Taorian'ny 48 ora nitondrana fiara avy any Beijing, toerana nanaovany fanentanana ilay horonan-tsarimihetsika The Flowers of War [1] notontosainy, voadaroka ilay mpilalao horonan-tsarimihetsika Britanika Christian Bale tamin'ny 15 Desambra 2011, raha nikasa hamangy ilay mpiaro ny zon'olombelona nogadraina Chen Guangcheng [2].
Niaraka tamin'i Bale [4] ireo mpanao gazetin'ny CNN raha nikasa hiditra ao anatin'ilay tanàna nitazonana an'i Chen izy, noteren'ireo mpiambina hivoaka anefa izy, ary avy eo narahan'izy ireo tamin'ny minibus nandritra ny 40 minitra mahery i Bale sy ny ekipa mpanao gazety niaraka taminy. Vazivazy momba ny Batman no nameno ny tranokala sinoa Weibo sy ny tranokala hafa.
Iray volana lasa izay, tao amin'ny lahatsoratra iray ao amin'ny gazety New York Times, mpanao gazety Sinoa malaza Chen Min nitarika adihevitra mafonja [5] tamin'ireo mpikatroka Sinoa, nilaza izy fa ny diplaomasia tsy mba miloa-bava ihany no afaka hanamaivana ny famaizana amin'ny tranga tahaka izao mahazo an'i Chen Guangcheng izao, ny fahaverezan'ny governemanta Sinoa manoloana ny fifandraisana iraisampirenena no mahatonga ny manampahefana tsy mba milefitra.
Raha ny masontsivana napetraka sy ny fepetra ara-pilaminana no manakana ireo olom-pirenena Sinoa haneho hevitra mikasika an'i Chen, ny hafa kosa miombo-kevitra fa tokony tsy haneho hevitra ny vahiny manoloana ny tranga tahaka izao, ireo olona tahaka an'i Chen Guangcheng, izay notazomina amin'ny toerana mangina ve tokony hahita fomba hanehoany hevitra ?
Jereo ny vaovao misongadina amin'ny Global Voices momba ilay mpikatroka Chen Guangcheng:
- 10 Nov – China: Free Guangcheng, Dark Glasses Portraits [7]
- 2 Nov – China: Visit Blind Activist in November [8]
- 31 Oct – China’s Stability Machine and the Detention of Chen Guangcheng [9]
- 11 Oct – China: More Visits to the Blind Activist Chen Guangcheng [10]