- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kamerona: Gidragidra Mahatsiravina Teo Amin'ny Mpitondra Taxi Moto Sy Ny Mponina Ao Douala

Sokajy: Afrika Mainty, Kamerona, Ady & Fifandirana, Mediam-bahoaka, Tanora, Vaovao Mafana

Raikitra ny rotaka teo amin'ny mponin'ny distrikan'i Deido faritra be mponina ao Douala, renivohitra ara-toekaren'i Kamerona sy ny mpitondra taxi moto antsoina ihany koa hoe “benskiners” tamin'ny 31 desambra 2011. Ny fizotry ny herisetra dia voatantara araka ity [1] [fr] lahatsoratra ao amin'ny gazety Le Jour [2] ity sy ny fitantaran'ny mpiserasera Kameroney nanatri-maso.

Elie Kopter [3] manazava ny anton'ny rotaka ao amin'ny Facebook [4]:

un jeune homme de deido rentrait de boîte avec sa copine (05h du mat ) ; elle se fait arracher son sac à main par le passager d'une mototaxi et comme son copain tentait de s'interposer il reçoit un coup de couteau à la base du cou , et en décède . Les jeunes du quartier alertés décident de faire la peau aux conducteurs de moto qui arpentent le quartier . En réaction les conducteurs de moto saccagent les kiosques et autres commerces dans le quartier . Les forces de l'ordre s'interposent pour ramener le calme

Nody avy tany amin'ny toeram-pandihizana niaraka tamin'ny sipany ny tovolahy iray avy ao (tamin'ny dimy ora maraina) raha nendahin'ny mpandeha mototaxi iray ny poketrany.  Voatsatoky ny antsy teo amin'ny tendany, ary maty noho izany ilay tovolahy raha saiky hiditra an-tsehatra. Raha nahare izany ny bandibandin'ny tanàna dia nanapa-kevitra ny hamaly bontana tany amin'ny mpitondra moto rehetra niserana teo an-tanàna. Ho setrin'izany dia norobain'ny “benskiners” ny tranombarotra sy ny tsena teo amin'ny tanàna. Niditra an-tsehatra ny mpitandro ny filaminana hamerina ny filaminana

Ity lahatsary [5] navoaka-na mpisera [6] iray tao amin'ny Youtube tamin'ny 3 Janoary 2012 ity dia ahitana mponina mamotika moto taxi iray tao Deido:

Ny mpisera Gefcasting [7] nizara lahatsary [8] noraiketina avy tamin'ny fahitalavitra tsy miankina Kameroney Equinoxe TV izay nitatitra ny zavamisy tamin'ny 3 Janoary 2012:

Araka ny tatitra navoakan'ny fitondrana dia 4 no maty vokatry ny rotaka. Ny ampitso dia mbola nanjaka ny sahotaka [9] [fr] tao Deido:

Les motos-taxis men qui ont donné hier l’impression de reculer sont revenus en nombre.
Massés par centaines aux portes du quartier, ils ont tenté de casser les barrières de police afin d’aller en découdre avec leurs vis-à-vis, eux aussi sur le pied de guerre.
Des commerces ont à nouveau été incendiés, des motos vandalisées, sous le regard des forces de l’ordre quelque peu débordées.

Tonga maro dia maro ny mpitondra moto izay tahaka ny nihemotra omaly.  Nanao antokony an-jatony teo ambavahadin'ny distrika ry zareo, miezaka ny mandrava ny sakana ataon'ny polisy ahafahany mifampitady amin'ireo mpifanandrina aminy, izay efa vonona ihany koa.

Nisy voadoro indray ny tsena, potipotika ny moto, izany rehetra izany eo ambany mason'ny mpitandro ny filaminana izay tsy mahafehy ny toe-draharaha indraindray.