- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Singapore: Nahena ny Karaman'ny Minisitra

Sokajy: Azia Atsinanana, Singapaoro, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana

Ny minisitra ao amin'ny governemantan'i Singapore no anisan'ny be karama indrindra manerantany, ka ny an'ny Praiminisitra Lee Hsien Loong dia malaza fa betsaka noho ny raisin'i Barack Obama, i David Cameron ary i Nicolas Sarkozy mitambatra. Na dia miaro tena mandrakariva aza ny governemanta fa hisintonana izay tena manampahaizana sy ho fisorohana amin'ny kolikoly no anton'ny karama ambony dia ambony dia mahasorisorena ny ankamaroan'ny Singaporeana ihany ny volabe azony, ary ampangaina ho mampisara-bazana bebe kokoa ny mpitondra sy ny vahoaka.

Ny karama ambonin'ny minisitra no lohahevitra mavaivay nandritra ny fifidianana ankapobeny 2011 [1], ary rehefa nandresy tamin'ny ampahambato ambany indrindra teo amin'ny tantara ny antoko mitantana Antokon'ny Asam-Bahoaka (PAP) dia nifanaraka ny hanangana vaomiera handinika ny karaman'ny minisitra ny PM Lee. Vao nametraka ny ny tatitra tamin'ny praiminisitra indrindra ny vaomiera, ary nisy ny valandresaka amin'ny mpanao gazety ny 5 Janoary 2012 hamoahana ampahibemaso ny volavolan-kevitry ny vaomiera amin'ny vahoaka.

Tsy tahaka ny tamin'ny fifidianana ankapobeny sy ny fifidianana filoham-pirenena izay nanasana ny mpisera fitaovam-pampitam-baovao, gazety an-tserasera ary mpamaham-bolongana dia tsy navela hanatrika ny valandresaka intsony ireo voatonona ireo. Ny gazety ao an-toerana ihany – izany hoe ny gazety tantanin'ny fanjakana sy ny vondron-gazety ao Singapore Press Holdings ary ny MediaCorp – ihany no nasaina.

@tocsg [2]: MICA-approved local media (SPH, MediaCorp) are already at NKF building for the press conference for unveiling the ministerial salary report.

ny MICA, ny haino aman-jery nahazo alalana (SPH, MediaCorp) dia samy ao amin'ny tranoben'ny NKF hanatrika ny valan-dresaka hihaino ny tatitra momba ny karaman'ny minisitra

Nahatonga fanontaniana sy nampiahiahy ny mpikirakira fampitam-baovao izao fikisahana nataon'ny governemanta izao:

@vinyarb [3]: how come no news on the ministerial salary yet ah? post con meeting to agree to what to write?

Tsy nandrenensam-baovao ny momba ny karaman'ny minisitra hatramin'izao? mbola nisy ny fifanekena amin'izay tokony hosoratana aorian'ny fivoriana?
[4]

President Tony Tan Keng Yam

Saingy nivoaka tsy ela ny tatitra mandrisika ny fampihenana goavana – fampihenana karama 36% ho an'ny praiminisitra , ary hatramin'ny 51% ho an'ny filoha ankoatra ny an'ny hafa. Ny PM Lee izay zatra mandray S$3 tapitrisa (manodidina ny 2,3 tapitrisa dolara amerikana) izany dia handray S$2,2 tapitrisa (manodidina ny 1,7 tapitrisa dolara amerikana). Ny filoha izay nandray karama ambony noho ny PM teo aloha indray dia handray ambanimbany kokoa amin'ny karama vaovao S$1.54 tapitrisa (manodidina ny 1,2 tapitrisa dolara amerikana).

Na dia mahafaly ny Singaporeana aza ny fahavononan'ny governemanta hanaiky ny fampihenana dia mbola mahamarika ihany ny maro fa mbola anisan'ny mandray karama ambony indrindra manerantany hatrany ny mpitondra Singaporeana. Maneho ny heviny amin'ny fampiasana tenifototra #ministerpaycut [5] ny mpiserasera

@mrbrown [6]: Obama ruminates on the Singapore #ministerpaycut [5]

Mitsakotsako momba an'i Singapore i Obama

[6]

@BeccaDBus [7]: Hmm, no mention of cuts for MPs. Only ministers. Really? y'all think TPL is worth 15K monthly? really?

Tsy mbola voalaza ny fampihenana ny an'ny depiote. Ny an'ny minisitra ihany. Tena izany ve? mieritreritra ve ny TPL fa mendrika azy ireo ny mandray 15.000 isam-bolana? Tena izany ve?

@qwm82 [8]: The fact that it is pegged to the top 1000 earners means that it is still seriously flawed #ministerpaycut [5]

Ny marina raha mbola miteronterona any amin'ny 1000 mandray vola ambony indrindra dia mbola tena misy maloto ao

@RealSingaporean [9]: After the #ministerpaycut [5], the easiest way to become a millionaire in Singapore, is still to join politics.

Taorian'ny fampihenana ny karaman'ny minisitra dia mbola ny fidirana politika ihany no fomba tsotra indrindra hahampanankarena

Misy ny Singaporeana sasany mieritreritra fa ambonin'ny fampihenana ny karama dia tokony hiova ny fihetsik'ireo ao anatin'ny governemanta.

@jiw3n [10]: Paycut or not, you're elected by us to serve/ lead us. You don't do it for the money. You do it because you want to. #ministerpaycut [5]

Na nihena na tsia, nofidiana hiasa/hitarika anay ianareo. Tsy noho ny vola no nanaovanareo an'io. Nataonareo io satria notadiavinareo