Nanao fihetsiketsehana tao an-drenivohitra Tripoli ny Libyana androany, ho fanoherana ny fampiasana fitaovam-piadiana, tao amin'ilay kianja malaza antsoina hoe kianjan'ny Martiora, kianja Maitso teo aloha, no nanaovana ny hetsika. Mpisera Twitter maro no tonga tao mba hampita mivantana ny hetsika nomena anarana hoe #BodoyTripoli.
Tahaka ireo “hetsika” niseho manerana ny tontolo Arabo nandritra ity taona ity, ny hetsika androany dia hitohy hatramin'ny 11:30 alina ora ao Tripoli, nokarakaraina ho toy ny hetsika amin'ny Facebook izany. Manambara ny pejy Facebook fa ny hetsika izay natao teo ambanin'ny fiahian'ny Filan-kevitra Monisipaly ao Tripoli, dia ny mba hanehoana ny hatezeram-bahoaka noho ny fisian'ireo fitaovam-piadiana sy andian-dehilahy mitondra fitaovam-piadiana avy any ivelan'i Tripoli.
Tao amin'ny Twitter, Adam nizara ity sary nandritra ny hetsika ity:
@4Adam: Fihetsiketsehana ao amin'ny kianjan'ny Martiora ao #Tripoli ho fanoherana ny fitondrana fitaovam-piadiana. 7 desambra 2011 #Libya
Assia Bashir Amry, Libyana monina any Etazonia, nivazivazy hoe:
@Libyan4life: Ho manan-tantara ny #OccupyTripoli. MBOLA tsy nisy vahoaka marobe nanao fihetsiketsehana mba haneho ny heviny toy izao nandritra ny fitondran'i #Gaddafi. #Libya #Feb17
Ismael Zmirli nanampy hoe:
@ChaingeInLibya: Tsy mbola nandeha tany amin'ny kianjan'ny Martiora izany mihitsy ny reniko, ankehitriny anefa niantso ahy avy ao amin'ny hetsika #OccupyTripoli izy- fotoanan'ny fampihavanana izao, tsy fampiasana fitaovam-piadiana & tafika ao an-toerana
Naneho ny fahagagany noho ny fahalebiazan'ny hetsika ny Tripolitaniana :
@Tripolitanian: Tsy araka ny noeritreretiko ny fahalebiazan'ny fihetsiketsehana #OccupyTripoli; http://pic.twitter.com/vD1IRIkb #Libya
Mpisera Twitter Libyana maro ihany koa no nahatsikaritra ity afisy manaraka ity izay mahatsikaiky.
Alaref Hassan nanoratra hoe:
Araka ny nambaran'ny @Libyan4Life, midika toy izao ny tao amin'ilay afisy:
Malahelo anao ny reninao ary maniry ny rainao mba HODY AN-TRANO amin'izay ianao! lol
Antso ho an'ny lehilahy mba hamela ny fitaovam-piadiana izany ary hanohy ny fiainany andavan'andro.