- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Pero: Lahatsary Ahitana ny Fihetsiketseham-panoherana ny Fitrandrahana, Andiany I

Sokajy: Amerika Latina, Però, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika

Fihetsiketsehana vao haingana manohitra ny fahapotehan'ny tontolo iainana noho ny fitrandrahanana harena an-kibon'ny tany ao Però no nitarika ny fampiasana fitaovam-pahalalam-baovao marobe, tamin'ny alalan'ny fanentanana sy famoahana lahatsary nalain'ny olom-pirenena nandritra ny hetsika, ahitana ny fahamaizana niseho sy ny sisa maro hafa izany. Manampy amin'ny fahazoana mazava tsara ny zava-misy mikasika ny olana ny fanivanana ny lahatsary.

Tsy ilaozan'ny kolikoly ny orinasam-pitrandrahana  lehibe . Miresaka ny fangatahan'ilay orinasam-pitrandrahana Newmont Mining Corporation (izay mitantana ny volamena ao Yanacocha [1]) fanampiana avy amin'ilay gadra Vladimiro Montesinos [2] ny lahatsary, mba handaminana ny raharaham-pitsarana hiarovana azy ireo, miaraka amin'ny fanohanan'ny Sampan-draharaham-panjakana Etazonia sy ny CIA. Fanadihadiana an-tsary 2005 FRONTLINE/World, antsoina hoe ‘Ny ozon'ny volamena Inca’ (La Maldición del oro inca), no novokarin'ilay mpanao gazety ao amin'ny New York Times,  Lowell Bergman.

Mitohy amin'ity lahatsary manaraka ity ny tantara, izay mitodika tamin'ny fotoana nahazoan'ny Espanola azy ary mitantara ny zava-niseho tao Cajamarca [3] , Inca, ilay antsoina hoe Atahualpa [4] nanokatra efitra feno volamena ho an'ny Espanola, ho solon'ny fahafahany, novonoin'ny Espanola anefa izy rehefa azony ny volamena. Mampiseho ny tranga tao Choropampa [5] ihany koa ity lahatsary ity, izay ahitana ny fiantrakain'ny merkiora eny amin'ny vahoaka, sy ny tranga tao Cerro Quilish [6], izay niteraka ady teo amin'ny vahoaka sy ny Yanacocha.

Mifarana ao amin'ny tapany fahatelo [7] fohifohy ny horonantsary fanadihadiana.

Na dia misy ifandraisan'ny amin'ny Yanacocha koa aza ny olana ankehitriny ao Cajamarca, dia mikasika ireo karazana tetikasa izay voalaza ao amin'ny horonantsary teo aloha koa izany. Mikasika ny tetikasa fitrandrahana ataon'ny Conga no tena olana [8], izay mety hanimba ireo renirano marobe ao an-tampon-ketsan”i  Cajamarca. Vondrona fikambanana firaisamonim-pirenena Cajamarca no namokatra ity lahatsary ‘Tsy mila Conga’  ity, izay mamaritra ny olana ara-tontolo iainana sy rano ao amin'ny faritra.

Lahatsary ‘Fitarainan'ny vahoaka tsy manan-drano’ (Lamento de un Pueblo sin AGUA) mitantara ny fiatombohan'ny fihetsiketseham-bahoaka tao Cajamarca, iray volana lasa izay, sy ny fiovan-kevitry ny Filoha Ollanta, nanambara fa manohana “ny rano” nandritra ny fampielezan-kevitra, nefa nanambara indrayvao haingana fa manohana ny “volamena sy ny rano.”

Ohatra iray tamin'ny zava-nitranga tamin'ny renirano iray nampiasan'ny orinasam-pitrandrahana, mampiseho mazava ny lahatsary fa maina ny reniranon'i Totoracocha noho ny fitrandrahana nataon'i Yanacocha:

Manana ny fijeriny manokana mikasika ny rano ny Yanacocha, araka ny hita ao amin'ity lahatsary ity:

http://www.youtube.com/watch?feature=player_embedded&v=9SpQs0DKcus [9]

Fizarana voalohany amin'ny horonantsary fanadihadiana ity  lahatsary manaraka ity, izay mitondra ny lohateny hoe ‘Ny Sandan'ny Volamena: Fanitsakitsahana ny Zon'Olombelona ao amin'ny  fitrandrahana ao Yanacocha, Cajamarca, Pero,’ notontosain'i Ralph Weihermann.

Afaka tsidihana eto [10] sy  eto [10] ny fizarana voalohany sy faharoa amin'ny horonantsary fanadihadiana.

Horonantsary hafa, mitovy anarana, ‘Choropampa, ny Sandan'ny Volamena’, manazava tsara ny olana mikasika ny loto ateraky ny merkiora ao an-tanànan'i Choropampa izay niseho 11 taona lasa izay.

http://www.youtube.com/watch?v=dW7zn0SbrV4 [11]

Mifantoka amin'ny lahatsary nalain'n'ny olom-pirenena tsotra nandritra ny hetsika ity lahatsoratra ao amin'ny fizarana faharoa ity.

Lahatsoratra navoaka tao amin'ny bilaogy manokana an'i Juan Arellano tamin'ny 7 Desambra 2011 [12].

Sary mampiseho mazava tsara ny fitrandrahana ao Yanacocha, ao Pero. Sary avy amin'ny mpisera Flickr elmorsa [13] (CC BY-NC-SA 2.0).