Tamin'ny alarobia 28 desambra dia nankalaza ny antsoina hoe #IndignantProcession [1] (#CabalgataIndignata amin'ny teny espaniola na diaben'ny Tafintohina) ny tanàna lehibe toa an'i Madrid, Barcelona sy ny hafa, diabe nokarakarain'ny #15M [2] [es], izay nahatarika olona mihoatra ny 5000 teny an-dalamben'i Madrid ary nizotra nankao Puerta del Sol nitondra ny teny tarigetra hoe “Very ny fahatsoranay satria tsy mino lainga intsony izahay, ary tsy hangina izahay manoloana ny sangisangy amerezana ny zo fototra tokony ho anay” .
@acampadasol [4] Lo importante es que hoy hemos vuelto a las calles para manifestarnos con imaginación y creatividad. Enhorabuena, #15M [5]#NoSoyInocente [6]
Juventud SIN futuro @ [7]juventudsin [7] La # cabalgataindignada [8] bajando por la Calle Alcalá entre villancicos y tambores pic.twitter.com/8FFKFQNR [9]
Fihenjanana
Andro vitsivitsy lasa izay no namoahana ity lahatsary ity, ahitana ny mpikambana ao amin'ny #15M ao Valladolid nandritra ny fandroahana teo ambavahadin'i Belén, miampanga ny fandroahana faobe lasa mahazatra manerana ny firenena.
Nisy ny fisavoritahana nandritra ny diabe ka niafara tamin'ny fidarohan'ny polisy ny sasany tamin'ny mpandray anjara [13] ary nisy aza fisamborana teo akaikin'ny APBM [14].
Nilamina ihany tamin'ny farany ny diabe ka tsy dia nisy loatra intsony ny tranga mahery vaika, izay mampiseho indray ny tanjaky ny #15M amin'ny fahaizana mitady fotoana sy toerana hampahalalàna ny fitakiana ataony.