Nanaika ny mpanakanto, mpamorona, ary haino aman-jery hanambatra ny heriny ny fisian'ny herisetra sy ny tsimatimanota nandritra ny taona vitsivitsy ka hanao fanentanana hanova ny antontan'isa ho anaran'olona sy tantara. Amin'ny alalan'ny tetikasa ifarimbonana no itadiavany avy amin'ny mpijery azy ireo olona efa niharan'ny herisetra hafa ka hanome feo ireo niharan'ny herisetra ireo.
Nanantosa lahatsary marobe mitantara ireo olona novonoina tao Meksika ny mpanakanto. Ohatra amin'izany, ilay mpihira Ely Guerra nanatontosa lahatsary ary naka ny toeran'i Marisela Escobedo, renim-pianakaviana mitady ny rariny momba ny nahafatesan'ny zanany vavy. Na dia niaiky aza ny vadin'ity zanany vavy ity fa izy no namono ny vadiny, nanambara kosa ny manam-pahefana fa tsy ampy ny porofo manamarina izany.
Niady mafy ramatoa hisian'ny raharaham-pitsarana fanindroany saingy mbola afaka madiodio ihany ranamana. Nisy namono nahafaty teo anoloan'ny lapan'ny fitsarana i Marisela Escobedo, raha nanao fihetsiketsehana sy nitolona ho amin'ny rariny momba ny zanany vavy. Tsy voasazy noho izany na izay namono an'i Marisela na ny namono ny zanany vavy.
Afaka jerena ato amin'ny lahatsary fanadihadiana ny tantara feno amin'ny teny anglisy :
Tranokala Proyecto Ambulante mamariparitra ny lahatsary manaraka:
Leonardo Amador Rivas trabajaba en la discoteca News Divine y perdió la vida el 20 de Junio del 2008, junto a otros 11 jóvenes. Un operativo de la policía en el lugar, sin organización, actuando con negligencia y regidos por la criminalización de estos jóvenes, acabó con sus vidas.
Piro Pendas (Ritmo Peligroso), músico mexicano, le da voz a la historia de Leonardo, que es la historia de nuestro país.
Leonardo Amador Rivas, niasa tamina toeram-padihizana News Divine, izay toerana namoizany ny ainy tamin'ny 20 Jiona 2008 niaraka tamin'ny tanora tovolahy namany 11. Nirotsaka tao an-toerana hanao ny asany ny polisy, raha tsy nisy akory ny fandrindrana, dia nanao tsirambina ny asany izy ireo ka tonga dia miampanga tsotra izao ireo zatovolahy ireo ka nandatsaka ny ain'izy ireo.
Piro Pendas (Ritmo Peligroso), mpitendry mozika Meksikana, naneho hevitra momba ny tantaran'i Leonardo, izay tantaran'ny firenentsika [meksikana].
Dimy ambinifolo taona i Victoria Castro, avy ao El Salvador izy, iray tamin'ireo 72 nifindram-ponenana naripaka tao Meksika raha niezaka ho any Etazonia. Nitantara ny nahazo azy amin'ny alalany i Diana García, mpilalao sarimihetsika Meksikana.
Nisy ny antso natao tamin'ireo mpiserasera lahatsary tamin'ny alalan'ny tambazotran-tserasera Facebook, antenaina fa samy hanokana fotoana hitadiavana olona niharan'ny herisetra ny mpiserasera tsirairay ka hitantara ny fiainany sy ny nanjo azy ireo. Ny lahatsary rehetra dia mifarana amin'ny fanehoan-kevitra fa ny gaboraraka sy ny kolikoly manjaka ao amin'ny firenena Meksikana no mahatonga ny famonoan'olona ka manentana mafy ny firenena izy ireo hitraka sy hifoha. Tsy misy fotoana farany ny famoahana ny lahatsary, satria mbola eo an-dalam-panatanterahana ny tetikasa.
Gazetiboky an-tserasera Marvin [es] mamahavaha ny tetikasa:
Utilizando herramientas como YouTube y las redes sociales para crear fenómenos virales, “Nuestras vidas, nuestros nombres” pretende generar una consciencia colectiva acerca de las tragedias que vivimos a diario en nuestro país. La violencia no es solamente la que vemos en los medios, la violencia inicia en los hogares, y desde ahí es desde donde se tiene que generar una cultura anti-violencia.