Ejipta: Filaharambe Amin'ny Fifidianana Ejiptiana Dingana Faharoan'ny

Ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Fifidianana Ejiptiana 2011 ity lahatsoratra ity.

Ny dingana faharoan'ny fifidianana parlemantera any Ejipta dia nanomboka androany (14/12/2011), miaraka amin'ny fandehanan'ireo Ejiptiana avy any amin'ireo faritany sivy ho any amin'ny biraom-pifidianana.

Zeinobia, avy ao amin'ny Egyptian Chronicles, mitoraka bilaogy momba ity dingana ity ary milaza fa hisokatra tsy ho ela ireo toerana fandatsaham-bato any Giza, Bani Sawif, Monufia, Sharkia, Ismailia, Suez, Beheira, Sohag ary Aswan.

Nanampy izy:

3,387 ny isan'ireo mpifaninana manerana ireo fari-pitondrana 9 mifaninana ho an'ireo seza 180 amin'ity dingana ity. “2,271 ireo mifaninana ho anà seza amin'ny anaran'ny tenany 60 ary 1,116 kosa ireo mifaninana ho an'ireo seza 120 natao ho an'ny lisitra”

Ireo fifidianana, izay voalohany hatramin'ny nionganan'ny filoha teo aloha Hosni Mubarak, dia nanomboka ny 28 Novambra ary iriana hitohy hatramin'ny 10 Janoary 2012, ka notontosaina anatina dingana telo.

Eo amin'ny manodidina ny 19 tapitrisa eo ho eo ireo Ejiptiana heverina handatsa-bato amin'ity dingana faharoa ity, izay mitohy hatramin'ny rahampitso. Mitandahatra ho an'ireo seza 498 ao amin'ny “chambre basse” ireo mpifaninana. Ireo fifidianana androany sy rahampitso dia ho arahan'ireo fifidianana mifanesy izay hifanandrinan'ireo mpifaninana mivantana afaka herinandro. Anatin'ity fihodinana ity, antenaina mba handray ny anjarany any amin'ireo toerana telo fandatsam-bato ireo mpifidy, roa ho an'ireo seza amin'ny anaran'ny tenany ary fanintelony kosa ho an'ny antoko.

Vantany vao mitsangana ny Parlemanta, dia tompon'andraikitra amin'ny fananganana komity izay hanao volavolan-dalampanorenana vaovao ho an'ny firenena, izay  hanokatra ny làlana mankany amin'ny fifidianana filoham-pirenena amin'ny ho avy.

Ity misy sarin'ireo fihetseham-po avy ao amin'ny Twitter momba ny zava-mitranga any amin'ireo faritany samy hafa manerana an'i Ejipta androany.

Mitoraka bitsika momba ny zava-niainany tany Giza hatreto ny mpanao gazety Rawya Rageh, mitaraina momba ny fandrahonana atrehan'ny gazety any an-toerana. Manontany izy:

@RawyaRageh: Manana olana amin'ny fitaterana ny ao anatin'ireo toerana fandatsaham-bato any #Giza ve ireo mpanao gazety hafa? #Egyelections #Egypt

Ary manohy:

@RawyaRageh: Tsy dia azo antoka loatra ny fandriam-pahalemana amin'ity indray mitoraka ity.. Nangataka anay mba handao ny an-toerana fandatsaham-bato ny miaramila, ireo polisy dia manontany anay momba ireo ‘fahazoan-dalana’ #Egyelections #Giza

Manampy izy:

@RawyaRageh: tsy mahazo alàlana maka lahatsary ny zava-mitranga ao anatin'ireo toerana fandatsaham-bato maro ao #Giza na eo aza ireo karatry ny HEC, ‘ny Fahitalavitry ny fanjakana irery ihany raha ny voalaza #Egyelections #Egypt

Mandinika i Rageh:

@RawyaRajeh: Kely ny salan'ny fandraisan'anjara tany #Giza, tsy misy dikany raha oharina amin'ny isa hitako tany #Assiut nandritra ny fiodinana 1. Misy vaovao avy any amin'ireo faritany hafa ? #Egyelections #Egypt

Tsy miombon-kevitra amin'ity fandinihana ity i Nadia El Awady, manamarika ireo filaharana lavabe tsy voarindra tany amin'ny toerana fandatsaham-bato tany Al Haram, any Al Koum Al Akhdhar.

Mitoraka bitsika izy:

@NadiaE: Nisy vondrom-behivavy marobe tsy milahatra manoloana  ny sekoly. Mila manandrana indray aho androany alina na rahampitso vao maraina #egyelections

Mizara ity sary ity, izay maneho ny fisavoritahana, ao amin'ny Twitpic-ny izy .

Long queues at polling station in Al Haram. Photo by Nadia ElAwady, shared via Twitpic on Twitter

Filaharaan lava any amin'ny toerana fandatsaham-bato any Al Haram. Sary avy amin'i Nadia ElAwady, nozaraina tamin'ny alàlan'ny Twitpic ao amin'ny Twitter

Ary manontany izy avy eo:

@NadiaE: Misy afaka milaza amiko ny fotoana fitsaharan'ireo vehivavy ao amin'ny #egyelections ve? Fotoana fisakafoanana? Ny hariva? Fotoana manakory no ahazoako vintana kokoa ahitana vehivavy vitsy?

Mitatitra ireo filaharana lavabe any amin'ny toeran-kafa ihany koa ireo mpanao gazety hafa.

Mitoraka bitsika i Steven Cook :

@stevenacook: Filaharambe miandry ny handatsa-bato any Imbaba. Tsara ny toe-panahin'ny vahoaka #EgyElections

Any Suez i Hannah Allam ary manoratra hoe :

@HannahAllam: Aty Suez, filaharamben'ireo mpifidy, maro ireo miaramila eny an-toerana. #Egyelections

Ary tsy ho Ejipta izany, raha tsy mifangaro hjanihany Ejiptiana ireo fihetseham-po.

Mananihany i Amira Salah-Ahmed :

@Amiralx: Tongava aty Ejipta, izay itoeran'ireo piramida sy tanin'ireo fifidianana tsy an-kiato #EgyElections

Ary manampy ny Arabist:

@arabist: Vao avy naheno mpifidy iray nanatsoboka ny rantsan-tànany tao anatin'ny kafen'ny mpitsara raha tokony nanao izany tao anatin'ny ranomainty. #egyelections

Mandritra izany fotoana izany, ilay Grika mpitoraka bilaogy sady mpanoratra ao amin'ny Global Voices Online, Asteris Masouras dia manangona ny fihetseham-pon'ireo mpampiasa aterineto amin'ireo fifidianana amin'ity fantina  “ Storify” ity.

Ary koa, raha te hijery fihetseham-po bebe kokoa, jereo ny tenifitotra #EgyElections ao amin'ny Twitter.

Ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Fifidianana Ejiptiana 2011 ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.