27 Desambra 2011

Tantara tamin'ny 27 Desambra 2011

Shina: Fitroarana Tao Guangdong, Ao Haimen Ankehitriny

  27 Desambra 2011

Hatramin'izay nametrahana ny tananàn'i Wukan ao amin'ny faritanin'i Guangdong eo ambany fanaraha-maso taorian'ny fanesorana ny Antoko sy ireo manampahefana tao amin'ny governemanta izay, dia farafahakeliny tanàna roa mifanakaiky no nanao hetsika manokana. Ny vao haingana indrindra izao dia ilay nitranga androany, izay voalaza fa nahitàna olona 30.000 nibahana sampanan-dalana iray be mpivezivezy .

Bolivia: Ny Hetsika Ankalamanjàna “Fiaraha-mientan'ny Conectándonos”

Rising Voices  27 Desambra 2011

Ny fiaraha-mientan'ny "Conectándonos" [es] (Connecting) tao Cochabamba, Bolivia izay natao tamin'ny 12-14 Desambra, dia nitondra mpitarika vaovao liana amin'ny fikatsahana fomba hampandraisana anjara ny fampiasàna ny haino aman-jerin'olon-tsotra sy ny fananganana tambajotra amin'ny fiovàn'ny ara-tsosialy ao amin'ny fiaraha-monina misy azy ireo. Famintinana fohifohy mikasika ny hetsika ho an'ny daholobe natao ny 13 desambra ity.