- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Palestina: Matory Ary Fohazin'ny Fipoahana Ny Ao Gaza

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Palestina, Ady & Fifandirana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka

Ny fahanginan'izao tontolo izao amin'ny fanafihana tsy an-kiato an'i Gaza dia niteraka hatezerana mafy tamin'ireo mpampiasa aterineto ao amin'ny Twitter, izay niampanga fa tsy mijery ireo Palestiniana ho toy ny olombelona intsony izao tontolo izao.

Manamartika i Abou Charlie :

@Abou_Charlie [1]: Zavatra tsara ny tsy maha-olombelona ny  Palestiniana, fa raha tsy izany dia tokony hitandrina ianao  #Gaza amin'izao fotoana izao dia voadaroka baomba. Tena mahasorena izany!

Tunisian Tounsia Hourra (Toniziana Malalaka) dia manolotra [ar]:

قصف غزة أمر عادي الكل نيام الآن لا تزعجوهم بهذا الخبر القديم البائت ,,انتظروا جمعة نصرة فلسطين وتحرير القدس والزحف للدفاع عن الأقصى ‎#Gaza
@tounisiahourra [2]: Zary zava-mahazatra ny fandarohana baomba an'i Gaza. Matory ny rehetra amin'izao fotoana izao. Aza manahiran-tena amin'izany vaovao efa ntaolo izany. Miandrasa ny Zoma fanohanana an'i Palestina, ho amin'ny Fanafahana ny Jerosalema sy ny diabe mba hiarovana ny Al Aqsa

Ary dia manampy i Leil-Zahra Mortada:

@LeilZahra [3]: vaovao mikasika fipoahana & maratra avy any #Gaza – tsy misy na inona na inona any amin'ny fampahalalam-baovao goavana, nefa mampaneno ny fanairana ireo mpitoraka bitsika any an-toerana! #Palestine

Ireo fihetseham-po ireo dia taorian'ireo vaovao momba ny nanafihan'i Israely ny Lemak'i Gaza tamin'ity maraina ity , izay nitarika fahafatesana olona iray sy dimy naratra. Voalaza ho mpikambana ao amin'ny Borigady ny Al Quds [4], ilay elatra mitam-piadian'ny fikambanana Islamista Palestiniana Jihad Islamika avokoa izy ireo.

Avy any Gaza, ny mpitoraka bilaogy [5] Omar, izay milaza ny tenany ho mpanao gazety sy mafana fo ho amin'ny fandriampahalemana, manome vaovao tsy tapaka ho antsika mandritra ny fanafihana avy amin'ny alàlan'ny kaonty Twitterany. Nanazava izy:

@Omar_Gaza [6]: Vao avy naheno fipoahana! #Gaza

Ary dia nampiany:

@Omar_Gaza [7]: Amin'izao fotoana izao dia maheno ireo fiarakodia mpamonjy voina taorian'izany fipoahana goavana izany! #Gaza

Ary nanohy izy:

@Omar_Gaza [8]: Maheno anjombona maro aho! #Gaza

Dima, mbola any Gaza ihany, nitoraka bitsika momba ny niainany nandritra ny fanafihana. Nanoratra izy:

@dimaeleiwa [9]: henoko ireo fiaramanidin'ny tafika Israeliana misidina manerana an'i #Gaza … tsara kosa izany alina mipoapoaka izany koa !!!

Ary nanampy izy:

@dimaeleiwa [10]: ny zavatra tsy tiako amin'ireo “alina mipoapoaka”, raha andeha hatory aho dia misy fipoahana mety hanaitra ahy !! #Gaza

Tsy fantatsika ny fandehan'ny alin'i Dima, fa tamin'ity maraina ity, nitoraka bitsika izy:

@dimaeleiwa [11]: misaotra anao ry F16 nanaitra ahy :/ ~~ #Gaza

Ary manampy:


@dimaeleiwa
: Naheno basy nipoaka aho. Sento #Sigh #Gaza

Ny bitsiny farany dia milaza:

@dimaeleiwa [12]: #ThingsThatShouldSTOP Bombing (ZavatraTsyMaintsyATSAHATRA ny Daroka Baomba) #Gaza sy ny famonoana olona tsy manan-tsiny !