- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: Aiza ny Mpiara-mianatra Amiko?

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona

Maro ireo seza banga ao amin'ny oniversite ao Iran, sezan'ireo mpianatra izay tsy hita popoka ankehitriny. Tsy afaka nandia ny fianarana ny sasany noho ny resa-pinoana, toy ny mpikambana ao amin'ny finoana vitsy an'isa [1]Baha'i [2] izay enjehina, ny hafa kosa nogadraina noho ny fanaovana politika, novonoina teny an-dalana, na noterena handao an'i Iran. Raha ny zava-niseho tsara indrindra; dia ny fandroahana mpianatra tsotra izao fotsiny.

Tamin'ity taona ity, Tahkim Vahdat [3],  vondrona mpianatra mpitarika  fihetsiketsehana, niantso ho amin'ny “Fanentanana ny Seza Banga”, maneran-tany, tamin'ny 7 desambra, Andron'ny mpianatra Iran [4], mba ho fahatsiarovana ireo tratran'ny fahadisoam-panantenana  mba ho afaka hianatra indray. Noforonina ny pejy Facebook [5], horonantsary marobe no nalefa tao amin'ny YouTube mba hanehoana firaisankina miaraka amin'ny mpianatra noroahina sy nofaizina ao Iran. Indreto telo amin'izany…

Oniversite George Washington, Etazonia

Ao Barcelona, Espaina

http://www.youtube.com/watch?feature=player_embedded&v=4535gGdL-qQ

Hafatra avy any Kanada ho an'ny mpianatra nigadra