Miresaka Momba Ny Mety Hamelana Heloka An'i Alberto Fujimori ny Peroviana
Ny iray amin'ny lohahevitra tena ifanakalozan-dresaka be ao Pero ankehitriny, indrindra fa any anaty tambajotra sosialy, dia ny mety hahazoan'ilay filoha teo aloha Alberto Fujimori, izay manefa sazy 25 taona any an-tranomaizina noho ny heloka bevava mahakasika zon'olombelona sy kolikoly, famelàna noho ny maha-olona avy amin'ny Filoha Ollanta Humana, noho ny lazaina fa fahosany ara-pahasalamana.
Tsy vao sambany akory ity olana ity no nampizarazara ny Peroviana, ary dia nipongatra indray izy io tamin'ity indray mandeha ity taorian'ny fanambaràna taorian'ny Noely fa ireo mpanohana sy fianakavian'ilay filoha teo aloha dia nihevitra fangatahana ofisialy ny famelan-tsazy , nanambàra ny fahasalamany ho marefo. Ny zanany lahy, Kenji Fujimori, mpikambana ao amin'ny Kaongresy, dia nanambara hoe : “Ny fanapahan-kevitry ny fianakaviako (mikasika ilay fangataham-pamelana) dia mazava (…) Indray mitopy maso any amin'ny raiko fotsiny dia ampy hilaza aminareo fa tsy tsara ny fahasalamany”.
Tamin'ny Aprily 2009, Alberto Fujimori dia voaheloka tamin'ny raharaha vono olona Barrios Altos sy La Cantuta, ary ny fakàna an-keriny ilay mpandraharaha Samuel Dyer sy ilay mpanao gazety Gustavo Gorriti. Ny sazy (izay nivoaka taorian'ny fotoam-pitsarana narahan'ny rehetra efa ho 16 volana), dia nanondro ilay filoha teo aloha ho ny “mpanatanteraka” fikasàna hamono olona, famonoana olona efa niomanana ary fakàna an-keriny miharo vesatra goavana. Fujimori dia nilaza ny tsy maha-meloka azy.

Hetsi-panoherana ny mety ho famelan-keloka an'i Fujimori, 15 Jolay 2011. Tetikasa Advocacy (CC BY-NC-SA 2.0)
Tamin'izany fotoana, niteraka fanehoan-kevitra be erak'izao tontolo izao ilay fanamelohana ary noraisina ho toy ny fanarontsaronana, noho izy ity vao sambany nisy filoha nelohin'ny fitsaràna teo amin'ny fireneny ihany ho nanitsakitsaka zon'olombelona. Naneho ny fahafaham-pony noho ilay didim-pitsaràna ireo vondrona mafàna fo mpiaro zon'olombelona, solotenan-tsendikaly, vondrona ahitàna ny fianakavian'ireo Peroviana tsy hita popoka, ary ireo bilaogera, saingy nisy ihany koa ny vondrona midadasik'ireo mpomba an'i Fujimori izay tsy faly tamin'izany.
Nanambara i Fujimori sy ny fianakaviany fa hanao fampakàrana ny didim-pitsaràna ry zareo. Nanamarika i Silvio Rendón tao amin'ny GranComboClub [es]:
…el juicio no fue por “aprobar una estrategia” ni por avalarla, ni por defenderla, sino por ordenar asesinatos. A Fujimori le han dado 25 años, la pena máxima posible, por asesino. No por aprobador, defensor o avalador de estrategias que enmarcaron asesinatos cometidos por otros. Considero importante que como sociedad tengamos muy claro el contenido de la sentencia al ex-presidente…
…Ilay fitsarana dia tsy natao ho anà fandaniana, na fanamafisana, na fiarovana tetikady iray, fa natao ho anà vono olona efa nomanina. Nosaziana 25 taona i Fujimori, ny sazy ambony indrindra azo omena ho an'ny resaka vono olona.. Tsy ho fanamafisana, na fanohanana, na fiarovana tetikady mikasika vono olona nataon'ny sasany. Heveriko fa zava-dehibe amin'ny maha-fiarahamonina antsika ny resaka mazava tsara momba ny sazin'ny filoha teo aloha.
Hatramin'ny nanombohan'ny taona, ao anatin'ny fanentanana momba ny fifidianana tato ho ato, dia nisy resaka nandeha mikasika ny antony ara-politikan'ny famelan-keloka omena an'i Fujimori. Ny fanamarihana ankapobeny, indrindra fa nandritra ny fihodinana faharoa, dia toa hoe ny APRA, antoko politikan'ny filoha Alan Garcia, dia nanome tànana ny Force 2011, antoko politikan'i Keiko Fujimori, ho setrin'ny fandevenana sy tsy fanatsinkafonana raharahan-kolikoly sasantsasany [es] maha-voarohirohy ny sasany amin'ireo olo-maventy amin'ireo mpikambana ao aminy. Nisy mihitsy aza ny sahoan-dresaka hoe i Garcia dia mety hanaiky ny famelan-keloka alohan'ny hialàny amin'ny toerany, nitondra taminà fanehoan-kevitra miraradraraka momba sy manohitra: isan'izany, efa anatin'ny fibanjinana sahady ny fifidianana, ny diabe iray nokarakaraina tamin'ny alàlan'ireo tambajotra sosialy manohitra ilay famelàn-keloka, [es] antsoina hoe “Diaben'ny Maha-olona, Tsy Mila an'i Fujimori Mandrakizay Doria”.
Claudia Cisneros, mpanao gazety sady bilaogera, dia nampakatra lahatsoratra [es] nandritra izay fotoana izay:
Tenemos todo el derecho a protestar, a desconfiar y a impedir que una vez más el poder sea usado entre agrupaciones políticas para limpiarse mutuamente sus culpas y delitos. (…) Si esta vez Alan se atreve a usar el poder que el pueblo le ha dado para representarnos y lo hace para burlarse de la lucha anticorrupción, no será olvidado jamás. No solo sería un insulto a la igualdad de derechos ante la ley de miles de enfermos presos en el país, sería un insulto al sistema judicial y legal, a la justicia peruana…
Tsy nanome famelana an'i Fujimori i Garcia, ary dia mijanona ho mandrimandry ao ilay raharaha mandra-panaovan'i Filoha vao lany Humala fanambaràna, alohan'ny handraisana an-tànana ny firenena, fa hoe “hanome famotsoran-keloka azy noho ny antony maha-olombelona izy”, satria “tsy misy olona tokony ho faty any am-ponja izany“.
Anatin'ny fifanakalozan-dresaka mivaivay eo amin'ireo mpanohana ny famelan-keloka sy ireo izay mandà izany [es] noforonina ny tenifotora ao amin'ny Twitter : #FujimoriLibertad sy #noalindulto hatramin'ny #terrorismonuncamas, #indulto, #terrorismo o #caviares.
Raha mbola mampiahiahy ny resaka fahasalaman'i Fujimori, ny loharano avy amin'ireo mpitsabo dia miteny hoe “tsy tratry ny homamiadana mby an-koditra izany izy“, ary ny hany mahazo azy dia “fikorontanana manaraka ny fenitry ny taonany, saingy tsy misy na iray aza manohintohina ny ainy”, manipika tsara fa tsy misy izany hoe izy tonga amin'ny tsy azo ivalozana izany, izay manàla ny antony rehetra tokony hanomezam-baliny ilay fangatahana famotsorana noho ny maha-olona.
Maro ireo mpampiasa tambajotra sosialy no nanohitra ampahibemaso ny famotsoran-keloka, toa an'i Doc Holliday (@TheGunMan) [es] sy Martha (@Marta_dm) [es] izay nibitsika hoe:
Lo unico q digo es q si@Ollanta_HumalaT da indulto va a perder mucho apoyo empezando por mi. Cc @NadineHeredia #noalindulto
Ny hany azoko ambara dia hoe raha toa i @Ollanta_HumalaT manome famotsoran-keloka, dia ho very mpanohana maro, ary manomboka amiko izany. Cc @NadineHeredia #noalindulto
Marco Silva Santisteban [es] dia manoratra ao amin'ny Facebook:
¿Crees que Fujimori pensó en la depresión y el dolor de sus víctimas inocentes entre las que había un niño de ocho años? Justicia no es venganza, indulto es impunidad..
Dia mihevitra ve ianareo fa mba nisaina ny amin'izay adin-tsaina sy hirifirin'ireo tsy manantsiny novonoiny izy, izay ny iray tamin'ireny dia zaza vao valo taona monja? Tsy valifaty ny fitsaràna, ary ny famelan-keloka dia ny tsy matimanota.
Ny hafa dia naneho ampahibemaso ny fanohanany ilay famelan-keloka, toa an'i Sydney Fernández de Castro [es]:
Y así, el Poder Judicial se convirtió en Terrucos Airlines. Ollanta, ahí está tu línea aérea de bandera. La Berenson de vacaciones navideñas en New York (tremenda atea) y Mellado seguro veraneando en Viña. Y calladitos los caviares. Sí al indulto a Fujimori!!!
dia ahoana, lasa Terrucos (mpampihorohoro) Airlines izany ny fahefana ara-pitsaràna. Ollanta, io ny ‘airline’-mpirenenao. Mahazo fialantsasatry ny Noely any New York i Berenson (goavana amin'ny tsy finoana ny fisian'Andriamanitra) ary Mellado dia azo antoka fa miala sasatra any Viña. Ary ny “caviars” (fanamarihan'ny mpandika : “burgeoisie” avy amin'ny elatra havia) dia mikombom-bava. Eny, amin'ny famelàna heloka an'i Fujimori!
Ary Malumarket (@Malumarket) [es]:
Gracias Fujimori!!! Por haber logrado que podamos pasar la navidad sin terrucos, sin coches bomba y sin miedo!!#FujimoriLIBERTAD
Misaotra anao ry Fujiromi! Noho ny nahavitàna Noely tsy nisy mpampihorohoro, tsy nisy fiara voasesika baomba ary tsy nisy tahotra! #FujimoriLIBERTAD
Voalaza mihitsy aza fa ny APRA dia mbola nilahatra hatrany tamin'i Fujimori, ary ireo mpikambana APRA ao amin'ny Kaongresy dia niady varotra ny fanohanan-dry zareo an'i Humala ho takalon'ny famelan-keloka ny mpitarika azy ireo. Ireo mpikambana ao amin'ny kaongresy mpomba an'i Fujimori, tarihan'i Martha Chávez, dia nandà izay tatitra izay [es].
Saingy ny honohono dia nihanahazo vàhana taorian'ny namoahan'ilay mpahay lalàna fanta-daza avy ao amin'ny APRA, Javier Valle Riestra (efa praiminisitra tamin'ny andron'i Fujimori, [es] tamin'ny 1998) lahatsoratra iray mikasika azy io ka nilaza tamin'ny fahitalavitra iray tao an-toerana fa Fujmori dia tokony havotsotra na dia atao hoe salama aza izy : “…Ny famelan-keloka sy famotsorana dia manampy amin'ny fandriampahaleman'ny firenena (…) afaka ny ho atleta i Fujimori ary tokony havotsotra kosa e…”. [es]
Ireo mpahay lalàna sy mafàna fo amin'ny fiarovana ny zon'olombelona dia manindry fa ireo rehetra izay voaheloka noho ny heloka bevava mitovy vesatra amin'izay vitan'i Fujimori dia tsy afaka mangataka famelan-keloka ho azy tenany. Ilay bilaogera Herbert Mujica [es] dia manamarika hoe :
En el caso de Fujimori, no es solo una ley que prohíbe el indulto por el delito de secuestro que ha sido condenado, sino dos. La Ley 26478, promulgada por él mismo en 1995 antes de su condena; y la Ley 28760, dada durante el gobierno de Alejandro Toledo. Ambas son leyes expresas que la Comisión de Gracias Presidenciales debe acatar, salvo que sus 5 miembros quieran asumir su responsabilidad penal por encubrimiento personal, delito previsto en el Artículo 404° del Código Penal. Igual suerte correría el Presidente Ollanta si concede el indulto pese a todo, violando leyes prohibitivas expresas. Su rol presidencial es cumplirlas. La Constitución no le faculta violar las leyes aprobadas por el Congreso y promulgadas por el mismo Presidente.
Raha ny trangan'i Fujimori, tsy lalàna iray monja no hoe manakana ny famelan-keloka noho ny heloka bevava amin'ny fakàna an-keriny izay anenjehana azy, fa roa. Lalàna 26478, navoakan'i Fujimori izy tenany mihitsy tamin'ny 1995 talohan'ny nanamelohana azy ; ary ny lalàna 28760, navoaka nandritra ny fitondran'ny governemanta Alejandro Toledo. Ireo lalàna roa ireo dia samy mamaritra fa ny Kaomisiona Misahana ny Famelan-tsazy avy amin'ny Fiadidiam-panjakana dia tsy maintsy manaraka ny voalazan'ny lalàna, raha tsy te-horaisina ho mpiray tsikombakomba amin'ny fanampiana sy fitazanam-potsiny angaha ireo mpikambana dimy ao anatiny, heloka faizin'ny Artikla 404 ao amin'ny lalàna famaizana. Azo ampiharina ireo na dia miziriziry manome famelan-keloka aza ny Filoha Ollanta, manitsakitsaka an-kitsirano ny lalàna mandràra izany. Andraikiny amin'ny maha-filoha ny manaraka azy ireny. Ny Lalampanorenana dia tsy manome fahefana ny kaongresy handany lalàna hafa mifanohitra sy fanamafisana azy ireny avy amin'ny Filoham-pirenena.
Mandritra izany fotoana izany, ary na eo aza izany rehetra izany, ny sasany dia maneho hatrany ny fanohanany an'i Fujimori, nifidy azy ho “El Peruano del Año 2011” (Perovianan'ny Taona 2011) [es] tao anaty fitsapan-kevitra tety anaty aterineto nataon'ny foiben'onjam-peo iray tao an-toerana.
Prensa Alternativa (@PrensaAlterna) [es] mibitsika hoe :
La defensa de los DDHH es la piedra angular de toda sociedad democratica.Quedarse callado es hacerle el juego al autoritarismo #NoAlIndulto
Ny fiarovana ny DDHH (zon'olombelona) no vato fehizoron'ny fiarahamonina demaokratika. Ny fikombonam-bava dia filalaovana ny lalaon'ny tsy refesi-mandidy. #NoAlIndulto
Hanjana be ny fidonany sy ny fiantraikany tany amin'ny daholobe ka hatramin'ireo izay tompon-kevitra tamin'ilay famelan-keloka avy aza no nanomboka mino fa tsaratsara kokoa ny miandry vanim-potoana mety sy azo antoka, [es] na dia mamoaka aza ny fitsapan-kevitra natao vao haingana fa 42% no mino fa tokony havela heloka i Fujimori (raha 27% no mihevitra fa tokony hanohy ny saziny any amponja izy, ary 26% no mihevitra fa tokony hazonina aminà faritra tsara ambina izy.)
Tsy isalasalàna, ity resaka ity dia tsy tapitra eto ary mbola hitohy fotoana maharitra, ary ilay mpampiasaTwitter, Omar (@omarzev) [es] dia efa maminavina hoe:
Nos espera una dura batalla contra el indulto a Fujimori #noalindulto
Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...