- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

India: Manangom-baovao Avy Any Ifotony Amin'ny Facebook Momba Ny Fanitsakitsahana Ny Lalàn'ny Fifamoivoizana

Sokajy: Fanadihadiana Tranga, Mediam-bahoaka, Rising Voices

India no isan'ny firenena iray amin'ireo vitsy eran'izao tontolo izao izay niditra eo amin'ny sehatry ny tambajotra sosialy Facebook ireo polisy mpandrindra fifamoivoizana ao aminy, toy ny any amin'ireo tanàna tahàka an'i  Delhi [1], Pune [2], Chennai [3], Bangalore [4], Hyderabad [5], Mumbai [6], Kanpur [7], Kolkata [8] sy ny maro hafa sady mandrisika ny fandefasana vaovao avy eny ifotony momba ny fanitsakitsahana ireo lalàn'ny fifamoivoizana. An'arivony amin'ny mpampiasa no manaraka ireny pejy ireny ary maro no mitondra anjara biriky mizara sary sy lahatsary momba ny fanitsakitsahana ny lalàn'ny fifamoivoizana, ary dia afaka mandray andraikitra ny polisy noho izany. Araka ny voalazan'ny manampahefana [9], Facebook dia nampakatra ny fahafahan'izy ireo miasa izany sy nahatonga ny olona ho tonga saina amin'ny hoe tena misy olona manara-maso marina tokoa.

[10]

Polisy mandray ny andraikiny noho ny fitarainan'ny mpampiasa iray narahana sary nalaina tamin'ny finday

Ireo pejy Facebook dia manome fahafahana ny olona [11] hifandray mivantana amin'ny departemantan'ny polisy. Ny departemanta sasany ao amin'ny polisy toy ny ao  Delhi [12] sy Chennai [13] dia nandeha lavidavitra kokoa tamin'ny fanomezana fanavaozam-baovao ao amin'ny Twitter . Saket Jajodia dia manana lisitr'ireo departemantan'ny polisy [14] any amin'ireo tanàn-dehibe ao  India, izay ao anatin'ireo  tranonkalanà tambajotra sosialy.

Araka ny tatitra [15] anaty lahatsary iray mikasika fandosirana taorian'ny lozam-pifamoivoizana natao, nakarin'ny Polisy Mpandrindra Fifamoivoizana ao Bangalore tao amin'ny pejy Facebook-ndry zareo mba hikarohana ilay mpamily fiara tafiditra tamin'ilay fifandonana. Tondraky ny valinteny ilay antso, nahazoana hatramin'ny fifampizaràna 27.000 mahery tao amin'ireo tranonkalanà tambajotra sosialy tao anatin'ny telo andro monja.

Ilay mpanao gazety, Vincent D’ Souza [16],  dia mitatitra fa azo ekena ihany koa ny hafatra fanakianana avy amin'ny daholobe ao amin'ny pejy Facebook-n'ny Polisy ao Chennai. Misy ireo ohatra, izay ilalaovan'ireo mpanararaotra ilay rafitra. Na izany aza, ny polisy dia afaka tsara mamantatra ny toerana misy sy mitondra ireo mpanararaotra ireo eny anatrehan'ny fitsarana [17].

Ireo Polisy Mpandrindra Fifamoivoizana ao an-tanànan'i Chennai [18] dia nahazo loka avy amin'ny mpitsara tao amin'ny sokajy fandraisana andraikitra mendrika indrindra teo amin'ny sehatry ny ICT-Enabled eGov nandritra ny taona [19] tao amin'ny  eINDIA 2011 awards.