- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Okraina:Misava Làlana Amin'ny Fampiasàna Ny Media Sosialy Ny Hôpitalim-Bahoaka

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Okraina, Fahasalamàna, Hafanàm-po nomerika, Hevitra, Mediam-bahoaka, Teknolojia

Nitsangana ny 1798, ny toeram-pitsaboana klinikam-paritra ao Dnipropetrovsk [1] [ru, uk] – notendrena taorian'i Ilya Ilyich Mechnikov [2] –  dia iray amin'ireo trano fitsaboana ntaolo indrindra any Okraina. Izy ihany koa dia iray amin'ireo toerana fitsaboana an'ny fanjakana voalohany indrindra izay mampiasa ny media sosialy..

Ny olona ao ambadiky ny fanamboarana ny kaonty Twitter (@MechnikovaBoln [3] [uk, ru]), sy Facebook[uk, ru] [4] an'io hopitalim-bahoaka voalohany eo amin'ny firenena io, dia i Mykhailo Sukhomlyn, izay mpitsabo momba ny aretina mora mihanaka sady manam-pahaizana amin'ny teknolojia vaovao sy mpitoraka bilaogy ao amin'ny (@mvsnotes [5] [uk, ru], mvsnotes.blogspot.com [6] [uk, ru]).

Na aza izany, tsy ity no ezaka voalohany nataony amin'ny fampiodinana ny kaontina media sosialy ho anà toerana fitsaboana an'ny fanjakana.

Ireo mafana fo amin'ny media sosialy

I Sukhomlyn sy ny vadiny – ilay mpamorona rindram-baiko Tetyana Cheshko (@tvnotes [7] [uk]) – dia niasa tanatinà departemantam-paritra misahana ny fahasalamana sy ny aretina mora mifindra. Samy mafana fo amin'ny media sosialy izy roa, ka nanangana [8] [uk] ny kaonty Twitteran'io tranom-panjakana io, izay nampiasaina ho fifanakalozam-baovao haingana ao anatiny eo amin'ireo mpitantana ao anatin'io departamanta io. I Mykhailo sy i Tetyana ihany koa dia nanaiky [8] [uk] fa matetika no mifandrai amin-dry zareo ireo mpampiasa Twitter izay manana fanontaniana mahakasika ny fahasalamana sy ny fitsaboana.

Taorian'ny nahalasa azy ho Lehiben'ny Fampitam-baovaon'ny hopitalim-paritra ao Dnipropetrovsk, nanapa-kevitra ny hampihatra ny traikefa nahombiazany any an-toerana i Sukhomlyn ary nanomboka [9] [uk] ireo kaonty media sosialiny mba hizarany vaovao momba ilay toeram-pitsaboana, anatin'izany ireo hetsika, filazana tolotr'asa, fahatongavana fitaovana vaovao, sns.

[10]

Mykhailo Sukhomlyn (voalohany avy any ankavanana) sy Tetyana Cheshko (fahatelo avy any ankavanana) miaraka amin'ireo manampahaizana momba ny fomba fampitam-baovao ara-pahasalamàna, Sary avy amin'ny Hopitalim-paritra ao Dnipropetrovsk

Anatina tafatafa niarahana tamin'ny Fantsona Fahitalavitra 9  ao  Dnipropetrovsk, nanazava [8] [uk, ru] i Sukhomlyn fa mampiasa ny kaonty Twitteran'io toeram-pitsaboana io ireo mpiandraikitra mikasika ireo tolotra omen'io tranom-panjakana io, sady mandrisika ny fampiasàna ny Facebook mba hiresadresahana momba ny hatsarany ao amin'ny pejy ofisialin(izy io. Ohatra, ny iray amin'ireo olana notsongain'ireo marary dia ny fiandrasana maharitra ny filaharana ao amin'ilay toeram-pitsaboana.

Misy ihany koa ny mpiasa hafa ao amin'io toeram-pitsaboana io no  mampiasa Twitter. Ny volana lasa teo, nizara [11] [uk] ny lisitry ny Twitter-ndry zareo ilay toeram-pitsaboana ary nandrisika ny hafa hanaraka izany:

Рекомендую наших лікарів, твітерян-початківців – @Tolubaiev @Oxanalivshits @DrMedvedev @IhorKyrpa @SokolovMD #ff #sledui #раджу

Mamporisika anareo hanaraka ny dokotera, vaovao ao amin'ny Twitter – @Tolubaiev @Oxanalivshits @DrMedvedev @IhorKyrpa @SokolovMD #ff #sledui #раджу
[12]

Ireo mpitsabo ao amin'ny hopitaly klinikam-paritra ao Dnipropetrovsk voatendry taorian'i Ilya Ilyich Mechnikov, Sary avy amin'ny Hopitalim-paritra ao Dnipropetrovsk

Na dia mety ho fialohavan-dàlana ho an'i Okraina aza izany hetsika ataon'izy ireo izany, misy raki-tahiry [13] iray [en] iraisam-pirenena ho an'ireo dokotera tena manana ny maha izy azy ao amin'ny Twitter, izay ankehitriny dia ahitàna anarana 1,327  ary dia havaozina isaky ny adiny iray izany.