- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Singapore: Todran-drano, sa Rano Mihandrona?

Sokajy: Azia Atsinanana, Singapaoro, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana

Tamin'ny 23 Desambra 2011, orambe matevina no niteraka fiakaran-drano vetivety tao amin'ny faritra maro ao Singapour, voakasik'izany  ny magazay mpivarotra fehikibo be olona ao amin'ny Lalana Orchard sy ny manodidina azy. Tsy zava-nitranga nahasosotra na hoe tsy nampoizina anefa izany, satria efa niseho  izay tranga izany tamin'ny volana Jiona 2010.

Namelona ny rafitra mpanakana rano mihoatra ny tao amin'ny tilikambon'i Liat, izay efa tratra teo aloha, saingy mbola nameno ny toerana ihany ny rano mihoatra ka nahatratra ny haavon'ny lohalika. Niharany tanteraka ny orinasa tahaka ny Wendy sy Starbucks.

Na dia izany aza, ny Singapore's Public Utilities Board [1] (PUB) dia nanambara [2] fa “tsy misy tondra-drano ao amin'ny Lalana Orchard”, fa  “mihandrona” [3] fotsiny ny rano ao amin'ny Tilikambo Liat sy ny toeran-kafa izay iva:

Tafakatra 30 cm ny haavon'ny rano ao amin'ny faritra sasany ary mihena isaky ny adiny iray izany amin'ny ankapobeny, ankoatra ny Lalana ao Cambridge, Newton Circus sy ny mampitohy ny Lalana Moulmein ary ny Lalana Thomson eo anoloan'ny Kianjan'ny Firaisana izay efa nihena ny rano tamin'ny 6 hariva. Faritra iva avokoa ireo faritra voatonona.

Tsy misy tondra-drano ao amin'ny Lalana ao  Orchard Road. Na dia izany aza, mihandrona ny rano ao amin'ny faritra malalaka ao amin,'ny tilikambon'i Liat, sy ao amin'ny lalana ambanin'ny tany anelanelan'i Lucky Plaza sy Tanànan'i Ngee Ann, ary ny anaty tany ao Lucky Plaza noho ny orambe matevina tsy dia naharitra ela

Nitarika esoeso sy vazivazy ny fampiasana ny teny “mihandrona” teo amin'ireo mpiserasera Singaporiana, ahitana ireo tweet marobe mampiasa ny tenifototra #sgflood (sy ny vaovao momba ny #sgponding).

 

@papayagirl [4]: @mrbrown Mihandrona ny rano raha afaka mitsangana eo ianao ary mitaraina. Tondra-drano kosa raha lasan'ny rano na hoentin'ny rano ianao. #sgflood [5]

@MeilinS [6]: Araka ny nambaran'ny PUB, azoko lazaina ankehitriny fa mihandrona ny asako izay tondraka noho ireo mailaka. Misaotra tamin'ny teny vaovao! #sgflood [5]

@jB_Ng [7]: Manontany tena aho raha afaka manofa fiara ao am-pivarotana ao Liat towers, mety ahazoana tombotsoa ve izany? Hangataka aho mba hisy orana foana  isan'andro. #SgFlood [8]#SgPonding [9]

@contrabandkarma [10]: Jereo, ahitana rano mihandrona kely mahafinaritra ao Liat Towers ankehitriny. Asiana trondro fotsiny sisa!

 

[10]

Sary: @contrabandkarma

@mrbrown [11]:Faly ny PUB manambara fa tsy nisy tondra-drano omaly tao Singapore. Fa “rano mihandrona” fotsiny ihany. #sgflood

[11]

Sary: @mrbrown

@RealSingaporean naneho hevitra momba ny zava-nitranga hafa vao haingana tamin'ny Singaporiana, fiparitahan'ny [12] lamasinina SMRT:

@RealSingaporean [13]: na ho ela na hoa haingana, ny fahadisoan'ny lamasinina #smrt tsy antsoina hoe “tara” intsony fa “famatsiana stratejika” #sgponding #sgflood