Blogging Positively: Fandefasana Bitsika Momban'ny Andro Eran-tany Natokana Ho An'ny SIDA 2011

Ny sehatra fitorahana bilaogy kiritika ao amin'ny Twitter dia hita fa natao ho fitaovana hampiasain'ireo mpanao mafàna fo miasa eo amin'ny sehatry ny VIH/SIDA mba hanabeazana sy hanetsehana ny sarambabem-bahoaka amin'ity olana maneran-tany ity. Tamin'ny taona 2010, dia vahoaka miisa 34 tapitrisa no niaina niaraka tamin'ny VIH nahitàna olona vaovao 2.7 tapitrisa vao voan'ny VIH, izany dia mampiseho fa mbola ho lava dia lava ny tolona. Niaiky ireo fikambanana iraisam-pirenena ny amin'ny maha zava-dehibe ny fampahalalam-baovaon'olon-tsotra mba ho làlana iray hifandraisana amin'ireo olona izay mieritreritra ny hiady amin'ny fihanaky ny aretina.

Sary avy amin'ny Lammy831 ary nampiasàna ny fahazoan-dàlana Attribution 2.0 Generic (CC BY 2.0) ."

Ny UNAIDS dia nanao fanentanana iraisam-pirenena antsoina hoe  “Crowd Out AID” na “Vahoaka Lavitry ny SIDA” fomba iray izay hampivondronana ny tanora mba “Hifandray, Hizara, Hikaroka  Vahaolana, ary Handray Anjara aminà Hetsika Iraisana.” Ireo singa rehetra momba ilay fanentanana ao amin'ny aterineto dia mihodina manodidina ny tenifototra #CrowdOutAIDS ary manasa ny tanora izy ireo handefa bitsika ny fomba tiany hirotsahana an-tsehatra.

Ankehitriny noho ny fankalazàna ny andro eran-tany natokana ho an'ny SIDA izay atao ny 1 Desambra isan-taona,  dia manampy i Twitter hanasongadinana ireo ezaka sy ireo hetsika maro izay hita manerana an'izao tontolo izao. Ny tenifototra #WAD11 sy #WorldAIDSDay dia efa nampiasaina sahady ka hamatsy vonjy maika ny amin'izay zava-mitranga maneran-tany momba ny Andro Eran-tany Natokana ho an'ny SIDA.

Ny fampiasàna ny fampahalalam-baovaon'olon-tsotra mba hampifandraisana ny vahoaka sy hilazàna ireo tantara momba ity aretina izay mamely ny fianakaviana antapitrisany maro maneran-tany ity no fototra ijoroan'ny tetikasan'ny Rising Voices initiative  “Blogging Positively, na Mibilaogy amin'ny fomba Miabo.”   Natsangan'ireo mafàna fo izay niasa tamin'ity sehatra ity ny 2008, ilay vondrom-piarahamonina dia nanampy mba hamoronana “tondrozotra” iray hanomezana toro-hevitra sy tari-dàlana ho an'ireo mafàna fo maneran-tany hampiasàny amin'y fomba mahomby ny fampahalalam-baovaon'olon-tsotra eo amin'ny asan'izy ireo. Ankehitriny ilay “tondrozotra” dia efa misy amin'ny fitenim-pirenena miisa dimy, ary efa an-dàlana ny fiteny Arabo.

Nifototra tamin'ny pitikafo iray avy ao amin'ny vondrom-piarahamonin'ny Blogging Positively, ny “Rising Voices” dia te-hanasa ny ankamaroan'ireo mpampiasa rehetra maneran-tany mba hibitsika momba ny niarahana nankalaza ny Andro Eran-tany ho an'ny SIDA tao amin'ny fiarahamonina misy anao. Ampiasao azafady ny tenifototra #BlogPos, sy ny #WAD11 koa mba hahazoanay mamantatra ny misy ireo bitsika. Hisy ny fitsongàna ireo bitsika maneran-tany hasongadina ao amin'ny “Rising Voices” amin'ny andro manaraka ny Andro Eran-tany ho an'ny SIDA. Afaka mibitsika amin'ny fiteny rehetra ianao. Aza adinoina azafady ny manisy ny firenena izay andefasanao bitsika mba hanampy anay amin'ny fanaovana indray mipika ny zava-misy amin'ny ankapobeny.

Ny sasany amin'ireo bitsika nataonareo dia mety hahakasika ny amin'ny:

  • Ahoana ny fomba nanamarihanareo ny Andro Eran-tany ho an'ny SIDA?
  • Inona avy ireo olana misy ankehitriny mifandray amin'ny VIH/SIDA izay atrehan'ny fiaraha-monina ao aminareo?
  • Inona no hataonao mba hanampiana ny ady amin'ny fitsaratsaram-poana na ny fanairana ny saina ao anatin'ny fiarahamonina misy anao?
  • Inona no anjara toeran'ny fampahalalam-baovaon'olon-tsotra manoloana ny ady atao amin'ny VIH/SIDA?

Tena tsy andrinay ny hamaky ireo bitsika hataonareo amin'ity andro lehibe ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.