitana ny momba an'i Japana, telo avy ao Ejipta, ary roa avy ao Filipina. Ary tantara tokana kosa ny momba ilay mamba goavana be [mg]!

Ireo Teboka Lehibe Avy Amin'ny Kaongresy faha-28-n'ny “Chaos Communications”

GV Mpisolovava

Ny Chaos Communications Congress dia fihaonana isan-taonan'ny antsoina hoe Chaos Computer Club ao Alemaina, fikambanana isan'ny tranainy indrindra ahitàna ireo hacker eran-tany.Ilay fandaharanasa dia mampivady ireo resaka ara-teknika eo amin'ny sehatry ny fiarovana sy ny rindrambaiko malalaka amin'ireo resaka mikasika ny zo ny ny 'hacktivism' ety anivon'ny aterineto.