Ny minisitra ao amin'ny governemantan'i Singapore no anisan'ny be karama indrindra manerantany, ka ny an'ny Praiminisitra Lee Hsien Loong dia malaza fa betsaka noho ny raisin'i Barack Obama, i David Cameron ary i Nicolas Sarkozy mitambatra. Na dia miaro tena mandrakariva aza ny governemanta fa hisintonana izay tena manampahaizana sy ho fisorohana amin'ny kolikoly no anton'ny karama ambony dia ambony dia mahasorisorena ny ankamaroan'ny Singaporeana ihany ny volabe azony, ary ampangaina ho mampisara-bazana bebe kokoa ny mpitondra sy ny vahoaka.
Ny karama ambonin'ny minisitra no lohahevitra mavaivay nandritra ny fifidianana ankapobeny 2011, ary rehefa nandresy tamin'ny ampahambato ambany indrindra teo amin'ny tantara ny antoko mitantana Antokon'ny Asam-Bahoaka (PAP) dia nifanaraka ny hanangana vaomiera handinika ny karaman'ny minisitra ny PM Lee. Vao nametraka ny ny tatitra tamin'ny praiminisitra indrindra ny vaomiera, ary nisy ny valandresaka amin'ny mpanao gazety ny 5 Janoary 2012 hamoahana ampahibemaso ny volavolan-kevitry ny vaomiera amin'ny vahoaka.
Tsy tahaka ny tamin'ny fifidianana ankapobeny sy ny fifidianana filoham-pirenena izay nanasana ny mpisera fitaovam-pampitam-baovao, gazety an-tserasera ary mpamaham-bolongana dia tsy navela hanatrika ny valandresaka intsony ireo voatonona ireo. Ny gazety ao an-toerana ihany – izany hoe ny gazety tantanin'ny fanjakana sy ny vondron-gazety ao Singapore Press Holdings ary ny MediaCorp – ihany no nasaina.
@tocsg: MICA-approved local media (SPH, MediaCorp) are already at NKF building for the press conference for unveiling the ministerial salary report.
Nahatonga fanontaniana sy nampiahiahy ny mpikirakira fampitam-baovao izao fikisahana nataon'ny governemanta izao:
@vinyarb: how come no news on the ministerial salary yet ah? post con meeting to agree to what to write?
Saingy nivoaka tsy ela ny tatitra mandrisika ny fampihenana goavana – fampihenana karama 36% ho an'ny praiminisitra , ary hatramin'ny 51% ho an'ny filoha ankoatra ny an'ny hafa. Ny PM Lee izay zatra mandray S$3 tapitrisa (manodidina ny 2,3 tapitrisa dolara amerikana) izany dia handray S$2,2 tapitrisa (manodidina ny 1,7 tapitrisa dolara amerikana). Ny filoha izay nandray karama ambony noho ny PM teo aloha indray dia handray ambanimbany kokoa amin'ny karama vaovao S$1.54 tapitrisa (manodidina ny 1,2 tapitrisa dolara amerikana).
Na dia mahafaly ny Singaporeana aza ny fahavononan'ny governemanta hanaiky ny fampihenana dia mbola mahamarika ihany ny maro fa mbola anisan'ny mandray karama ambony indrindra manerantany hatrany ny mpitondra Singaporeana. Maneho ny heviny amin'ny fampiasana tenifototra #ministerpaycut ny mpiserasera
@mrbrown: Obama ruminates on the Singapore #ministerpaycut
@BeccaDBus: Hmm, no mention of cuts for MPs. Only ministers. Really? y'all think TPL is worth 15K monthly? really?
@qwm82: The fact that it is pegged to the top 1000 earners means that it is still seriously flawed #ministerpaycut
@RealSingaporean: After the #ministerpaycut, the easiest way to become a millionaire in Singapore, is still to join politics.
Misy ny Singaporeana sasany mieritreritra fa ambonin'ny fampihenana ny karama dia tokony hiova ny fihetsik'ireo ao anatin'ny governemanta.
@jiw3n: Paycut or not, you're elected by us to serve/ lead us. You don't do it for the money. You do it because you want to. #ministerpaycut