Maherin'ny 100.000 ireo olona tsy manana zom-pirenena monina any Koety no miady ny mba hananany antontan-taratasy momba azy, fanabeazana, fikarakarana ara-pahasalamana, asa fivelomana, ary ny tena manan-danja indrindra dia ny fandraisana ho olom-pirenena. Efa hatrany amin'ny Febroary sy Martsa, anjatony amin'izy ireo no nidina an-dalambe mba hanao fihetsehana hitakiana ireo zo ireo, ary teny no niatrehan-dry zareo ny herisetran'ny polisy sy ny fisamborana.
Tamin'ity volana ity, taorian'ny nanoloana ny praiminisitra ao Koety, nanaraka ny tsindry avy amin'ny vahoaka noho ireo hetsi-panoherana, ireo olona tsy manana zom-pirenena ao Koety dia nahatsiaro fandrisihana hanao hetsika indray. Tamin'ny herinandro lasa, marobe ireo hetsi-panoherana madinika nateraky ny fitsaràna ireo mpanao fihetsiketsehana. Tamin'ny Zoma, ilay hetsi-panoherana dia nitondra nankany amin'ny fisamborana lehilahy 20, avy eo dia navotsotra ny Alahady.
Ny Alatsinainy, hetsi-panoherana iray lehibe no nitranga tao Taimaa, toerana nifamotoanan'ireo mpanao fihetsiketsehana, ka tanatin'izany no nandefasan'ireo polisy ny entona mandatsa-dranomaso, bala fingotra, tifitra ranobe, ary baomba manetroka mba hanaparitahana azy ireo. Taty aoriana, ny alina, naniry ny hihetsika miaraka amin'ireo tsy manana zom-pirenena mitaky ny zony teo anoloan'ny parlemanta ny Koetiana, saingy nanapa-kevitra ny tsy hamela na iza na iza hiditra ny faritry ny Kianja Erada ny mpitandro filaminana, raha tsy hoe mampiseho karapanondro manan-kery ry zareo, izay manaporofo fa olom-pirenena tokoa.
Ny Alatsinainy koa dia nomarihan'ny fisamborana lehilahy 30 izay niditra tamin'ny fitokonana tsy hihinan-kanina tamin'io andro io. Niezaka ny handrakotra ny zava-nisy tamin'ny twitter aho, amin'ny fandikàna ny fahitan'ireo mafàna fo eny an-kianja, nandefa bitsika tamin'ny teny Arabo.
Ity ny famintinana ny sasany tamin'ireo nitranga ny Alatsinainy.
@monakareem: Ilay mafàna fo @NawafAlbader miteny fa ny polisy mpandrava korontana ao #Kuwait dia mampiasa bala fingotra, baomba manetroka, & tifitra ranobe hanoherana ireo tsy manana zom-pirenena manao hetsi-panoherana #stateless (vina: 500)
@monakareem: Ilay mafàna fo @NawafAlbader miteny fa ny mpitandro filaminana dia mampiasa teny fanavakavahana amin'ireo tsy manana zom-pirenena manao hetsi-panoherana #stateless & mihaza azy ireny eraky ny elakelan-trano
Ireo vahoaka Koetiana romotra noho ny fomba fitondràna ireo rahalahiny tsy manana zom-pirenena. Ali Al Saibie mibitsika hoe :
@AlSaibie: Koetiana aho & tsy ekeko ny hahita NA OLONA IRAY AZA iharan'ny tsindry hazolena na tsy hajaina eto amin'ny fireneko. Tanin'ny fahalalahana & ny maha-olona ity.
Na teo aza izany fihetseham-po izany, avy amin'ireo Koetiana marobe, nitohy hatrany ny famoretana :
Ny vondrona ara-politika avy amin'ny ankavia “Ny Hetsika Liam-Pivoarana” dia teny an-toerana mba hanaraka ilay hetsi-panoherana sy nitatitra ireo herisetra [ar]:
Ilay Koetiana mafàna fo, Khaled Al-Fadala, dia iray amin'ireo olom-pirenena vitsy nandeha tany Taimaa mba hanao hetsika ary niezaka nanampy. Nitatitra tamin'ny Twitter izy hoe [ar]:
Maneho hevitra i Moe Qasem :
@MoeQasem: habibiana sy tsy misy indra fo ilay fanafihana ! Na ny biby aza tsy hatao toy izany! Ireo hery manokana dia niteny ara-bakiteny ny hoe : mialà ry amboa razana a! (Avy amin'ny mpandika : diky no teny tena mifanandrify amin'ny teny Anglisy voasoratra eto)
Ny hafa dia nizara lahatsary nalain'izy ireo teny amin'ireo hetsika. Isan'ireny i Althuwaini, izay nandefa tamin'ny alalan'ny bitsika ny lahatsary iray nalainy momba ny fanafihana ireo olona tsy manana zom-pirenena :
@althuwaini Fanafihana ireo mpanao hetsi-panoherana #Bidun an-dahatsary yfrog.us/28uhsbz
Ity lahatsary ity (nakarin'i Fares AlBalhan) dia mampiseho ny fanafihan'ireo mpitandro filaminana ireo mpanao fihetsiketsehana :
Raha ity lahatsary ity kosa (nakarin'ny mpiondana aterineto iray isan'ireo tsy manana zom-pirenena, mitondra ny anaram-petaka 7mgan) dia manambatra seho maro samihafa misy ny fanafihan'ireo mpitandro filaminana ny mpanao hetsika :
Ireo mpiondana aterineto hafa dia nizara sary maro momba ny fanafihana koa. Ireto ny sasany amin'izy ireny :