Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

23 Desambra 2011

Tantara tamin'ny 23 Desambra 2011

Filipina : Anjatony Ny Maty Sy Nanjavona Tamin'ny Tondradrano

Ny isan'ireo niharan-doza dia mety ho mihoatra izany ary mety hahatratra hatramin'ny 600. Io no tondra-drano ratsy indrindra namely iny faritra avaratry ny Mindanao iny tao anatin'ny taona maro. Ireo mponina anaty aterineto dia nampiasa teo noho eo haingana ny vohikala mba hizarana ny mikasika ilay loza voajanahary ary nanao...

Ejipta : Nirehitra Ny Kianja Tahrir

Ireo Polisy Miaramila dia nandrehitra ny kianja Tahrir tao Kairo ary nanery ankolaka ireo mpanao hetsi-panoherana izay nanao fihetsiketsehana ivelan'ny Lapan'ny Governemanta tamin'ny fankalazana ny fitsingerenan'ny taona voalohan'ny revolisiona Arabo, izay vokatry ny fandoroana tena nataon'i Mohammed Bouazizi tao Sidi Bouzid, Tonizia.

Tontolo Arabo : Misaotra Anao Mohamed Bouazizi! Misaotra Anao Sidi Bouzid!

Ireo mponina anaty aterineto manerana izao tontolo izao dia mankalaza ny fitsingerenan'ny taona voalohan'ny revolisiona Arabo, izay vokatry ny fandoroana tena nataon'ilay mpivarotra voankazo sy legioma Mohammed Bouazizi tao Sidi Bouzid, Tonizia. Ilay nanomboka ho fanoheranà olona iray noho ny hambmo-po dia nanaitra ny tontolo Arabo ary mihoatra noho izany...

Okraina: Fampiasàna Lahatsary Mba Hampihenana ny Hevitra Mety Hitondra Fanimbàna

Rising Voices

Ireo mpanao hetsika avy ao amin'ny “Fikambanana Mpiaro ny fitsaboana Fanoloana eto Okraina” dia maka sary sy manoratra ireo tantara manokana momba ny fitsaboana ireo marary mba hampahafantarana fa ny ” Fitsaboana amin'ny alalan'ny fanoloana” dia mety hanova tanteraka ny fiainan'ny olona miankinan-doha amin'ny zava-mahadomelina mba ho tsara kokoa. Miteny...

Rosia : Fihetsiketsehana Tamin'ny 10 Desambra tao Vladivostok

Akon'ny RuNet

Mbola mahabe adihevitra hatrany ao Rosia ny fifidianana solombavambahoaka vao haingana sy ny vokam-pifidianana izay fantatra fa nisy hosoka. Na dia teo aza ny filazana ireo hosoka sy hala-bato niseho nandritra ny fifidianana , dia afaka naneho ny heviny ny olom-pirenena Rosiana. Tamin'ireo Birao fandatsaham-bato 4 amin'ireo 5 ao Vladivostok,...